- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andao hofantarintsika ny Vaomieram-piarahamonina Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Filankevitra-gv

Hetsi-pifaliana. Ny fianakaviana Global Voices tao amin'ny Vovonan'ny Fampitam-baovaon'olon-tsotra tao Cebu, Filipina 2015. Saripikan'i Rezwan.

Faly izahay manambara fa niforona ny Vaomieram-piarahamonina Global Voices!

Nomanina nandritra ny volana maro lasa ny Vaomiera ary faly izahay fa mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina miisa 184 no nanatevin-daharana izany. Ahitana solontena matanjaka avy amin'ny sehatra rehetra ato amin'ny Global Voices ireo mpikambana ao amin'ny Vaomiera, anisan'izany ireo mpanoratra sy mpandika teny an-tsitrapo, ireo toniam-paritra, ny mpitantana ny Lingua, ireo nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices, ireo mpikambana ao amin'ny birao sy ireo mpandray taloha indrindra nidirantsika an-tserasera.

Misaotra ny tsirairay izay namaly ny antso izahay!

Screenshot of users listed on the Community Council page [1]

Santionany amin'ireo mpikambana mavitrika ao amin'ny Vaomieram-piarahamonina .

Kitiho eto raha hijery ny lisitra feno amin'ny mpikambana ao amin'ny Vaomiera [1].

Ao anatin'ny roa volana manaraka ny Vaomiera hiditra amin'ny dingan'ny fakan-kevitra [2] [mg], izay hiresahana sy hifanakalozan-kevitra momba ireo lohahevitra lehibe efatra [3] izay hamaritra ny lalan-koavin'ny GV.

Efa vonona koa ny fotoana fakan-kevitra!

For all Council members: We've added a detailed schedule to the Consultation overview page [4], with the dates and times of the Zoom video calls and polls for each question so you can plan ahead and attend as many as possible!

Ho an'ny mpikambana rehetra ato amin'ny Vaomiera dia nampidirinay ao amin'ny pejy ankapoben'ny fakan-kevitra [4] amin'ny antsipiriany ny fandaharam-potoana, ahitana daty sy fotoana amin'ny antso an-dahatsary mivantana sy ny fandrotsaham-bato isaky ny fanontaniana tsirairay mba hahafahanareo manomana mialoha sy manatrika izany araka izay azo atao!

Fanontaniana Voalohany: Lohahevitra sy izay izoran'ny matoandahatsoratra

  • 10/09 : Fanolorana ny Fanontaniana Voalohany: Lohahevitra sy Famoahan-dahatsoratra
  • 13/09 : Antso An-dahatsary # 1 – 3 ora hariva GMT [5]
  • 15/09 : Antso An-dahatsary # 2 – 1 ora atoandro GMT [6]
  • 17/09 : Fisokafan'ny fifidianana
  • 21/09 : Fiafaran'ny fifidianana

Fanontaniana Faharoa: Tsy-mpandray-vola sa Matihanina

  • 24 sept : Fanolorana ny Fanontaniana Faharoa
  • 27 sept : Antso An-dahatsary #1 – 3 ora hariva GMT [5]
  • 29 sept : Antso An-dahatsary #2 – 1 ora atoandro GMT [6]
  • 30 sept : Fisokafan'ny fandrotsaham-bato
  • 05 okt : Fiafaran'ny fandrotsaham-bato

Fanontaniana Fahatelo: Rafi-pifandaminana

  • 08 okt : Fanolorana ny Fanontaniana Fahatelo
  • 11 okt : Antso An-dahatsary #1 – 3 ora hariva GMT [5]
  • 13 okt : Antso An-dahatsary #2 – 1 ora atoandro GMT [6]
  • 15 okt : Fisokafan'ny fandrotsaham-bato
  • 19 okt : Fiafaran'ny fandrotsaham-bato

Fanontaniana Fahefatra: Loharanom-bola

  • 22 okt : Fanolorana ny Fanontaniana Fahefatra
  • 25 okt : Antso An-dahatsary #1 – 3 ora hariva GMT [5]
  • 27 okt : Antso An-dahatsary #2 – 1 ora atoandro GMT [6]
  • 29 okt : Fisokafan'ny fandrotsaham-bato
  • 02 nov : Fiafaran'ny fandrotsaham-bato

Fantatray ihany koa fa misy ireo mpikambana GV hafa tsy afaka nandray anjara noho ny antony samihafa. Araka ny nasongadina tao amin'ny bilaogin-dahatsoratra teo aloha izay namaritra ny dingana isankarazany [7] amin'ny filankevitra dia hamoaka fanavaozam-baovao tsy tapaka momba ny dingana izahay ary hizara ny valin'ny Filankevitra amin'ny vondrom-piarahamonina iray manontolo amin'ny volana Desambra.

Mbola mamerina ny fisaorana ireo rehetra izay nanatevin-daharana izahay ary miandry fatratra ity dingana vaovao mampientanentana ity ho an'ny Global Voices !