- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Ny Andian-tantara Mpanjaka Farouq

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Oktobra 2007)

Raha nitsidika ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana ianao tato ho ato, dia mety hitanao ny resabe manodidina ny mpanjaka farany Ejypsiana, ny Mpanjaka Farouk [1]; ary tsy mahagaga, satria ny tantara mitohy “Mpanjaka Farouk”, nosoratan'i Lamis Jabber, dia nalefa tao amin'ny fantsona zanabolana MBC1 [2]. Azonao vinavinaina avy amin'ny lohateny fa mifantoka indrindra amin'ny Mpanjaka Farouk ny tantara mitohy, maneho ny fiainany manokana sy ny fomba fiainan'ny Ejiptiana nandritra ny vanim-potoana nitondrany.

The Big Pharaoh [3] manoratra hoe:

“After years of being tarnished, justice is being done to King Farouk. A splendid television series that started to air at the beginning of Ramadan almost accurately portrays the life of Egypt’s last monarch with its positives and its downfalls. The series has received very positive feedback especially the performance of the Syrian actor Taym Hasan who plays Farouk.”

“Taorian'ny taona maro nandotoana azy, nomena ny rariny ny mpanjaka Farouk. Tantara mitohy malaza amin'ny fahitalavitra izay nanomboka nivoaka tany am-piandohan'ny Ramadany ary manasongadina mazava ny fiainan'ny mpanjaka farany tao Ejipta niaraka tamin'izay tsara sy ratsy. Nahazo fanehoan-kevitra tena tsara ny tantara mitohy, indrindra ny fampisehoana an'ilay mpilalao sarimihetsika Syriana Taym Hasan izay milalao ny anjara toeran'i Farouk. “

Raha ny marina dia tsy hahita bilaogera manoratra fotsiny ny fandinihany sy ny fijeriny momba ilay andian-tantara ianao, fa koa manoratra fampitahana eo amin'ny toeran'i Ejipta ankehitriny sy tamin'izany, indrindra raha fantatrao fa nandao ny firenena ny mpanjaka Farouk taorian'ny revolisiona Ejiptiana nitam-piadiana farany, tamin'ny 23 Jolay 1952.

Farida [4], vehivavy bilaogera Ejiptiana hafa namoaka lahatsoratra bilaogy antsipiriany mitondra ny lohateny hoe “Ny Mpanjaka sy izaho .. ary ny revolisionan'ny noana” izay nilazany hoe:

في هذه الأيام.. أيامنا .. ايام عام 2007
يكثر الحديث بين الناس عن “الثوره” لأنه و كما تعلمون جميعا زيادة الأسعار صارت غير محتمله و غير مبرره
و الأوضاع تتردى من سيء الى أسوأ و الناس مشنوقه بمعنى الكلمه … و الجيل القديم قد علم أن ثورة 23 يوليو كانت مقلب و كل أهدافها لم تحقق
[…..]
مصر قبل الثورة كانت تزرع تصدر الآن تستورد لتأكل

Mandritra ny andro iainantsika ankehitriny amin'ny taona 2007, miresaka betsaka momba ny “revolisiona” ny olona, satria araka ny fantatrao, nanjary tsy zaka ny vidim-piainana ary miha-ratsy ny toe-javatra; sempotra ny vahoaka araka ny dikany ara-bakiteny. Ary amin'izao fotoana izao, mahafantatra ny taranaka teo aloha fa tsy tratra ny saika ny ankamaroan'ny tanjona revolisionan'ny 23 Jolay.
[…]
Zatra namboly sy nanondrana i Ejypta talohan'ny revolisiona, amin'izao fotoana izao dia manafatra izy mba hisakafo.

المشكله أنه عندما تقوم ثورة الجياع ستقوم كثوره عشوائيه متخبطه لا هدف لها
ثورة 23 يولو كان لها هدف و جهه تحقق هذا الهدف
لكن ثورة الجياع أي جهة ستحقق مطالبها؟؟

Ny olana dia rehefa manomboka ny revolisionan'ny noana, dia ho revolisiona kisendrasendra tsy misy tanjona izany. Ny Revolisiona 23 Jolay dia nanana tanjona sy sehatra iray hanatratrana izany saingy amin'ity Revolisionan'ny Noana ity – iza no hanatanteraka ny fangatahany??

ما يلفت نظري حقا هو
كيف كان الملك فاروق بهذا الضعف و الطيبه والسذاجه .. ان خرج من مصر دون اراقة دم فرد واحد من الشعب
هل لأنه كما قالت لنا الثوره في كتب التاريخ .. كان خلاص الناس طهقت و كان لازم حيخرج و الجيش كان اقوى!!؟
أم لأن فاروق كان كما رسمته الدكتوره لميس جابر.. شخصيه ضعيفه مهزوزه.. اعتقد ان تلك رغبة المصريين فنفذها؟؟
أم لأنه الملك ملك ..و الظابط ظابط؟؟ ..

Inona no mampanontany tena ahy, ahoana no ahafahan'ny mpanjaka Farouk izay marefo, tsara fanahy sy tsotra loatra ho voaraoka ao Ejipta kanefa tsy nandatsaka ràn'olom-pirenena tokana akory?
Satria – araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara – tena leo ny olona ary tsy maintsy nivoaka izy ary natanjaka kokoa ny tafika? Sa noho i Farouk tenany ihany, ary araka ny fanorisoritan'i Lamis Jaber, olona malemy sady be fisalasalana, nihevitra fa fanirian'ny vahoaka izany ka notanterahany?
Sa noho ny mpanjaka izay mpanjaka, ary ny manamboninahitra izay manamboninahitra?