Tantara tamin'ny 04 Septambra 2018
Egypta: Voina nitranga ao Doweiqa
Nanoratra momba ny loza nitranga tao Doweiqa izay nahafatesan'olona maherin'ny 30 noho ny fianjeran'ny vato ny bilaogera Egyptiana. Azo natao ve ny nisoroka ity loza ity? Ary nahoana no ireo olona fadiranovana indrindra hatrany no tratran'izany?
Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina
Araka izany, hitanareo fa miditra lalina amin'ny raharaha anatiny... i Shina, manitsakitsaka tanteraka ny lalànan'ny 'tsy fitsabahana amin'ny raharaha an-tokantranon'ny firenena hafa". Pékin no mamatsy vola, basy ary manofana ny tafiky ny fitondrana...satria manana tombontsoa goavana i Shina. Hatrany hatrany, loza mitatao ho an'ny fanantenana sy ny fikasana hametraka demaokrasia manerana ny tany no fahitàna an'i Shina. [...] Shina tsy hoe fotsiny firenena iray tsy misy fitoviana sy rariny ao anatiny, fa koa manakana ny fitoviana sy ny rariny tsy hisy any amin'ireo firenena hafa ary mamoritra fatratra ny vahoaka ao aminy
Nosazian'i Myanmar 7 taona am-ponja ireo mpanao gazetin'ny Reuters

Taorian'ny fitsaràna naharitra sivy volana, nosaziana higadra 7 taona an-tranomaizina tamin'ny 3 Septambra ireo mpampita vaovao roa avy ao Myanmar izay nitatitra momba ny famonoana ny Rohingya ao amin'ny fanjakan'i Rakhine tamin'ny herintaona, noho ny fanitsakitsahana ny Lalàna Ofisialy momba ny Tsiambaratelo taona 1923.