- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra asongadina : Eman AbdElRahman

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Marihina fa tamin'ny 9 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices i Eman AbdElRahman [1], fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Lasto Adri, namoaka lahatsoratra matetika momba an'i Egypta tanindrazany. Navitrika tao amin'ny tetikasa antsoina hoe Kolena Laila ihany koa anefa izy araka ny tranonkala [2]:

“We are all Laila” is an initiative to devote a day, annually, to speak up about the problems facing oppressed women in the Arab region. On that day, bloggers publish posts under the title of “We are all Laila” to raise awareness and discuss the concerns of women in Arab societies.

Ny “Laila avokoa isika rehetra” dia hetsika hanokanana andro iray, isan-taona, hiresahana momba ireo olana atrehan'ny vehivavy voageja any amin'ny faritra Arabo. Amin'io andro io,  mamoaka lahatsoratra eo ambanin'ny lohateny hoe “Laila avokoa isika rehetra” ireo bilaogera mba hanairana ny saina sy hiresahana momba ny olana mahazo ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Arabo.

Nandray anjara tamin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo Faharoa [3] tany Beirota, any Libanona izy, izay nanolorany ny tetikasa ho an'ny vondrona. Miresaka momba ilay tetikasa izy ato amin'ity lahatsary ity.

http://blip.tv/play/g80XgbWbZwA