- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dian'ireo mpanivana: Manao famoretana amin'ny fahalalaham-pitenenana i Frantsa, Torkia sy Shina

Sokajy: Frantsa, Shina, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2007)
march_of_censurers

apa-bolana lasa izay, nampitandrina ny amin'izay antsoiny hoe “fampanjakana miandalana ny Berlusconi eo amin'ny media Frantsay [1] sy ny loza mitatao manoloana ny fisandratan'i Nicolas Sarkozy, minisitry ny atitany Frantsay sady filohan'ny antoko mpandala ny nentin-drazana amin'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena [2] ny blaogy Frantsay AgoraVox [3], iray amin'ireo bilaogy mediam-bahoaka Eoropeana malaza.

Omaly, nolanian'ny Filan-kevitra momba ny lalàmpanorenena ao Frantsa  [4]ny lalàna Sarkozy [5](lalàna momba ny fisorohana ny heloka bevava- Loi sur la prévention de la délinquance), izay manameloka ny fakàna horonantsary na fampielezana hetsika herisetra avoakan'ny olon-kafa ankoatra ny mpanao gazety matihanina. Nandritra ny adihevitra parlemantera, nilaza ireo solontenan'ny governemanta fa natao hikendrena ny fomba fanao antsoina hoe “felaka falifaly [6]”, faritan'ny Wikipedia [6] ho toy ny “lamaody izay voatafika ny niharam-boina tsy manam-panahiana raha mandrakitra ny fanafihana kosa ny mpiray tsikombakomba aminy (matetika miaraka amin'ny finday fakan-tsary na smartphone) ny lalàna “

Ao Frantsa, noho izany, tsy maintsy ho ampihimamban’ ireo mpanao gazety ekena ihany ny fakàna sarimihetsika sy fandefasana ireo hetsika feno herisetra toy ny fitroarana nitranga tao an-tanàna itatr'i Paris [7] nandritra ny volana oktobra sy novambra 2005. Amin'ity lalàna vaovao ity, izay rehetra vavolombelona nanatri-maso ka mandrakitra ny herisetra, na izay mamoaka ny votoaty anaty aterineto (mpandraharaha amin'ny tranonkala, ohatra) dia mety higadra hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina sy onitra efa ho 100.000 dolara.

Tamin'ny sioka maneso, nambara tamin'ny 3 Martsa 2007 ny lalàna, 16 taona katroka taorian'ny nidarohan'ny polisin'i Los Angeles ilay mpankafy horonantsary George Holliday [8] noho izy naka sary [9]an'i Rodney King [10], Afrikanina-Amerikana (jereo ao amin'ny Youtube ny lahatsary [11]). Niteraka korontana tao an-tanàna ny fanafahana madiodio an'ilay mpitandro ny filaminana tamin'ny taona 1992.

Bientôt la Corée du Nord sera un paradis de liberté comparé au camp de concentration à ciel ouvert du Frankistan.

Ho paradisan'ny fahafahana i Korea Avaratra atsy ho atsy raha oharina amin'ny toby fampivondronana ankalamanjana an'i Frankistan.

said Doug [12] on his blog.

hoy i Doug [12] tao amin'ny bilaoginy.

“Whipping out your phone and recording footage of someone setting a car on fire – or getting pummelled by police for that matter – could subject you to a five-year prison term and nearly $100,000 in fines,” noted Andy Carvin [13] yesterday.

“Mamoaka ny findainao ary mandrakitra sarin'olona mandoro fiara – na voatosiky ny mpitandro ny filaminana amin'ity raharaha ity – dia mety hahazoanao dimy taona an-tranomaizina sy onitra efa ho 100.000 dolara, hoy i Andy Carvin [13] nanamarika omaly.

So “If you’re reporting in France, you’d better get yourself an official press pass”, said David Kaplan [14].

Noho izany, “Raha mitatitra any Frantsa ianao, tsara kokoa raha mahazo alalana ho mpanao gazety ofisialy ianao”, hoy i David Kaplan [14].

Misy kosa ny manontany tena ny amin'izay fihetsika manaraka ataon'ny Repoblikan'i Frantsa, amin'ny hafanam-pony “hisoroka ny fihetsika heloka bevava”. Ho fandraràna ireo tranonkala fifampizarana lahatsary toy ny YouTube [15] sy ny Dailymotion [16] ao Frantsa, izay tena ampiasain'ireo olon-tsotra mpanao gazety maro nandritra ny “fitroarana tao Paris [17]” roa taona lasa ve izany? Ary mety horaràna ao Frantsa ve ny horonantsary mozika toy ny hoe “Paris Brûle” (May i Paris) – hita eto ambany)?

Na izany aza,  tsy i Frantsa irery no firenena manana olana amin'ny resaka fitaovana sy tombontsoan'ny teknolojia maoderina sy ny fihanaky ny fizarana lahatsary izay manome hery ny mpanao gazety olon-tsotra. Tamin'ny taon-dasa, nanohana ampahibemaso ny drafitra hametraka fanarahamaso ao amin'ny Youtube  [18]i Jack Straw, minisitra taloha tao Angletera: “Misy olana lehibe amin'ny fomba tokony hifehezana ireo lahatsary ireo,” hoy izy.

Ary vao omaly, avy any Torkia ny filazana fa nanakatona ny fidirana ao amin'ny Youtube [19] ny mpamatsy tolotra fifandraisan-davitra lehibe indrindra ao amin'ny firenena, Turk Telekom [20], taorian'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana manamarina fa nanevateva ny rain'i Torkia maoderina, Kemal Atatürk [21], sy ny vahoaka Tiorka ny lahatsary hita tao amin'ny tranonkala. Noterena ny fandrarana na dia efa nesorina tao amin'ny tranokala talohan'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana aza ilay lahatsary.

“Tsy afaka milaza izahay fa fanevatevana no nataon'ny Youtube, na koa hoe marina na diso izany”, hoy i Paul Doany, lehiben'ny Turk Telekom. Nahita ity hafatra ity  [22]ireo mpiserasera ao amin'ity mpamatsy tolotra aterineto lehibe indrindra ao amin'ny firenena ity raha niezaka ny hiditra ao amin'ny YouTube: “Naato ny fidirana ao amin'ny tranonkala www.youtube.com araka ny fanapahan-kevitra laharana: 2007/384 tamin'ny 06.03.2007 tao amin'ny Fitsarana voalohany momba ny Fandriampahalemana, Heloka Bevava ao Istanbul.”

youtube-turkey [23]

“I’m very sorry that my country will cause such a bad reputation by these censorships, but we are happy to fight against them. I’m running a blog network (the largest and the only one) in Turkey. We are starting a campaign and going to write against these censorships in our blogs until they correct this huge mistake,” said Mert Maviş [22].

“Tena miala tsiny aho raha nampisy laza ratsy tahaka izao tamin'ireo sivana ireo ny fireneko, saingy faly isika miady amin'izy ireo. Mitantana tambajotra bilaogy aho (ilay lehibe indrindra sy tokana) any Torkia. Manomboka fanentanana izahay ary hanoratra hanohitra ireo sivana ireo ao amin'ny bilaoginay mandra-panitsian'izy ireo izany hadisoana goavana izany “, hoy i Mert Maviş [22].

Araka ny voalazan'ny Reuters [24], na izany aza, namoaka didim-pitsarana faharoa manala ny sakana ny fitsarana ao Istanbul rehefa avy nofafan'ny YouTube tao aminy ilay lahatsary.

Any amin'ny kaontinanta iray hafa, ao Shina indray, toa nakatona ihany koa [25] ny Livejournal [26], sehatra fitaterana an-tserasera sy bilaogy .

“Users who are wondering if the block is on our end can be told “no, we still love you; take it up with your ISP if you have further questions””, said an announcement on the Livejournal community forum [27].

“Manontany tena ireo mpiserasera raha azo lazaina ny sakana any amin'ny faran'ny [lalanay]” Tsia, mbola tianay ianareo, vahao miaraka amin'ny ISP na FAI anao izany raha manana fanontaniana fanampiny ianao”, hoy ny fanambarana iray tao amin'ny forum an'ny Livejournal [27].

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Quinn Norton [28], mpampita vaovao ao amin'ny Wired, nanambara ilay Shinoa mpanohitra sady mpanorina ny China Digital Times [29] fa “ mety ho iray amin'ireo bilaogy ao amin'ny Livejournal no manana ny votoaty tian-dry zareo hakatona. [28]

Manamarika ny lahatsoratra navoakan'i Norton fa ny SixApart [30] – orinasa manana ny Livejournal [26] – dia nanambara fa nanakana “bilaogy teo amin'ny 1,8 tapitrisa” i Shina, ary tsy vao voalohany no nanakana ny Livejournal  [26]ny governemanta Shinoa. Nanao izany tamin'ny volana Martsa 2004 izy ireo ary tamin'ny Jona 2005 indray. Araka ny filazan'i Xiao Qiang hoe, “Tsy fantatrao velively hoe rahoviana no hanakana azy indray izy ireo.”