Ara-dalàna Izao ny Maha-Pelaka Ao India

Saina Avana sy Diabem-Pireharehana tao Bangalore. Sary tao amin'ny  Flickr an'i Pee Vee. CC BY-NC-ND 2.0

Diboky ny hafaliana ry zareo Indiana tamin'ny Alakamisy 6 Septambra , taorian'ny fanafoanana tsy nisy nitsipaka nataon'ny Fitsarana Antampony tao amin'ny firenena an'ilay didy ntaolo be efa 150 taona nametraka ho heloka bevava ny firaisana ara-nofo ataon'ny olona roa mitovy taovam-pananahana.

Nolovaina avy amin'ny fanjakana Britanika ilay Toko faha- 377  amin'ny Lalàna Famaizana ao India, izay tany amin'ny manodidina ny fisasahan'ny taonjato faha-19 tany ho any dia nametraka lalàna marobe nanameloka ny maha-pelaka nanerana ireo zanataniny.

Tao anaty didim-pitsaràna iray hipetraka ho manantantara, nilaza ny Lehiben'ny Fitsaràna ao India, Dipak Misra :

Tsy ny fomba fijerin'ny maro an'isa sy ny fomba fisainana iraisan'ny maro no ho afaka handrafitra ny zo mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana . Manana zo tahaka ireo sokajy hafa rehetra ao anatin'ny fiarahamonina ny vondrom-.piarahamonina LGBT. Ny fitoviana no fototry ny lalàm-panorenana. Boraingona fotsiny ny 377.

Tany amin'ny 2013, namoaka didy ny Fitsaràna Avo tao Delhi High hoe tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ilay Toko faha-377, saingy vetivety foana taorian'izay dia nofoanan'ny Fitsaràna Antampony.

Nitondra haravoana ho an'ny vahoaka nanerana ny firenena ilay didy farany navoakan'ny Fitsaràna Antampony, na pelaka izy na tsia. Teny anaty media sosialy, marobe no niaiky fa ny fandresena tahaka izao dia vokatr'ireo taona maro nikatrohan'ny vondrom-piarahamonina LGBT tao India.

Ilay Danoà mpanabe, Sheikh nanoratra tao amin'ny Facebook hoe:

Nandritry ny 29 taona, niaina teo ambany alok'io lalàna io aho, ary ankehitriny, lasa ilay izy, tahaka izao fotsiny.

Jayna Kothari, tale mpanatanteraka ao amin'ny Ivontoerana Fikarohana momba ny Lalàna sy ny Politika, niteny hoe:

Araka ny tenin'ilay mpitsara Indu Malhotra hoe hitaky fialantsiny amin'izy ireo sy ny fianakaviany ny tantara noho ny nametrahan-dry zareo azy ireny nandritry ny taona marobe ho toy ny mpanao heloka bevava – fanekena miavaka ny fitoviana sy fahamendrehana ho an'ireo olona LGBT ilay fanapahankevitra navoaka androany.

Tao amin'ny Twitter, nitehaka ilay fanapahankevitra ny sasany:

Tena faly aho hoe nahilik'i India ihany nony farany ny vanimpotoana faha-zanatany izay nanao ny maha-pelaka ho toy ny heloka bevava, lalàna iray napetraky ny fitondràna imperialy Britanika. Ankehitriny, iray ampahadimin'ny vahoaka no tapa-patorana avy amin'io lalàna fahagola mankahala olombelona io. ?️‍? ?? https://t.co/bZ5RNy6e

Mandresy ny fitiavana….?❤ Indiana feno fireharehàna…fahatsapàna iray mahafinaritra ny fitiavana ary ankehitriny malalaka ianao hitia eto India .. ?? #humanity #loveislove? #377 #jaihind ?‍♀️?❤ pic.twitter.com/V2qjlw7l2C

Tsy hihatra any amin'ny fanjakana Indiàna ao Jammu sy Kashmir ilay lalàna noho ry zareo manana ny lalàm-panorenany sy ny lalànany momba ny heloka bevava azy ireo manokana, ny  Lalàna Famaizana Ranbir, izay mbola manameloka ny firaisana ara-nofo ifanaovan'ireo mitovy taovam-pananahana. Dr. Ajaz Ahmad Bund, mpiasa sosialy ao Kashmir, nilaza tamin'ny “Times of India” hoe:

Antenaiko fa hanetsika adihevitra iray sy fahatongavantsaina eto Kashmir momba ny dikan'ny atao hoe pelaka, na lahy io na vavy, na nanova taovam-pananahana, ny fanapahankevitry ny Fitsarana Antampony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.