- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Nifidy ny mpitarika azy ireo vaovao ny Mpirahalahy Miozolomana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny 18 Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nifidy mpitarika faratampony vaovao – nifidy an'Atoa Muhammad Bedei ny Muslim Brotherhood [1] (Mpirahalahy Miozolomana).

Muslim Brotherhood blogger Abdel Monem Mahmoud wrote about the election of the new leader at Ana Ikhwan [2] saying:

Nanoratra momba ny fifidianana ilay mpitarika vaovao tao amin'ny Ana Ikhwan [2] ilay bilaogera ao amin'ny Muslim Brotherhood Abdel Monem Mahmoud ary nilaza hoe:

أنهت جماعة الإخوان المسلمين مسلسل لنتخاباتها والذي دار حلقاته طوال أربعة شهور مضت لتعلن الجماعة عن مرشدها الجديد وهو الدكتور محمد بديع أستاذ الطب البيطري – 67 عاما – ليكون المرشد الثامن في تاريخ الجماعة وأدي مهدي عاكف المرشد السابق للجماعة البيعة لخليفته أمام وسائل الإعلام

Namarana ny fifidianana izay naharitra efa-bolana ny Mpirahalahy Miozolomana, ary nanambara ny fijoroan'ny mpitarika ambony faratampony vaovao, Muhammad Badei, profesoran'ny fitsaboana biby 67 taona mba ho lasa mpitarika faha-8 ao amin'ny vondrona. Naneho ny fankatoavany an'ity mpitarika vaovao ity ny mpitarika ny vondrona teo aloha, Mahdy Akef.

Hoy izy avy eo hoe:

وأكد في بداية كلامه أن الإخوان المسلمين جماعة من المسلمين وليست جماعة المسلمين وأنها لا تحتكر الإسلام في تنظيمها

وانطلق بديع في كلمته أنهم يرون الأقباط شركاء في هذا الوطن وأن المواطنة لدي الجماعة أساس المشاركة الكاملة والمساواة في الحقوق والواجبات مؤكدا أن يدينون كل أنواع العنف الطائفي

Nanamafy ny mpitarika fa ny vondrona dia vondrona Miozolomana fotsiny ihany, fa tsy vondrona ho an'ny Miozolomana, ary tsy izy irery ihany no solontenan'ny Islamo

Nanohy nilaza i Badie fa mahita ny Kristiana ho namana izy ireo ao amin'ny firenena ary mino izy ireo fa tokony hanan-jo sy andraikitra mitovy ny tsirairay, ary avy eo nanameloka ny karazana herisetra ara-poko sy ara-pivavahana rehetra izy .

Abul Maaly Fayek, izay mibilaogy ao amin'ny Lokmet Eish [3] nanoratra ny fanendrena ny mpitarika vaovao, sy ny fomba voalohany nifidianana mpitarika vaovao raha mbola velona ny teo aloha:

ويأتى هذا التنصيب للمرشد العام الثامن فى ظل المرشد السابق وهو على قيد الحياة حيث اعتادت جماعة الإخوان مبايعة مرشدها وهى تودع مرشدها السابق على المقابر،

Napetraka ny mpitarika fahavalo raha mbola velona ny mpitarika teo aloha, nifidy mpitarika vaovao ny vondrona Mpirahalahy Miozolomana sady nanao veloma farany ny mpitarika teo aloha ho any amin'ny diany mankany am-pasana.

Saingy, toa, nanana fomba fijery hafa i Cat of the Desert [4] :

واحب اضيف برضه انه صاحب 3سوابق فى عين الحسود اشهرها قضية سيد قطب سنة 65اتحكم عليه بـ15 سنة قضى منهم 9 سنين وباقى السنين قضاها مراجيح
طبعا كان لازم وحتما ولابد نرحب بالمخبر العام الجديد محمد بديع اللى الاخوانجية محتلين ما شاء الله كل المواقع الاخبارية وقاعدين يرحبوا بيه ويبايعوه وكأنه محمد الفاتح وجاى لهم بالنصر المبين .

Tiako ny manampy fa (Atoa Bedei) dia meloka tamin'ny tranga miisa telo teo aloha, ny raharaha Sayed Qutb [5] tamin'ny taona 1965 ny iray malaza indrindra, ary voaheloka higadra 15 taona an-tranomaizina izy tamin'izay ary efa nandany sivy taona tany am-ponja.
Tokony hiarahaba ilay mpitarika farantampony vaovao isika, izay nankasitrahan'ny Mpirahalahy Miozolomana mibodo ny sehatra fampahalalam-baovao rehetra, ary niarahaba azy izy ireo toy ireny mpitarika mpandresy ireny.