- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Atsimo: DST, Mpiasan'ny MR-9, Rallye SAARC, fomba amam-panao Tshechu, Fanao ara-tsaranga, Fitondrana fiara ary ny hosoka

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Bhutan, India, Nepal, Pakistana, Sri Lanka, Fahalalahàna miteny, Fanatanjahantena, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Haisoratra, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Tanora, Tantara, Teknolojia, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2007)

Lohahevitra maro samihafa no iadian-kevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Azia Atsimo. Ny mety ho korontana amin'ny fananganana ny Daylight Saving Time, ny valintenin'i Bangladesh tamin'i 007, ny hazakazaka fiara hanatsarana ny fifandraisana mivantana amin'ny olona, ny saranga, ny fivavahana ary ny fombafomba sy ny maro hafa.

Bangladesh:
Manohana  [1]ny drafitry ny Governemanta hampiditra ny endrika “daylight saving time (fotoam-pahavaratra)” mba hitantanana ny krizy i Sada Kalo saingy mitebiteby amin'ny korontana tsy azo ihodivirana izay aterak'izany ao amin'ny firenena. Ahemede Hussain ao amin'ny Black and Gray kosa miantsafa [2] amin'i Kaiser Haq, poeta malaza amin'ny teny anglisy ao Bangladesh. Masud Rana na kasinga MR-9 kosa no valintenin'i Bangladesh tamin'i James Bond 007 nandritra ny 40 taona lasa. Mahmud manasongadina [3] ny adian-tantara mampihoro-koditra nosoratan'i Qazi Anwar Husain ary navoakan'i Sheba Prokashoni.

Bhutan:
Ugyen manoratra [4] momba ny fifaninanana hazakazaka fiara SAARC faha-3 vao haingana izay nandalo tao Thimphu, renivohitr'i Bhutan. Iray amin'ireo tanjon'ity fifaninanana ity ny hanatsara ny fifandraisana mivantana eo amin'ny vahoaka ao amin'ny faritra Azia Atsimo. Bhutan Film Blog kosa mandefa [5] ilay lahatsary fanadihadiana Bhotaney “Price of Knowledge” nahazo loka ao amin'ny Youtube.

thongdrol

Ugeent avy ao amin'ny Kuzu Bhutan Weblog mamaritra [6] ny fomba Tshechu. Amin'ny ankapobeny izany atao mandritra ny andro fahafolo amin'ny kalandrie Bhutanese. Alohan'ny fiposahan'ny masoandro amin'ny andro farany amin'ny Tshechu, aseho ilay Thongdrol lehibe, horonana amboradara vita amin'ny lasoà (sary Kuzu Bhutan Weblog).

India:
Dina Mehta manamafy [7] fa fomba fiaina ho an'ny tanora ankehitriny ny aterineto. Rama ao amin'ny Cuckoo's Call mandinika  [8]ny “India untouched”, horonantsarimihetsika miresaka fomba iray naharitra 4000 taona miompana amin'ny fombam-poko sy ireo olona tsy fikasika ao India. Debashish miantsafa [9] an'i Greatbong, mpandresy tamin'ny sokajy roa tamin'ny Indibloggies 2006 [10] ao anatin'ny bilaogy Indiana taona 2006.

Nepal:
Dinesh Wagle manoratra [11] ao amin'ny United We Blog fa ny Nepal Telecom, sampan'ny governemanta dia tsy mahavita manararaotra ny firoboroboan'ny finday any Nepal amin'ny fanomezana teknolojia finday maoderina sy fidirana amin'ny Finday. Bhupall ao amin'ny Nonviolence for Peace and Democracy manakiana  [12]ny fahazaran'ny mpitarika Nepaley midera tena. AtoZ-Nepal mitanisa [13] ireo vondrom-poko ao Nepal.

Pakistan:

Shirazi ao amin'ny Chowrangi mitsikera  [14]ny fomba fitondrana fiara any Lahore. Adil Nizam ao amin'ny All Things Pakistan [15] mandinika ny fandraràn'ny Eoropeana ny trondro avy any Pakistana ary manamarika fa varavarana misokatra izany handinihana indray ny politikan'ny fanondranana trondro sy ny sakafo an-dranomasina ary hampandehanana miadana kokoa ny indostria – ka mamela ny zavamaniry an-dranomasina eo an-toerana hiroborobo. Jahane Rumi nankany [16] Dhaka ary nahita fa tsy rahràna ny handroso ho ao Bangladesh (ampahan'i Pakistan teo aloha) ny Pakistaney na dia efa nanana lasa mangidy sy nihoson-drà aza.

Sri Lanka:

ÃYUBÕWAN mitanisa [17] ireo toerana folo tsara indrindra tsidihana ao Sri Lanka. Niro ao amin'ny A week in Sri Lanka miresaka [18] momba ny fanaovana piraty mihoa-pampana  amin'ny Fandraketam-peo sy Lahatsary ao Sri Lanka. Manafangaro ny fanatanjahan-tena amin'ny politika: Lanka Pages miampanga [19] ny fikasan'ny Amnesty International hampidina ny maoralin'ny ekipa Cricket Sri Lankey.