Egypta : Ny vatomamy sy ny lalitra

(Marihina fa tamin'ny 01 Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nivezivezy nandritra ny fotoana maromaro tao anatin’ny Tambajotra tamin’ ny fiteny Arabo tamin’ny alalan’ny mailaka ny sary hita etsy ambony. Natao izany mba hanentanana ireo vehivavy hanafina ny vatany sy hisarom-boaly. Nefa maro ireo bilaogera any Ejipta no mahita izany ho manevateva sy mahasorena.

Namoaka ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : lalitra ny zatovolahy, vatomamy ny zatovovavy ny bilaogy Egyptian SandMonkey.

La légende dit :: “Vous ne pourrez pas les empêcher (les garçons), mais vous pouvez vous protéger. Celui qui vous a créée sait ce qui est bien pour vous !”.

Oh, par où vais-je commencer ? Dois-je commencer par l'exemple “Les garçons sont des mouches”, les HOMMES qui ont fait cela se décrivent-ils eux mêmes ? Ou par le manque total de responsabilité des hommes quand il s'agit de harcèlement sexuel, le thème de la campagne ? Ou bien par le ton paternaliste, selon lequel Dieu – qui vous a créée nue – veut vraiment que vous soyez couvertes et invisibles des yeux de son autre parfaite création ?  Ou devrais-je ne même pas prendre cette peine, étant donné qu'il existe ici une blague sur les sucettes que je ne suis pas homme à reproduire sur ce blog.

Ouais. Peut-être que je vais laisser tout simplement tomber. Je suis fatigué de me battre avec les Hijabis. S'ils ne trouvent pas ça insultant, alors ils méritent peut-être ce qui leur arrive. Quelle est l'utilité de dire aux hommes que les femmes ne sont pas des morceaux de viande à convoiter, quand les Hijabis expriment cette opinion  ?  Je veux dire, bien sûr que ça me met en colère qu'ils représentent les hommes comme des animaux incontrôlables,  mais si les femmes qui portent le Hijab sont pour leur grande majorité d'accord avec cette vue, pourquoi je me fatiguerais à les plaindre si elles sont harcelées ou agressées sexuellement par les mêmes hommes ?

Cela valait la peine de se battre pour la cause. Maintenant, je ne suis plus sûre que ces femmes méritent qu'on se démènent pour elles !

Nilaza ny angano fa : ¨’Tsy azonareo sakanana ny (zatovolahy) , kanefa azonareo atao ny miaro tena’’. Fantatr’izay namorona anareo ny tsara ho anareo !

Oay, aiza no hanombohako azy ? Tokony hatomboko amin’ny ohatra hoe. ‘’Lalitra ny zatovolahy’’ ve, ireo LEHILAHY nanao izany ve nitonon-tena ho toy izany? Sa amin’ny tsy fandraisana andraikitra tanteraka avy amin’ny lehilahy no hiresahana momba ny fanohintohinana ara-nofo, izay lohahevitry ny fanentanana? Sa koa ve amin’ny feo betroky ny ray, izay araka an’Andriamanitra – namorona anareo nitanjaka – dia tena naniry anareo hirakotra sy tsy ho hitan’ny mason’ilay zavaboary tonga lafatra noforonina iray hafa? Sa ve tsy tokony hisahirana amin’izany akory ve aho, satria misy ny vazivazy momba ny vatomamy eto izay tsy izaho no lehilahy nanao izany tao amin’ity bilaogy ity.

Eny. Aleo angamba avelako any fotsiny. Reraka ny miady amin’ireo Hijabis aho. Raha tsy mahita izany ho manevateva izy ireo dia mendrika azy ireo noho izany ny zavatra mitranga aminy. Inona no antony hitenenana amin’ireo lehilahy fa ireo vehivavy anie ka tsy natao ho toy ny sombin-kena ho tsiriritina rehefa maneho izany hevitra izany ry zareo Hijabis. Mazava ho azy fa tezitra aho no tiako lazaina satria mihevitra ny lehilahy ho toy ny biby tsy voafehy izy ireo, kanefa moa raha miombon-kevitra amin’izany fomba fijery izany ny ankamaroan’ireo vehivavy mitafy Hijab, nahoana aho no mandrera-tena mitaraina raha toa izy ireo mahatsapa voatohintohina ara-nofo na iharan’ny herisetra ara-nofo avy amin’ireo lehilahy ireo?

Ilaina ny mitolona ho an’io olana io. Tsy fantatro intsony ankehitriny raha mendrika ho an’ireo vehivavy ireo ny hitolona hiaro azy ireo !

Namoaka ny sary tao anatin’ny iray tamin’ireo lahatsorany ny bilaogy Arabist , ary nanontany hoe :

Deux questions évidentes (et rhétoriques) : n'est-il vraiment pas possible de mettre un terme au harcèlement sexuel ? Et le voile vous “protège”-t-il vraiment ?

Fanontaniana roa mazava (sy tsara lahatra) : Tena tsy azo atao ve ny mamarana ny fanorisorenana ara-nofo ? Ary moa ve tena ‘’miaro’’ anao ilay voaly ?

Namoaka ny sary ato ny tao amin’ny bilaoginy mitondra ny lohateny hoe ‘’Eritreritra tsy ilaina sady tsy dia mahafinaritra loatra’’ ilay bilaogera Forsoothsayer ary namela izany ho an’ireo mpamaky mba haneho ny heviny momba izany.

Naneho ny heviny tamin’ny litera miisa telo i Deeeeeee's : ‘’WTF ?!!’’ ( fanafohezana ny teny hoe “What the Fuck?!! [inona-p*]’’).

Raha naneho ny heviny kosa i Tarek hoe : ‘’ Koa raha tsy inona kosa ! isika kosa ve dia ho lalitra maharikoriko, mba marina mafy ! ‘’.

Ho an’ilay bilaogera Noha kosa dia namela fanehoan-kevitra tao amin’ny bilaogin-datsoratra The Arabist izy:

“Je suis voilée, et je n'arrive pas à les arrêter, ni à me protéger”.

“Misarom-boaly aho, ary tsy vitako ny manakana azy ireo, na miaro ny tenako ’’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.