- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny samonin'ny bilaogy Bangladeshita (oktobra 2006)

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Fifidianana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Saripika, Teknolojia, Tsidika, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 9 Oktobra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny zava-nitranga tamin'ny bilaogy Bangladeshita manerana izao tontolo izao:

* Politika: Nampiseho ny fanadihadiana nivoaka tao amin'ny Daily Star dia fa misalasala ny 53%-n'ny mpifidy ka nahatonga ny fiheverana ny fifidianan'ny taona 2007 ho tena mampisalasala. Nilaza i Nazim Farhan Chowdhury avy ao amin'ny Conversations with an Optimist fa izany no nitranga satria tsy matoky intsony ireo politisiana ny mpifidy. Manana fandalinana [1] mahaliana momba ny herijikan'ny antoko lehibe izy.

* Fiainana: Share the Magic ao amin'ny lohahevitra mamaivay hevitra [2] ao Bangladesh .

* Zon'Olombelona: Zubair ao amin'ny vondrona bilaogy Unheard Voices – Drishtipat nitaraina noho ny haratsian'ny fanararaotana ny mpanampy an-trano ary nitady fomba hanampiana azy ireo sy nanomboka hetsika fanentanana.

Niteraka [3] adihevitra be ny fitsarana tsy rariny an'i Salah Uddin Shoaib Choudhury tao Bangladesh. Manana famintinana [4] momba ireo fanehoan-kevitra avy amin'izao tontolo izao i Sepia Mutiny. Na dia izany aza dia mbola olona afaka i Mr. Chowdhury ary mahagaga fa mangina manoloana ny olana ny gazety ao an-toerana.

* Herisetra: Nitsikera [5] endrika feno herisetra tamin'ny hetsi-panoherana sy ny herisetra nataon'ny polisy tao Bangladesh i Nazim Farhan Chowdhury avy ao amin'ny Conversations with an Optimist. Niampanga ny fomba fitantanana ity toe-draharaha ity izy ary nanontany raha mbola hampiasa ny fahendren'i Gandhi sy ny Islamo ny Bangladeshita mba hametrahana ny famahana olana am-pilaminana.

* Kolikoly: Niady saina [6] i Mohammad Farhan Husain ao amin'ny Had I been in Voyager 1!!! tamin'ny lahatsoratra iray momba ny kolikoly ao Biman, mpandraharahan'ny fitaterana izay tsara laza ao Bangladesh .

* Sakafo: ” Ranna Khadyo Pushti ” nosoratan'i Siddiqua Kabir no bokin'ny fahandroan-tsakafo malaza indrindra ao Bangladesh. Manana dika mitovy amin'ity boky ity ao amin'ny arimoarany ireo Bangladeshita mpila ravinahitra maro. Nidera [7] ity boky ity i Ihtisham Kabir avy ao amin'ny blaogy Back to Bangladesh ary nilaza fa sady manampy any an-tanindrazana sy any ivelany izany.

Namoaka sary sasantsasany [8] ihany koa izy mampiseho ny sakafo matsiron'ny Iftar, izay amidy mandritra ny fotoan'ny Ramadany eny an-dalamben'i Dhaka.

* Fitsidihana: Manana sary mahafinaritra avy amin'ny fitsidihany tany Rangamati sy Bandarban [9] i Sanjoy Kumar , toerana mahafinaritra ho an'ny mpizaha tany any Bangladesh ireo toerana ireo.

* Lamaody: Misy fomba fitenenana hoe ‘ny akanjo no maharangahy’. Namakafaka [10] ireo lehilahy Bangladeshita amin'ny lamaodiny i Andrew Morris avy ao amin'ny Morris the Pen.

* Teknolojia: Nampahafantatra [11] i Asif ao amin'ny vondrona bilaogy Unheard Voices – Drishtipat fa nahavitra fampidirana lahatsoratra miisa 10.000  ny Wikipedia Bengali ary lasa fiteny faharoa any Azia Atsimo ny Bangla tamin'ny fanatanterahana izany.