Ho an'ny ankamaroan'ny Sri-Lankey, zava-misy iainana ny kolikoly

Ny renivohitra Sri Lankan Colombo. Sary avy amin'ny Groundviews.

Fitambaran-dahatsoratra miisa telo (1, 2, 3) avy ao amin'ny Groundviews ity lahatsoratra ity, tranonkala iray nahazo loka tamin'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra avy any Sri Lanka.  Navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty miaraka amin'ny Global Voices ny dikan-dahatsoratra eto ambany.

Niverina indray ny adihevitra manodidina ny kolikoly tao Sri Lanka nanomboka hatramin'ny fananganan'ny governemanta tamin'ny 21 Aogositra teo ny Fitsarana Avo manokana natokana hanadihady ny raharaha toy izany .

Na dia efa nanadihady ny raharahan'ny kolikoly avo lenta miisa roa aza ny fitsarana hatramin'izao (anisan'izany ny raharaha nahavoarohirohy ny Sekreteran'ny Fiarovana teo aloha ) dia nanararaotra izany ny olona sasany mba ampatsiahivana fa mijanona eo amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena ny kolikoly – ary tsy dia mivaky loha loatra amin'ny fanomezana 1000 ropia ( 6$ US ) mangingina ny polisy  mandritra ny fisavan'ny polisy eny amin'ny fifamoivoizana.

Tao anatin'ny lahatsary iray vao haingana navoakan‘ny sehatra fampahalalam-baovao an-tserasera tao an-toerana W NOW, nisaintsaina momba ny fihaonany manokana tamin'ireo manampahefana mpanao kolikoly ireo Sri Lankey, anisan'izany ny fandraisan'izy ireo anjara (an-tsitrapo na tsy fidiny) tamin'ny fanomezana kolikoly.

Tamin'ny taona 2017, nahazo fitarainana maherin'ny 2.000 ny Vaomiera misahana ny Fanadihadiana ny Fitoriana Kolikoly (CIABOC), saingy ny 62 tamin'izany monja no nandalo fitsarana. Ny roa amby efapolo tamin'ireo no mifandray amin'ny fanomezana kolikoly .

Tamin'ny volana Ôktôbra 2017, nanolotra fanontaniana roa tamin'ireo mpamaky azy ny Groundviews: Inona no dikan'ny teny hoe kolikoly amin'izy ireo? Moa ve ny olona miaiky fa miray tsikombakomba amin'ny fanaovana  kolikoly rehefa mandoa vola hanolikolena? Ireo valinteny voaangona manerana ny tanàndehiben'i Jaffna, Ampara, Colombo, Deniyaya, ary Maskeliya dia naneho ny endrika maro mety hitrangan'ny kolikoly.

Amin'ny tranga sasany dia misy ny fanekena tsy fidiny, ny fanekena firaisana tsikombakomba mihitsy aza. Amin'ny hafa indray dia misy ny tahotra, ny fandeferana na ny hatezerana. Ireto ny sasany tamin'ireo valiny izay voarain'ny Groundviews tany amin'ny tanàndehibe avaratra ao Jaffna. Nesorina ny anarana noho ny fangatahan'ny loharanom-baovao.

This government is indifferent. Corruption is well-organized and done in a covert way. Recently, funds were allocated to rebuild the structures of the market… but up until now, this money has not reached the common Jaffna man.

Tsy miraharaha izany governemanta . Efa tsara omana ny kolikoly ary natao amin'ny fomba miafina. Vao haingana, nisy vola nomena hananganana indray ny rafitry ny tsena … kanefa hatramin'izao, tsy mbola tonga any amin'ny vahoaka ao Jaffna io vola io.

Around 8 months ago, I went on a motorbike without a helmet. This policeman stopped me and demanded Rs. 2,000 (US$12). I wanted that money in order to drink arrack, so I refused to pay. I was taken inside the police station, and then I was asked to pay Rs. 4,500 (US$28). If I had paid the bribe, I could have got away with that extra Rs. 2,500 (US$16).

Nandeha môtô tsy nanao fiarovan-doha aho teo ho eo amin'ny 8 volana lasa teo izay. Nanakana ahy io polisy io ary nitaky 2 000 roupies (12 $ amerikana ). Nilaiko izany vola izany mba hisotroako toaka, noho izany dia nandà tsy handoa izany aho. Nentina tany amin'ny paositry ny polisy aho, ary nasaina nandoa vola 4.500 roupies (28 $ amerikana). Raha toa ka nandoa ilay kolikoly aho, dia afa-mandeha raha nandoa ilay 2.500 (16 $ ) fanampiny.

Corruption is an on-going issue here. If someone hits a pedestrian on the road with their motorbike, he will go into remand. Two or three months later he’ll be released because he paid a bribe. Even those who kill people will be released. Innocent people are not safe on the road.

Olana mitohy eto ny kolikoly. Raha misy olona iray mitaingina môtô ka mandona mpandeha an-tongotra eny an-dalana dia ho tanan'ny mpitandro ny filaminana izy. Hivoaka izy afaka roa na telo volana aorian'izay satria nandoa kolikoly. Havotsotra na dia ireo izay mamono olona aza. Tsy misy fiarovana ho an'ny olona tsy manan-tsiny eny amin'ny arabe.

Ao an-drenivohitra Colombo, nanasongadina ireo valinteny fa ny olom-pirenena mahantra no tena lasibatry ny mpitandro filaminana amin'ny fangatahana kolikoly .

I see the police chasing away innocent people. How can people make an honest living when they do this? Even I make only Rs. 300 (US$2) a day when I sell lottery tickets. I too am struggling and sometimes get harassed by police. At times, when homeless people sleep on the road, the police comes and take them away. They haven’t done anything wrong. If someone commits a crime, then certainly they should be in jail. But these people are innocent people who have fallen on hard times. Isn’t this a type of corruption?

Hitako ny polisy mihaza olona tsy manan-tsiny. Ahoana no fomba hiveloman'ny olona amin'ny tsy rariny amin'ny fanaovana izany? Na dia ny tenako aza dia 300 roupies (2$ amerikana) isan'andro monja no mba azoko rehefa mivarotra ny tapakila lôtô aho. Mitrongy vao homana ihany koa aho matetika ary tohintohinin'ny polisy. Indraindray, rehefa matory eny an-dalambe ny olona tsy manan-kialofana, tonga ny polisy ary mitondra azy ireo. Tsy nanao ratsy izy ireo. Raha misy olona iray manao heloka bevava, dia inoana fa tokony migadra izy. Saingy tsy manan-tsiny ireo olona mandalo fotoan-tsarotra ireo. Tsy karazana kolikoly ve izany?

Yes, corruption is a problem, especially at a government level. As a three-wheeler driver, I can say the police are corrupt too. They stop us even if we haven’t committed an offense and ask for a bribe. We have to pay bribes even to get our licenses. Everywhere it’s the same. We know that it’s wrong, but we do it. If someone tells us we can pay Rs. 500 (Us$3) to get some task done, then we just do it. That’s the way this country is.

Eny, olana ny kolikoly, indrindra eo amin'ny sehatry ny governemanta. Amin'ny maha-mpamily fiara telo-kodiarana ahy dia azoko lazaina fa mpanao kolikoly ihany koa ny polisy. Manakana anay izy ireo na dia tsy nanao fahadisoana aza izahay ary mangataka vola aminay. Tsy maintsy mandoa kolikoly izahay mba  hahazoana ny lisansa-nay. Toy izany no mitranga na aiza na aiza. Fantatsika fa tsy mety izany, saingy manao izany isika. Raha misy olona miteny amintsika hoe aloha ny vola 500 roupies (3$  amerikana) dia ho vita ny asa dia ataontsika izany. Izany no fomba fanaon'ity firenena ity.

Mihamitombo any amin'ny sekolim-panjakana Sri Lankey ihany koa ny kolikoly. Na dia maimaim-poana aza izany dia mbola maro ireo olona no mitatitra fa ilaina ny manome “fanampiana” manan-danja mba hitazonana toerana ho an'ny zanany, araka ny fijoroana vavolombelona nataon'i S. Rita, mpiasa iray ao Maskeliya hoe:

Often, I only have about Rs. 4,000 (US$25) or Rs. 5,000 (US$31) remaining from my salary at the end of the month. I have to make do with this to somehow pay off school expenses. Meanwhile, everyone talks about free education, but you still have to make donations, to get your child into school.

Matetika no 4.000 ropia (25 dolara Amerikana) na 5.000 ropia (31 dolara Amerikana) monja sisa no tafajanona amin'ny karamako amin'ny faran'ny volana. Tsy maintsy manao izay ahampy izany aho mba handoavana ny saran'ny sekoly. Mandritra izany fotoana izany, resahana ny hoe fampianarana maimaimpoana, kanefa mbola mila manao fanomezana ianao, mba ahafahan'ny zanakao mianatra.

Tamin'ny volana Aogositra 2017, nampiantrano fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Twitter momba ny kolikoly tamin'ny fampiasana tenirohy #anticorruptlka ny Groundviews.  Niresaka momba ny fisian'ny kolikoly lalina isan'andro any amin'ny biraom-panjakana ny mpandray anjara:

Kolikoly efa voaomana ny taratasy fahazoan-dalana hitondra fiarakodia. Ahitana kolikoly ny saram-pianarana ho an'ny fianarana mitondra fiara ary misy ny sarany voatokana ho an'ny fahazoan-dalana.

Nisy fotoana ny taratasy avy any amin'ny dokotera ho an'ny fitondrana fiara dia novidiana 100 ropia teo ivelan'ny RMV.

Raha toa ka nanondro ny governemanta ho meloka ny fanehoan-kevitry ny ankamaroan'ny olona tamin'ny voalohany dia nampiaiky ankolaka ny olona sasany tamin'ny firaisany tsikombakomba tao amin'ny rafitra ny resadresaka kely (sy ny fandalinana lalina) natao.

Manaporofo ny fisian'ny kolikoly mahery vaika manerana an'i Sri Lanka ny fahasamihafan'ny fomba fijery sy ny zavatra niainan'ireo olona ary mampiseho fa efa mahazatra ho an'ny olom-pirenena, na io manankarena na mahantra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.