- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Ny hamehana tao Tabasco 

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Voina

(Marihina fa tamin'ny 12 Novambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Sary avy amin'i _…:::Celuloide:::…_ [1] ary nampiasana lisansa Creative Commons

Hatramin'ny fiandohan'ny volana, niha-tondraka tsikelikely noho ny oram-batravatra ny fanjakan'i Tabasco, any Meksika. Faritra maherin'ny 80%-n'ny fanjakana no tondraky ny rano tanteraka ary namela tsy manan-kialofana an'arivony sy nampikatso ny toekarena. Very avokoa ny vokatr'izy ireo. Nambara ho faritra tra-boina ny fanjakana iray manontolo, ary ao anatin'ny telo volana mahery no hanalana ny rano hivoaka ny faritra. Maro no nilaza fa fa tena ratsy kokoa noho ny nitranga tany Nouvelles Orléans ity zava-nitranga ity .

Tratran'ny oram-baventy ny fanjakan'i Tabasco sy ny fitondrahan'ny rano nanaraka izany. Araka ny mitranga matetika rehefa misy ny voina voajanahary, nanambatra ny soroka ny bilaogera ao Meksika haneho fanohanana ireo tra-boina sy hampiely ny torohay amin'ny fomba sy ny toerana hamonjena.

Nanoratra avy tamin'ny zavatra niainany manokana i Bucefalo [2] ary nanome ny lisitry ny fitaovana ilaina [3] :

Estamos sin agua potable, ya no hay camiones que repartan agua purificada…las despensas se están agotando, y las compras de pánico ya se dieron, y queda poco, pero tampoco pueden surtirse por obvias razones. Y los que tienen todavía algo, se aprovechan con precios exagerados. Lo que no entiendo es por qué las filas para cargar gasolina (donde por cierto solo queda magna), si estamos rodeados de agua y nadie puede salir.

Tsy manana rano fisotro madio izahay ary tsy misy ny kamiao hizarana ny rano voadio… lany ny vatsy ary efa nisy ny fiantsenana noho ny fisavorovoroana kanefa kely sisa no tavela, saingy tsy azo tehirizina noho ny antony mazava izany. Ho an'ireo izay mbola manana entana ao am-pivarotany dia manararaotra ny toe-draharaha amin'ny vidiny tafahoatra. Tsy azoko ny antony filaharana lava amin'ny fividianana solika kanefa tsy misy afa-mihetsika isika fa voahodidina  rano .

Nanolotra fitantarana feno momba ny voina niaraka tamin'ny fanavaozam-baovao isan'ora i Enigmatario [4] .

Nanome antontanisa maromaro mikasika ny zava-nitranga i J.S. Zolliker avy ao amin'ny Realidad Novelada [5].

  • 850 towns are flooded—approximately 70 percent of the state—with flood levels ranging from 2 inches to 36 feet
  • An estimated 80,000 households have lost all personal property
  • Nearly 30,000 people were housed in 269 shelters.
  • More rain is expected in the coming days

Mexico has declared a state of emergency in all 17 municipalities of Tabasco State.

  • The government of Mexico and humanitarian agencies are unable to reach many communities as a result of the flooded roadways and raging waters.
  • Government of Mexico reports indicate that as many as 300,000 people are currently cut off from assistance due to the rising water.
  • The Mexican government has issued flood alerts for the neighbouring state of Chiapas and has begun evacuating communities in high risk areas.
  • Priority needs include food, water, health care and basic relief items, such as hygiene materials and clean up supplies.
  • Tanàndehibe miisa 850 no tondraky ny rano, izany hoe 70 isan-jaton'ny fanjakana eo ho eo – tondra-drano manana haavo 5 santimetatra ka hatramin'ny 10 metatra eo ho eo
  • Fianakaviana miisa 80.000 no notombanana fa namoy ny fananany manokana
  • Olona teo ho eo amin'ny 30.000 teo no nomena nampiatranoina amin'ny toerana miisa 269.
  • Mbola ho avy ny orana ao anatin'ny andro maromaro

    Nambara tao Meksika ny hamehana tany amin'ny kaominina miisa 17 tao amin'ny fanjakana Tabasco.

  • Ny governemantan'i Meksika sy ireo sampan-draharaha misahana ny fanampiana dia tsy afaka tonga tany amin'ny toerana nisy ny vondrom-piarahamonina maro vokatry ny lalana tondraky ny rano sy ny rano mifofofofo.
  • Nilaza ny tatitra nataon'ny governemanta ao Meksika fa efa ho 300.000 ireo olona no tsy nahazo fanampiana noho ny fiakaran'ny rano.
  • Namoaka fampitandremana ho an'ny tondra-drano tany amin'ny fanjakana Chiapas izay manodidina eo ny governemanta Meksikana ary nanomboka nanala ireo vondrom-piarahamonina tany amin'ny faritra tena natahorana.
  • Laharam-pahamehana ilaina ny sakafo, ny rano, ny fitsaboana sy ny fitaovana fanampiana fototra, toy ny fitaovana fidiovana ary ny fitaovana fanadiovana ny fitaovana fototra.

Nanambara ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahasalamam-bahoaka fa hisy ny famonoana bibikely faobe mandritra ny herinandro mba hisorohana ny mety hisian'ny aretina. Nanentana ny fepetra fisorohana toy ny fandevenana ny biby maty sy ny fanesorana ny rano miandrona any amin'ny faritra ho an'ny daholobe ihany koa izy.

Efa niandry ny fisehon'ny aretina ny governemanta ary nanao ny ezaka fanarenana kanefa tsy naharaka ny fangatahana izy ireo na dia haingana tamin'ny famaliana aza. Nihoatra ny fahafaha-manaon'ny governemanta ny halehibeazan'ity voina ity. Soa fa namaly haingana tamin'ny antson'ny fanampiana ny firenena iray manontolo.

Milaza ny fomba maro nahafahana nanome fanampiana toy ny 20 pesos (2$ 2) ho sakafo, rano ary akanjo i Margarita Almada [6] ary ny nandahatra lisitra ireo handefasana ny vola.

Nalefan'i Daria [7]ny lahatsary mampiseho ny faritra tratran'ny voina.