- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rehefa voarara tao amin'ny Facebook, namindra ny kaontiny nankany amin'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny miaramilan'i Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava
[1]

Pikantsary avy ao amin'ny kaonty VK an'ny Lehiben'ny Tafika Myanmar

Rehefa voarara tao amin'ny Facebook ny lehiben'ny tafika Myanmar dia nanokatra [2] haingana ny [2]kaonty vaovao tao amin'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte.

Nanambara ny fanapaha-keviny ny Facebook tamin'ny fandrarana [3] ny miisa 18 sy ny pejy miisa 52 mifandraika amin'ny tafika ao Myanmar, ka ao anatin'izany ny kaontin'ny Jeneraly Min Aung Hlaing, lehiben'ny kômandy ao amin'ny Tatmadaw (tafika Myanmar) tamin'ny 27 Aogositra 2018. Manan-danja lehibe ao amin'ny Facebook ireo pejy ireo, manana mpanjohy miisa 12 tapitrisa.

Raha vao tafapetraka ny fandrarana dia namorona kaonty vaovao [1] tao amin'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte  ny biraon'ny Lehiben'ny Tafika Myanmar ary nahazo mpanjohy miisa 2.000 tao anatin'ny 48 ora. Nanana mpanjohy maherin'ny 35.000 ny pejy tamin'ny fotoana nanoratana.

Nanamarina ny fanesorana ny kaontin'ny tafika ny Facebook tamin'ny filazana fa nampiasa ny tranonkalan'ny media  sosialy izy ireo mba hampiroboroboana ny herisetra ara-poko tamin'ny vahoaka Rohingya, filazana nohamafisin'ny iraka mpanadihady avy amin'ny Firenena Mikambana. Tao anatin'ny tatitra manaraka, nilaza ihany koa ny Facebook fa nahatsikaritra fampielezan-kevitra miafina [4] nataon'ny miaramila izy ireo tao Myanmar tao amin'ity tambajotrany ity.

Namoaka tatitra nanameloka ny tafika Myanmar tamin'ny famonoana ny vahoaka Rohingya ny vondron'ny ONU. Sady tsy nankatoavin'ny fanjakana ao Myanmar ho vondrom-poko no tsy olom-pirenena ny vahoaka Rohingya teraka tao Myanmar. Tamin'ny herintaona, nahatonga famindran-toerana [5] ny mponina [6] Rohingya maherin'ny 700.000 ny fifandonana sy ny hetsika miaramila tany amin'ny faritra avaratra andrefan'ny fanjakana ao Myanmar, ary maro tamin'izy ireo no nitady fialokalofana tany Bangladesh mpifanolo-bodirindrina aminy.

Tao amin'ny Facebook, nandrisika ny mpanjohy azy hanokatra kaonty VKontakte ny mpanolotsainan'ny filoham-pirenena teo aloha sady mpanoratra Nay Zin Latt [7] . Nahazo ekeko maherin'ny 5.000 sy zara miisa 1.400 ny lahatsorany [8] izay niampanga ny Facebook ho “mpanao didy jadona”.

 VK ကိုပြောင်းကြပါ။ အာဏာရှင် FB ကို စွန့်ကြတော့။ အမျိုးသားရေးသမားတွေအတွက် ပိုသင့်တဲ့နေရာ။

Adinoy ny mpanao didy jadona FB. Mifindrà any amin'ny VK, toerana mety kokoa ho an'ireo tia tanindrazana [nasionalista].

Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Myochit [Nationalist] Migration from Facebook [9] (Nasionalista Myochit niala tao amin'ny Facebook) ny bilaogy iray tsy mitonona anarana Myochit Monitor [10], izay nanoritsoran'ilay mpanoratra ny fihetsiky ny kaonty hoe nasionalista manakory moa ny kaonty media sosialy manoloana ny fandraràn'ny Facebook.

Hoy ny mpanoratra:

…not being able to log on to social media and post your daily propaganda hurts your ego and ability to change public opinion. But the military is adapting well.

No doubt the reason Myochit are migrating to this Russian platform is the Facebook’s tightening of its policy. That means they are now spreading their hate freely on the site without any moderation.

… manimba ny fitiavan-tenanareo sy ny fahaizanareo manova ny hevitry ny besinimaro ny tsy fahafahana miditra ao amin'ny media sosialy sy mandefa ny fampielezan-kevitrareo isan'andro. Saingy mahazaka tsara izany ny miaramila.

Tsy isalasalana fa ny antony nahatonga ny Myochit hifindra nankany amin'ity sehatra Rosiana ity dia ny fanamafisan'ny Facebook ny politikany. Midika izany ankehitriny fa manaparitaka malalaka tsy misy fandanjalanjana ny fankahalàna izy ireo ao amin'ny tranonkala.

Nanamarika ihany koa ilay bilaogera fa namorona ny pejiny tao amin'ny VKontakte ny sehatra famoaham-baovao maromaro na dia mbola tsy fantatra aza ny maha-kaonty ofisialy azy.

Raha ny media sosialy sy ny fifandraisana an-tserasera no resahana dia ny Facebook no tena anisan'ny sehatra malaza indrindra ao Myanmar, noho izany dia mety tsy hamerina indray ny mpanjohy marobe teo taloha izay azon'i Min Aung Hlaing sy ny lehiben'ny miaramila hafa ny fifindran'ny tafika ho any amin'ny VKontakte.

Niteraka fanehoan-kevitra samihafa tao amin'ny aterineto ny fanapahan-kevitry ny Facebook handrara ny kaontin'ny manamboninahitra miaramila ao Myanmar. Nidera izany ho fidirana an-tsehatra hampitsaharana ny fihanaky ny kabarim-pankahalàna ny olona sasany. Saingy nanontany momba ny sivana [11] sy ny hoe moa ve mifanaraka amin'ny politikan'ny Facebook tokoa ny fanesorana kaonty ny sasany.

Moa ve sehatra azo onenana kokoa ny VKontakte ho an'ireo kaonty ireo? Tsy voatery. Na dia eo aza ny filazan'ny Myochit Monitor, ny VKontakte (mitovy amin'ny Facebook) dia mandràra ny votoaty “mampiely sy/na mandray anjara amin'ny fankahalana ara-pirazanana, ara-pinoana, ny fankahalana ara-poko na ny fandrangitana, ny fampielezana fasisma sy ny fanamboniana ara-piaviana.” Ary mitovy amin'ny Facebook ihany koa ny orinasa Rosiana izay tsy fantatra amin'ny fampiharany ny Famaraparan-tenin'ny Servisy [12] amin'ny fomba mifanaraka sy mangarahara.

Ny fotoana no hilaza raha toa hanome fahafaham-po ho an'ny tombontsoan'ny tafika ity paikady ity.

Nosoratan'ny mpandray anjara nasaina izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, noho ny olana ara-piarovana, ity lahatsoratra ity.