- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina

Sokajy: Shina, Zimbaboe, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2008)

Vao haingana i Shina no nandefa fitaovampiadiana [1] ho ao Zimbaboe [2], tena hoe vao vita ilay fifidianana ho filohampirenena nahabe resaka [3] tao amin'io firenena io. Taorian'ireo fiampangàna herisetra politika [4], sy ny nahalany indray ny filoha Mugabe [5], nifamatotra tamin'i Rosia i Shina tao amin'ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, tamin'ny herinandro lasa, mba hanohitra amin'ny vato tsy azo ivalozana an'ireo sazy [6] napetraka hamaizana an'i Mugabe sy ireo mpiaradia aminy. [jereo ny fanavaozana ery ambany]

Tapaka ny hevitr'ilay bilaogera tsy miankina, Ruan Yifeng, fa hanoratra [7] ao amin'ny bilaoginy momba ilay vato tsy azo ivalozana, natombony tamin'ny fisarihana ny saina amin'ny hoe hatraiza no mampisy lanja ilay raharaha eo anivon'ny sehatra iraisampirenena, porofon'izany ny fandrakofana be atao azy io eny anivon'ny fampahalalambaovao tandrefana. Nanakiana an'i Shina daholo ny ankamaroan'ireo lahatsoratra teny anglisy hitany. Tsindriany fa tsy fantany izay tena zavatra mitranga, sy ny hoe karazana toerana manao ahoana moa izany Zimbaboe izany.
Miainga amin'io, nangoniny ireo tarehimarika vitsivitsy momba ny tahan'ny fidangan'ny vidimpiainana amin'izao fotoana izao, ny toedraharaha ara-toekarena, ny dingana nodiavin'ingahy filoha Mugabe, ary fanazavana fohifohy momba ireo antony nahatonga ireo herisetra taorian'ny fifidianana, avy eo navoakany ity sarintany manaraka ity :

不难判断,津巴布韦是一个很混乱很混乱的国家,事实上已经处在内战边缘了。

[…]
既然这个国家有内战,为什么中国不同意武器禁运呢?

事实并不像外交部发言人说的那样简单,实际上,中国在津巴布韦有很深的利益存在。

Tsy sarotra jerena, i Zimbaoe dia firenena iray tampin-dalan-kaleha tanteraka. Raha ny marina, efa eo amoron-tevan'ny ady an-trano sahady izy.
 […]
Satria efa rotehan'ny ady sivily ilay firenena, maninona no lavin'i Shina ny fandraràna ireo famatsiana  fitaovampiadiana?
Tsy zavatra mora io raha ny marina, tsy toy ny anamafisan'ilay mpitondra tenin'ny Ministera misahana ny raharaham-bahiny azy [8], satria manana tombontsoa goavana ao Zimbaboe i Shina.
ary lavidavitra kokoa :

由此可见,中国已经很深地卷入了津巴布韦内政,完全违背了“不干涉他国内政”的原则。北京在为穆加贝政府出钱、出枪、训练士兵。在这种情况下,否决联合国制裁决议,当然是再正常不过了。

[…]
在这里,我不去猜测,为什么北京会支持穆加贝。我只想引用Peking Duck的一段话,指出这两者之间有天然的吸引力。

Araka izany, hitanareo fa miditra lalina amin'ny raharaha anatiny ao Zimbaboe i Shina, manitsakitsaka tanteraka ny lalànan'ny ‘tsy fitsabahana amin'ny raharaha an-tokantranon'ny firenena hafa”. Pékin no mamatsy vola, basy ary manofana ny tafiky ny fitondran'i Mugabe. Ao anatin'izany rehetra izany, tsy misy azony natao tao amin'ny Firenena Mikambana afa-tsy ny nampiasa ny vato tsy azo ivalozana teo an-tànany nandritra ny fikatsahana vahaolana momba ireo sazy.
[…]
Tsy ankehitriny aho no handeha hanombantombana ireo antony anohanan'i Pekin an'i Mugabe. Tiako fotsiny ny mba hitanisa ampahany iray avy ao amin'ny Peking Duck [9], izay manoritsoritra ny fifanintonana natoraly mampifamatotra ny andaniny sy ny ankilany:
[dikanteny shinoa nataon'i Ruan]
Hatrany hatrany, loza mitatao ho an'ny fanantenana sy ny fikasana hametraka demaokrasia manerana ny tany no fahitàna an'i Shina.
中国越来越被看作,是对全世界民主自由的一种威胁。
Sokajiana ho miezaka mafy ireo politisiana shinoa ny hanaparitaka ny teorian'ny fahombiazana ara-toekarena avy amin'ny alàlan'ny fanjakana iray foibe matanjaka sy maherisetra, izay mety haharesy lahatra ny mpitondra any amin'ireo firenena mahantra, tsy manana ny fanohanana feno avy amin'ny vahoaka, mba hamafàna ireo fepetra motraka momba ny demaokrasia ary hanamafy ny fahefan-dry zareo miaraka amin'ny fialàna bàla hoe hanatsara ny ara-toekarena izany.
中国政治家好像正在尝试,散播一种理论,那就是如何在保持专制统治的前提下,取得经济成功。这使得那些穷国的领导人相信,不需要推行民主,并且以仿效中国经济成功为借口,来加强他们的独裁统治。

真的就是这样,独裁者都互相爱惜,专制政权都互相喜爱。我想,在心底里,北京可能更愿意与一个独裁者打交道,而不是与一个民主政府打交道。君不见这次奥运会火炬传递,所有民主国家都发生了抗议,所有专制国家都一切顺利。

更有甚者,北京可以通过扮演“独裁者的朋友”的角色,来与美国谈条件,为自己渔利。北韩核危机就是一个绝佳的例子。

《圣经》里说:“惟愿公平如大水滚滚,使公义如江河滔滔。”(Mba hisosa toy ny rano anie ny rariny, ary ny hatsarampanahy ho toy ny renirano mahery! )中国这个国家,不仅自己国内没有公平和正义,还阻碍他国和世界上广大受压迫人民的公平和正义。我作为一个中国人,真的感到非常遗憾和无奈。

Toy izany indrindra no zavatra mitranga, ireo rehetra mpanao jadona dia mifandokandoka izy samy izy, tsy misy hafa amin'ireo fitondràna tsy refesimandidy izay mifankatia sy mifanohana. Mihevitra aho, tena avy ao am-poko lalina, fa aleon'i Pekin kokoa mifampiraharaha amin'ireo mpanao jadona, toy izay hiaraka aminà governemanta demaokratika. Izay tsy hitanareo nandritra ny dian'ilay afo olaimpika, dia ireo hetsipanoherana nitranga nanerana ireo firenena demaokratika rehetra. Etsy ankilany, nisosa tsy nisy nanohintohina ny zavatra rehetra.
Fanampiny, raha toa i Pékin mitazona ny toeran'ny «naman'ireo mpanao jadona» ao anatin'ireo fifampiraharahana miaraka amin'i Etazonia, dia sady efa vonona ihany koa ny hahazo tombony amin'izay zavatra babo eo izy. Ny olan'ny nokleary ao Korea avaratra [10] no ohatra tsara indrindra amin'izany.
Voasoratra ao anaty Baiboly ny hoe : «Mba hisosa toy ny rano anie ny rariny, ary ny hatsarampanahy ho toy ny renirano mahery! !» Shina tsy hoe fotsiny firenena iray tsy misy fitoviana sy rariny ao anatiny, fa koa manakana ny fitoviana sy ny rariny tsy hisy any amin'ireo firenena hafa ary mamoritra fatratra ny vahoaka ao aminy. Amin'ny maha-shinoa ahy, tena mahatsiaro malahelo tsy misy toy izany aho no sady  mivala-ketraka.
Fanavaozana :
Nirian'i Zhang ny mba handikàna ireo fanehoankevitra tao amin'ny lahatsorany. Indreto àry :
Sanzomaldini :
希特勒和苏联还携手瓜分波兰呢……
…dia nifanome tànana i Hitler sy URSS mba hizaràna an'i Polonina.

Atlas :
没法子啊,不能向美国或英国那样拿到好的势力范围,只能去津巴布韦这种烂地方了
Tsia, tsy vitantsika ny handeha hamorona faribolana ahafahana manao tsindry aloka any amin'ireo faritra toa an'i Etazonia sy Angletera, fa tsy maintsy hoe toerana lò toa an'i Zimbaboe no alehantsika.

Welco :
1,既然大家没有对武器禁运达成一致 那为什么中国不能卖武器?世界上第一大武器出口商是哪个国家 (你不会认为他既和平又民主吧),如果津巴布韦有能力购买武器的一方是亲美的,美国会投什么票
2 津巴布韦有自己国家决定自己国家命运的权利,如果没有武器斗争就结束了么,恐怕不会而且说不好还会持续更长的时间来决个胜负 死更多人 让一代人葬送在无畏的斗争里。如果你硬要这个国家按你的意志发展 不正是专制吗
1.Koa satria tsy nisy ny fifanarahana niraisan'ny rehetra mba handraràna ny famatsiana fitaovampiadiana, nahoana i Shina no tsy ho afaka hivarotra fitaovampiadiana ? Ary iza no firenena mpanondrana fitaovampiadiana betsaka indrindra eto an-tany ? Tsy eritreretinareo ve hoe lasa milamna sy demaokratika izao ry zareo, sa tsy izany ? Raha toa ka mpankamamy amerikàna ieo Zimbaboeiàna manana fahafahana mividy fitaovampiadiana, ahoana no mety ho safidy nataon'i Amerika ?
2. Amin'ny maha-firenena azy, afaka misafidy izay làlan-kizorany sy hoavin'ny fireneny i Zimbaboe. Raha tsy nisy fitaovampiadiana, dia ho nitsahatra koa ve ny adilahy ? Matahotra aho hoe tsia. Mampalahelo ny hiteny izany, saingy izay no zavatra nisy, tsy nisy tazana afa-tsy ny fitohizany mandra-pahazon'ny iray amin'ireo mpifanandrina ny fandresena. Betsaka ny olona maty ary andian-taranaka iray manontolo no very tao anatin'ny ady. Raha toa ianareo misisika ny hanaovan'io firenena io ny zavatra arosonareo ho ataony, tsy efa fanaovana didiko fe-lehibe sy tsy refesi-mandidy ve izany  ?
我不知道一个社会到底怎么发展是好,我不想讨论意识形态的问题 我压根就不关心 但是如果你真的关心津巴布韦 那你就去多了解一下他去真正做些能帮助他们的事 如果你只是google一下 把它当作一个论据 这并不能增加任何说服力 反而让你的那种知识分子的冷漠彰显无遗 真的意识形态挺没劲的 文化大革命在这上面浪费的时间还不够吗 有了一本圣经就能改变世界么 改革开放20年能有这样的成绩你还有什么不满足的 是吧