Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2007)

Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna io fanapahankevitra io. Fifanandrifian-javatra ve ? Manome ny fomba fijeriny momba ilay fiovàna jadona tampoka nataon'ny governemanta ireo malagasy mpitoraka bilaogy sady manontany tena raha toa ka endrika valinkafatra noho ireo teratany malagasy vitsivitsy voaroaka tany Frantsa io fanapahankevitra io.
Tezitra tamin'ilay fanapahan-kevitry ny governemanta mikasika ny fandroahana an'i mompera Urfer i Barijaona :

Rehefa iainana andavanandro ny lazan'ny fanatontoloana, dia manana endrika jadona foana ny fandroahana iray . Fa ity indray mitoraka ity, no fehezany. Taorian'i Chiristian Chadefaux, 40 taona teto Madagasikara, dia anjaran'i Sylvain Urfer indray izao, nolavina ny fahazoany alàlana hipetraka eto Madagasikara rehefa nonina teto nandritra ny 33 taona. Tena zavatra tsy misy dikany, fa ny zava-misy dia miala amin'ny jadona malefaka isika mba hankanesana any amin'ny zavatra manaitra kokoa. Ireo mpanindrahindra an'i Sarkozy sy Ravalomanana sy ny mpanohitra azy ireo dia milaza fa andian-taranaka mitovy izy ireo, samy tia amerikana, samy manana kolontsaina mirona mankany amin'ny vokatra, samy sodokan'ny vola …

Ao amin'ny sehatra natao ho an'ny fanehoankevitra, heverin'i Rajiosy fa valin-kafatra tsotra izao ny fandroahana ireo teratany frantsay anankiroa ireo raha oharina amin'ny fandroahana ireo malagasy tany Frantsa.

Amin'ny ankamaroan'ny malagasy, izaho an'isany, ary fanampin'izay dia maintimolalin'ny St-Michel sady mpianatr'ilay mompera ” tsy nohavaozina” fa tsy hoe “noroahana”, dia misy raharaha tranainy tokony halamina eo amin'ny frantsain'i Mada sy ny fomba firesak'izy ireo ? ny fahamboniana voajanaharin-dry zareo ? ny fahaizany ? ny fizahozahoan-dry zareo? Noho izany ny finiavana tsy nanavao zavatra kely iray na roa sy daka hafa atao amin'ny fivavahana – mahazatra izany aty Frantsa – mety izany … Sady ny hafa rahateo ihany no iharan'izany. Tapitra ny vanim-potoanan'ny fanjanahana.

Mamaly izany i Barijaona :

Saintsaino ity fehezanteny ity : ny fakàntahaka no tena endriky ny fandokafana.
Te-handòka an'i Le Pen ve ianao ? Malalaka ianao.

“Just renaud” dia nifidy ny faniratsiràna mba hanamelohana ilay fahefana jadona vaovaon'ny governemanta :

Tsy maintsy tsapa na dia izany aza, fa na misy aza ny fihenjanana etsy sy eroa sy ireo ezaka fampivondronana ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra ao an-toerana, dia lavitra ny fanjakana izany hihozongozona izany, ary tohizany ny làlany mankany amin'ny fampandrosoana haingana sy maharitra manaraka ny gadon'ny Loholona. Na amin'ny tsara na amin'ny ratsy, araka ny fiheverana, ny fitondràn-dRavalomanana dia miangavy izay rehetra manakana ny làlany mankany amin'ny fampandrosoana mba hilevina. Ny tena goavana dia nampitandremana ihany koa ny vahiny. Tsy efa nampitandremina ve ry zareo tsy hitsabaka amin'ny raharaham-pirenena ?

Eo anivon'izany fihenjanana ankehitriny misy ao amin'ny firenena noho ny fankahalàna vahiny sy ny fanindriana ny fiaviana ara-poko izany, dia ampatsiahivin'i Tomavana antsika ny tenin'i James McGee, masoivohon'i Etazonia tamin'ny kabariny alohan'ny handehanany izay mandrisika ny malagasy rehetra, na avy aiza na avy aiza fihaviany mba handray anjara amin'ny hoavin'ny firenena :

Tsy maninona na avy any Indonezia, na Afrika, na India, na Shina no fihavian'ny razanareo. {..} Tsy mampaninona na tanindrana ianareo na ambaniandro : manana ny hoavinareo ianareo eto amin'ity firenena ity.

Lova Rakotomalala.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.