Raha hiverina ao Shina ny Google, dia hanaraka ny fepetran'ny governemanta. Dia ahoana ny zon'olombelona?

Tamin'ny famoahan'ny Google ny vokatra fitadiavan-kira tao Beijing, 2009. Sarin'i Keso via Flickr (CC BY 2.0)

Tatitra iray navoakan'ny The Intercept nivoaka tamin'ny voalohany aogositra no nilaza fa mety hamoaka tsy ho ela ny endrika voasivana amin'ny milina fitadiavana ao Shina ny goavana Google.

Kisoritsoritra avy amin'ny antontan-taratasy anatiny avy ao amin'ny Google sy antsafa iray nifanaovana tamin'ny loharanom-baovao iray avy ao anatiny izay nangataka ny tsy hanononana ny anarany, nitatitra ilay seha-baovao mahaleotena fa eo am-pananganana endrika manara-bolontany amin'ny fampihatram-pitadiavana amin'ny Android ny orinasa amin'izao fotoana izao ho ampiasaina amin'ny tsena shinoa. Nomena ny anara-miafina hoe “Dragonfly” (Angidina), ny fampiasa ary hanamarika sy hanivana avy hatrany ny habatranonkala tahaka ny Facebook, Twitter, Instagram, Wikipedia, British Broadcasting Corporation (BBC), Global Voices ary ireo hafa izay mbola sakanan'i Shina amin'izao fotoana izao amin'ny alalan'ilay hoe “Manda Afo Lehibe” an'i Shina.

Nandao ny tsena shinoa ny Google tamin'ny marsa 2010 taorian'ny tsikera hanao sivana noho ny fanarahany ny baikon'ny governemanta. Saingy tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, teo ambany fitarihan'i Sundar Pichai, izay lasa filoha tale jeneralin'ny Google tamin'ny taona 2015, niezaka dia niezaka ny goavan'ny teknôlôjia hiverina indray ao amin'ny tsena shinoa na dia mety ho voantohintohina mafy amin'izany aza ny zon'olombelona.

Raha nandao ny tsena shinoa ny Google, notanisan'ireo tompon'andraikitra ny fanahiana manoloana ny zon'olombelona, sivana, sy sakana amin'ny fahazoam-baovao. Ary tsy miova ireo fepetra ireo — Vao tamin'ny taona 2016 i Shina no nandany ny lalànan'ny fiarovana an-tserasera izay hanamafy ny fomba fanaraha-maso sy fanivanana efa henjana mihatra ao Shina ary tsy maintsy manolotra ny data-n'ny mpisera, tafiditra amin'izany ny lakile fanafenan-tsoratra, araka ny fangatahana ofisialy ny orinasa vahiny miasa ao Shina.

Milaza ny loharanom-baovaon'ny The Intercept fa nihanandeha haingana ny tetikasa Angidina tamin'ny desambra 2017 taorian'ny fihaonan'i Pichai tamin'ny ideôlôgy faratampon'ny Antoko Komonista Shinoa, Wang Huning. Heverina fa efa nanao fampisehoana fanandramana teo anoloan'ny manampahefanan'ny governemanta shinoa ny ekipan'ny Google. Raha tafavoaka moa io fampiasa io dia tsy maintsy hifaninana amin'i Baidu, mili-pitadiavana ao an-toerana izay mibahana ny tsena shinoa.

Mety vonona hanaisotra ny fitsipiky ny zon'olombelona ny Google ahafahany miditra amin'ny tsena shinoa. Saingy mbola miankina amin'ny governemanta shinoa ihany no hananany zo hiditra amin'ny tsena.

Manondro ihany koa ny antonta-taratasy ao anatiny fa ho ampiasain'ny fiarahan'orinasa ifanaovan'ny Google sy ny orinasa iray miorina ao Shina (mbola fantarina) ny fampiasam-pitadiavana. Izay no lasitra fanao ho an'ny orinasa vahiny te-hiasa ao Shina.

Manamafy ny loharanom-baovaon'ny The Intercept fa mety hivoaka ao anatin'ny enina na sivy volana ny endrika farany amin'ilay fampiasa, rehefa azo ny fankatoavana ofisialy. Saingy tsy ho mora ny fahatongavan'izany. Tamin'ny 3 aogositra ny seha-baovao miankina amin'ny fanjakana shinoa Securities Daily niampanga ny tatitry ny The Intercept ary nanatsonga ny filazan'ny Shinoa mpamakafaka iray milaza fa tsy ho afa-miditra indray ao Shina ny Google ao anatin'ny hoavy akaiky.

Mety ho fampitandremana ho an'ny mpifaninana aminy miorina ao Sillicon Valley ny zavatra vao haingana nanjò ny goavan'ny teknolojia Facebook tao Shina. Roa andro monja taorian'ny nanambaràn'ny Facebook hanokatra foibem-panavaozana ao Shina, niditra an-tsehatra ny Fitantanana ara-tserasera shinoa ary nanakana ny Facebook tsy hahazo lisansa hiasana.

Mbola manjavozavo izay mbola hoavy manaraka. Raha mbola tsy ho vetivety ny hahafahan'ny Google miditra ao Shina, ny tantaran'ny Intercept no mampiseho fironana mampanahy misy eo amin'ny goavan'ny teknolojia miorina ao Etazonia izay miomana — na mailaka mihitsy aza —  hanilika ho etsy ankilany ny fitsipiky ny zon'olombelona mba hampiroborobo ny fiharian-dry zareo.

Ny loharanom-baovao tsy nanonon-tena avy ao amin'ny Google no niteny tamin'ny The Intercept hoe:

I’m against large companies and governments collaborating in the oppression of their people, and feel like transparency around what’s being done is in the public interest […] what is done in China will become a template for many other nations.

Manohitra ny fiaramiasan'ny orinasa goavana sy ny governemanta lasa mamoritra ny olom-pirenena aho, ary mahatsapa aho fa ho ao amin'ny tombontsoam-bahoaka ny mangarahara manodidina izay efa natao […] Ho lasa fakantahaka ho an'ny firenen-kafa maro izay natao tao Shina.

Niteraka fifanakalozan-dresaka be dia be teo amin'ny Shinoa mpisera Twitter ity vaovaon'ny drafitry ny Google ity. Maro ireo nitsikera ny hetsika.

Mpisera Twitter iray nanondro ny zavatra nataon'ny Apple vao haingana tany Shina sy ny fisongany tao amin'ny tsenam-bola, antony iray mety mahatonga ny orinasa hafa hiditra any Shina:

Nipoitra indray ny Apple Inc. androany. Mihoatra ny 100 miliara dolara amerikana ankehitriny ny lanjany eo amin'ny tsenam-bola. Ny lakilen'izany fitomboana izany dia ny fiakarana 40% ny varotra i-phone tao amin'ny tsena shinoa nandritra ny telovolana fahatelo. Ao anatin'izao ady ara-barotra ifanaovan'i Shina sy ny Etazonia izao, nanahy ny amin'ny hoavin'i Apple ny tsena. Fa ny varotra betsaka vitany nandritra ny telovolana fahatelo no nampiakatra ny fitokisan'ny tsena. Manomboka mino ny tsena fa nahita ny lalany ho tafavoaka amin'ny ady ara-barotra ifanaovan'i Etazonia sy i Shina ny Apple Inc. amin'ny fampiasana ny teti-panorona ara-pihariana “ho an'ny firenena iray manokana”. Io angamba no nahatonga ny “fanovan-tetipanorona” ampiharin'ny Google.

Tamin'ny febroary 2018 ny Apple Inc. namindra ny fikirakirana ny foiben-dahatahiry iCloud ho ao Shina tanibe ho ao amin'ny orinasa iray tantanin'ny fanjakana antsoina hoe Guizhou-Cloud Big Data. Na dia nanoritra aza ny orinasa fa mbola izy no mifehy ny lakile fanafenan-tsoratra amin'ny kaontin'ny mpisera, ary tsy nomeny ny mpiara-miombon'antoka aminy ao an-toerana izany, dia mbola manahy ihany ny Shinoa mpisera fa voantohintohina ny fiainany an-takonana.

Tsy misy isalasalana fa mbola hiharan'ireo fepetra nahatonga azy handao an'i Shina tamin'ny taona 2010 ihany ny Google, saingy hita kosa fa mety ho niova ny laharam-pahamehan'ny Google. Mety ho voahitsakitsaka tanteraka ny zon'olombelon'ny mpisera ao Shina — ary mety hiitatra any an-kafa ihany koa izany, araka ny fomba nandrafetana ny vokatra sy ny fotodrafitrasan'ny tolotra.

Hatramin'ny fotoana nanoratana aloha dia tsy mbola naneho hevitra ny amin'ny lahatsoratry ny Intercept ny Google.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.