- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitry Ny Mpisera Amin'ny Aterineto : Inona No Andraikitry Ny Facebook Amin'ny Ady An-trano Ao Libia ?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Tamin'ny 2011, Libiàna manohitra ny mbola fisian'ireo vondrona mitàm-piadiana eo afovoan'i Tripoli. Sary avy amin'i Maghrebia avy ao amin'ny Wikimedia (CC BY 2.0)

Manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena ary fironana vaovao momba ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny Tatitry Mpisera avy amin'ny Advox.

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, voasakana [2] ny Facebook tao Tripoli, renivohitr'i Libia sy ny tanàna manodidina, rehefa  nipoaka ny fifandonana tamin'ireo milisy mitàm-piadiana. [3] Notaterin'ny Reuters fa tamin'ny 3 septambra dia nanomboka tamin'ny mitataovovonana teo ho eo tany an-toerana ny fisakanana ary tsy tafiditra tamin'ny Facebook intsony ny olona ,na dia mbola tafiditra tamin'ireo haba-tranonkala aza. .

Tsy mbola fantatra mazava hoe iza no nisakana ilay sehatra haino aman-jery sosialy ary inona no antony. Notaterin'ny Al Jazeera [4] ny tenin'ilay orinasam-panjakàna libiana misahana ny Paositra sy ny fifandraisandavitra ary ny teknolojian'ny fampitàmbaovao izay  tompon'ireo roa hany mpanome tolotra aterineto ao amin'ny firenena hoe : “ny tsy fahampian'ny fiarovana no nahatonga ny fanapahana ilay tolotra”  fa tsy nikendrena ny hanakanana mivantana ny Facebook.

Tahaka ny any  amin'ireo toerana hafa ao amin'ny faritra [5], ny Facebook no sehatra haino aman-jery be mpampiasa indrindra aty amin'ity firenena vitsy mponina ity , enina tapitrisa no isan'ny mponina. Raha nanana anjara fototra tamin'ny fanentànana ireo hetsika hanoherana ny fitondrana jadon'Itompokolahy Mouammar Kadhafi [6] ny Facebook tamin'ny 2011, nanomboka teo ity sehatra ity [7] dia ampiasain'ireo  [7] vondrona mitàm-piadiana isankarazany mpifaninana hifehy  mba hikarohana, handrahonana ary hampanginana ireo moanakiana sy mpanohitra, handrisihana lahateny mankahala sy ireo hetsika tsy manara-dalàna hafa toy ny fanondranana fitaovam-piadiana sy fanondranana olona. Nasehon'ilay fanadihadiana vao haingana nataon'ny The New York Times [7] fa ” saika ny vondrona mitàm-piadiana rehetra any Libia” dia manana ny pejy facebook-ny daholo.

Nahita porofo ny The New York Times fa amidy malàlaka ireo fitaovam-piadiana na dia eo aza ny politikan'ny orinasa amin'ny fandràrana ny fivarotana tahaka izany. Ireo mpanondrana olona dia midehaka ny fahombiazany amin'ny fanampiany ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna mba hihazo an'i Eoropa amin'ny alàlan'ny ranomasina, ary mampiasa ny pejiny mba hikarohana làlam-barotra bebe kokoa.

Tsy mila aterineto manaraby i Arabia Saodita

Ny 3 septambra, nambaran'ireo [8] mpampanoa lalànam-panjakàna any Arabia Saodita tamin'ny Twitter [8] fa ny lahateny izay ” manevateva, maneso, mandrisika sy manakorontana ny filaminam-bahoaka, ny soatoavina ara-pivavahana ary ny toetsain'ny vahoaka amin'ny alàlan'ny haino aman-jery sosialy ” dia ho voasazy, handoa onitra araka ny lalàna efa misy momba ny heloka bevava atao amin'ny aterineto. Izany dia atao ho fandraràna ny fanarabiana ara-politika ato amin'ny fanjakana sady manome ireo manam-pahefana fanampina araka ny lalàna mba hampanginana ny lahateny manakiana.

Efa nampiasaina im-betsaka mba hanamelohana kabary politika ny lalàna momba ny heloka bevava atao amin'ny aterineto, isan'izany ilay raharaha malazan'i Israa Al-Ghomgham, [9] mpikatroka mafana fo iray voatàna nandritra ny telo taona mahery izay voahenjika noho ny hafanampony tamin'ny aterineto nandritra sy taorian'ireo fitroaran'ny Arabo tamin'ny 2011-2012. Takian'ny mpampanoa lalàna amin'izao fotoana izao ny fanamelohana ho faty an'i Al-Ghomgham, izay hiakatra fitsarana indray amin'ny volana Oktobra.

Taorian'ny “nitenenany ratsy an'Andriamanitra”, tsy mety hiseho eny amin'ny fitsaràna ilay espaniola mpilalao  t

Voatàna [10]any Espaina ny mpilalao iray fanta-bahoaka, noho ny fanehoankeviny tao amin'ny facebook tamin'ny jolay 2017 mivaky hoe :” hangereko Andriamanitra ary misy sisanà tay eo amin'ny fahamasinana sy ny fahadiovan'i Maria Virjiny.”  Nametraka fitarainana ny Fikambanan'ireo Kristiana Mpisolovava Espaniola tamin'ny filazàna fa manivaiva ny fihetsehampo ara-pivavahana ilay fanehoankevitra , na dia hoe fomba fiteny mahazatra aza ny hoe ” hangereko Andriamanitra” any Espaina. Taorian'ny fametrahana ilay fitarainana, dia efa in-droa tsy nety niseho teny amin'ny fitsaràna i Willy Toledo, noho izany toe-draharaha izany dia nandidy ny fampisamborana azy ny mpitsara miandraikitra ny raharahany. Lasa lohahevitra laharana voalohany ny #MeCagoEnDios ao amin'ny Twitter hibitsihan'ireo mpisera maneho firaisankina amin'i Toledo any Espaina.

Mbola iharan'ny kiana mivaivay ny WhatsApp any India

Eo am-pamolavolàna andianà torohevitra [11] mba hanafoanana ny fiparitahan'ny vaovao tsy marina ao amin'ny firenena ny komity iarahan'ny ministera any India, izay matetika mitarika ho amin'ny herisetra tena izy amin'ny fiainana, indrindra amin'ny endrika fitsarambahoaka. Na dia ny WhatsApp sy ny Facebook aza no lohalaharana amin'ny lasibatr'ireo mpitarika ny governemanta  izay mpikambana ao amin'ilay komity,  maro [12] no milaza any India [12] fa ireo antoko politika lozabe no faka niaingàn'io olana io.

Manenjika ny vaovao diso ihany koa i Shina

Amin'izao fotoana izao, ny ezaky ny  Piyao, sehatra [13] iray vaovao nataon'ny fanjakana, [13] dia afantoka amin'ny fampiatoana ny ” tsaho” amin'ny aterineto any Shina, izay karazam-baovao rehetra [14] tsy avy amin'ny fantsona ôfisialin'ny governemanta dia heverina ho tsaho. Ampiantranoin'ny Kômisiôna Foibe Misahana ny Raharaha Heloka An-tSerasera ary tantanan'ny masoivohombaovao  Xinhua, maka angon-drakitra avy amin'ny sehatra 40 hafa mpitatitra tsaho  sy namorona angon-tsaho ahitàna tranga 30.000 ny Piyao. Mandrisika ny vahoaka hameno ny tatitra izy , nefa mampiasa ny faharanitan-tsaina voatrolombelona ihany koa mba hamantatra ny tsaho aparitaka amin'ny aterineto.

Maso Dimy mikatsaka hery matanjaka kokoa hisavasavàna ireo serasera amin'ny sora-miafina

Tamin'ny faran'ny volana aogositra 2018 teo , Etazonia, Grande-Bretagne, Aostralia, Nouvelle Zelande ary Kanadà — ireo antsoina hoe Firenena Maso  Dimy — dia namoaka filazana [15] izay manery ireo orinasa tsy miankina mikirakira teknolojia sy ireo mpamorona rindrambaiko mba hanamora ny fahazoan'ireo mpampihatra lalàna ny serasera rehetra atao amin'ny sora-miafina. Ny ankamaroan'ny teny ao amin'ilay filazana dia hita hoe fiteny mahazatra sady tsy mazava tsara, fa ilay fehezanteny farany no manome mazava tsara izay tadiavin'ireo governemanta ireo :

Raha mbola misedra sakana amin'ny fidirana ara-dalàna amin'ny torohay ilaina ho fanampiana ny fiarovana ny olom-pirenena ato amin'ny firenentsika ireo governemanta ireo,  dia afaka mandray fepetra ara-teknolojia,  fampiharan-dalàna,  ny lalàna na fepetra hafa izahay mba hahazoana vahaolana hahafahana miditra ara-dalàna.

Fikarohana vaovao

 

Misorata anarana hahazo ny Tatitry ny Mpisera amin'ny Aterineto [17]

 

Afef Abrougui [18], Ellery Roberts Biddle [19], Mohamed ElGohary [20], L. Finch [21], Rohith Jyothish [22], Leila Nachawati [23], Georgia Popplewell [24] ary Sarah Myers West [25] dia samy nandray anjara tamin'ity tatitra ity.