- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Nicholas Kristof, vavolombelona nanatri-maso

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 17 Febroary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ampahany tamin'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Nicholas Kristof [2] , mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny New York Times izay efa in-droa nahazo ny loka Pulitzer no nitatitra ny tranga niseho tao Bahrain tao amin'ny kaontiny Twitter [3]. Raha vao tonga tao Bahrain roa andro [4] i Kristof dia voalaza fa maty ny mpanao fihetsiketsehana anankiroa, taorian'ny fivorian'ny olona an'arivony [5] nitaky demokrasia tao an-kianja Pearl.

Nicholas Kristof, the New York Times columnist, and two-time Pulitzer Prize winner. Image by Flickr user caribbeanfreephoto. [6]

Nicholas Kristof, mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny  New York Times, ary efa fanin-droany no nahazo ny loka Pulitzer. Sarin'ny mpisera Flickr caribbeanfreephoto.

Nitatitra i Kristof omaly alina (Alarobia 16 Febroary 2011) fa milamina ny ao an-kianja:

@nickkristof : Nihira, nihiaka, nandihy manodidina ny fihodinan-dalana Pearl tao Bahrain hatramin'ny alina ny olona. Nisy kamiao namatsy sakafo.

Avy eo tamin'ny 3 ora maraina tany ho any ora any Bahrain ny Alakamisy 17 Febroary, rehefa natory teo amin'ny manodidina ny fihodinan-dalana Pearl ireo mpanao fihetsiketsehana dia nisy mpitandro filaminana nanafika azy ireo tamin'ny basy, etona mandatsa-dranomaso ary niaraka tamin'ny fampiasan-kery, tsy nisy fampitandremana mialoha [7] anefa. Nitranga ny fanafihana ny mpanao fihetsiketsehana taorian'ny fanambaran'ny Mpanjaka Hamad ao Bahrain fa nanenina izy tamin'ny fampiasana herisetra teo aloha:

@nickkristof : Nolazain'ny Mpanjaka Hamad ao Bahrain fa nanenina tamin'ny herisetra izy, avy eo nampiasa izany tamin'ny mpanao fihetsiketsehana resitory. Ho menatra ny tenany izy.

Toa natao mba hisorohana tsy hisian'ny vavolombelona mahita ny herisetra ny fotoana nosafidian'ny Mpanjaka Hamad hanaovana ilay fanafihana sy ny fandrarana ireo mpanao gazety tsy hiditra ao amin'ilay Fanjakana [8]. Ny maraina, nanomboka nandray ireo mpanao fihetsiketsehana an-jatony izay naratra noho ny daroka, bala tena izy sy ny bala fingotra [9] ireo hopitaly tao Bahrain. Nitatitra ny toe-draharaha tany amin'ny hopitaly i Kristof:

@nickkristof : Niteny tamiko ny infirimiera fa nahita gadra niaraka tamin'ny rojovy nodarohan'ny polisy izy, ary eo notifirina tamin'ny basy.

Tsy nijanona tao amin'ny hopitaly izany, satria lasibatra ihany koa ny fiara mpitatitra marary:

@nickkristof: Teo ho eo amin'ny fiara mpitatitra marary miisa 10 teo no notafihin'ny polisin'ny Bahrain. Nanontaniako izy ireo ary hitako ny ratra nahazo azy ireo.

@ nickkristof : Nanome baiko ny fiara mpitatitra marary mba tsy hivoaka ny governemanta ao Bahrain, hoy ny hopitaly.

Toa hita fa nangataka ny fanampian'ny tafika vahiny [10] ny polisy misahana ny korontana ao Bahrain:

@nickkristof : Nilaza tamiko ny mpamilin'ny fiara mpitatitra marary iray tao Bahrain fa nanambana basy azy teo amin'ny lohany ny manamboninahitra miaramila Saodiana ary nilaza taminy fa ho vonoiny izy raha mamonjy ireo maratra.

Mbola tsy fantatra ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana naratra sy maty tamin'ny fotoana nanoratana. Nijaly tamin'ny fifandraisana aterineto milona ihany koa ny vahoaka tao Bahrain, ary ny sioka sy ny fanavaozam-baovao hafa no hany fomba nahazoana vaovao avy ao amin'ny firenena.

Fanavaozam-baovao: Niverina tamin'ny laoniny ny aterineto ny Alakamisy 17 Febroary 2011 tamin'ny 5 ora hariva (AST).

Ampahany tamin'ny fitantaranay manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 [1] ity lahatsoratra ity.