- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra asongadina: Lina Ben Mhenni

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 15 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Bilaogera [1] Toniziana sady mpikatroka i Lina Ben Mhenni ary nanoratra momba ny tontolon'ny bilaogy Toniziana ho an'ny Global Voices [2] izy nanomboka hatramin'ny volana Oktobra 2008.

http://blip.tv/play/g80XgbbeBgA

Tamin'ny alàlan'ny famoronana vondrona Facebook [3] sy ny bilaogy [4] no nitarihany fanentanana momba ny raharaha mikasika ilay mpianatra Toniziana, Mohamed Soudani [5], izay nogadraina noho ny fanaovany antsafa niaraka tamin'ny fampitam-baovao.

Anisan'ny nanatrika ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo Faharoa [6] izay natao tao Beirota, Libanona i Lina .