- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asehon'ny Mpianatra Amin'ny Alàlan'ny Taokanto ny Tsy Rariny sy ny Fanimbazimbàna Zon'Olombelona ao Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Ady & Fifandirana, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
[1]

Asongadin'ity kisary ity ny olona iray aseho ho toy ny kisoa mitifitra tanora iray tsy mitam-piadiana. Tarafina avy amin'io ireo famonoana olona an'arivony maro tsy nandalo fitsaràna, isan'ireny ny tanora, nataonà olona misaron-tava izay lazaina fa misy ifandraisany amin'ny polisy sy ireo tafi-panjakana hafa. Loharano: UGATLahi Artist Collective, fampiasàna nahazoana alàlana

Nahataitra andianà mpianatra avy amin'ny lisea ao Filipina ny toerana misy ny fanajàna ny zon'olombelona izay miharatsy hatrany. Nasehony tamin'ny alàlan'ny famoronana sary mahery hojeren'ny maso.

Avy amin'ny Batasan Hills National High School (BHNHS) ireo mpianatra ireo, toeram-pianarana iray ao Batasan Hills, Quezon City, vondrom-piarahamonina mahantra an-tanandehibe izay heverina ho toy ny iray amin'ireo nahitàna rà nandriaka be indrindra tao anatin'ilay fanentanan'i Filoha Rodrigo Duterte hoe “Oplan Tokhang” (Tagalog hilazàna ny “ady atao amin'ny zavamahadomelina”).

Nahatratra 20,000 [2] ny tombana momba ny fahafatesana tao anatin'ilay ady amin'ny zavamahadomelina an'i Duterte, raha ny tatitry ny governemanta tamin'ny Desambra 2017 nankalazàna ny fahombiazana azon'ilay fanentanana. Kanefa, taty aoriana dia niverenan-dry zareo io isa io ka nambara indray fa ny tarehimarika ofisialy dia 4.251 hatramin'ny Aprily 2018.

Ireo mpanakiana ny “Oplan Tokhang” dia miampanga ny governemantan'i Duterte ho namela ny tafi-panjakana hisambotra sy hamono tsy amin'ahiahy ireo ahiahiana no mpikirakira zavamahadomelina.

Batasan Hills no tena nizaka ny mavesatra [3] amin'ny ady mihoson-drà ataon'i Duterte amin'ny zavamahadomelina, miaraka amin'ny nisian'ireo manampahefana avy amin'ny Batasan Station namono olona 108 tao anatin'io hetsika fanoherana ny zavamahadomelina io, teo anelanelan'ny Jolay 2016 sy Jona 2017, izany hoe 39 isanjato tamin'ireo famonoana olona tao Quezon City nandritra io fepotoana io.

Tamin'ny 28 Aogositra 2018, nandray anjara taminà atrikasa [4] iray nokarakarain'ny vondrona mpikatroka Sining Bugkos ireo mpianatra ireo, tanjona tamin'izany ny hampahafantatra kolontsaina iray vao mivoatra sy mitodika amin'ny vahoaka, izay manaitra ny saina hijery ny zon'ireo tanora mba hanana hoavy mandry fahalemana. Atrikasa iray ampahany tamin'ny fetiben-javakanto nandraisana ny lohahevitra hoe Kultura Karapatan Kapayapaan (Kolontsaina, Zo, Fandriampahalemana).

Mpianatra 190 no nandray anjara, nisongadina nandritra ireo fotoam-pivoriana tao amin'ilay atrikasa ny momba ny taokanto ho an'ny zavatra natao ho an'ny maso, teatira, mozika, tononkalo antsaina, saripika, ary dihy.

Max Santiago [5], iray tamin'ireo mpikarakara ny atrikasa no sady mpikambana avy amin'ny UGATLahi Artist Collective [6] izay nandray anjara tamin'ilay atrikasa dia niteny hoe:

Aware ang kabataan sa mga nangyayari sa lipunan. Makikita sa mga larawan ang EJK, Charter change,digmaan at ang agwat sa pagitan ng mahirap at mayaman sa lipunan.

Tonga saina ny tanora amin'izay mitranga ao anaty fiarahamonina. Afaka hitanareo eo amin'ireo sary ny famonoana olona tsy mandalo fitsaràna, ny fiovàna sata, ny ady, ary ny hantsana misy eo anelanelan'ny mahantra sy ny mpanankarena ao anaty fiarahamonina.

Indreto misy sary dizitaly vitsivitsy nataon'ireo mpianatra ary nozarain'ny UgatLahi Artist Collective:

[7]

Ity sary dizitaly ity dia antso ho fampitsaharana ireo famonoana olona tsy mandalo fitsaràna mifandray amin'ilay raharaha ady amin'ny zavamahadomelina. Akambany ireo sary avy amin'ireo hetsika sasany natao tamin'ny Oplan Tokhang tany amin'ireo vondrom-piarahamonina mahantra an-tanandehibe. Loharano: UGATLahi Artist Collective, fampiasàna nahazoana alàlana.

[8]

Ity sary dizitaly ity dia maneho ny famonoana ireo mpianatra sy tanora ao anatin'ilay antsoina hoe ‘ady amin'ny zavamahadomelina’, ary ireo hetsipanoherana nataon'ny vahoaka naterak'izany. Loharano: UGATLahi Artist Collective, fampiasàna nahazoana alàlana.

[9]

Ity sary dizitaly ity dia nomena lohateny vaventy hoe ‘karapatan’ (zo) ary maneho ny fanesorana ireo fianakaviana mahantra tany amin'ireo vondrom-piarahamonina marobe kinendrin'ny governemanta tamin'ny hetsiny hanaovana fampandrosoana ny varotra. Loharano: UGATLahi Artist Collective, fampiasàna nahazoana alàlana.

[10]

Ity sary dizitaly ity dia fitaratry ny tolona iainan'ny maro amin'ireo mpianatra izay hasarotin'ny fahantrana ny nofinofin-dry zareo hamita fianarana sy hahazo diplaoma. Loharano: UGATLahi Artist Collective, fampiasàna nahazoana alàlana.