- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou

Sokajy: Maoritania, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007)

Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [1] [teny frantsay] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity [2], resahan’ i Nadia ny fanapahankevitra “mahagaga” nikarakarana an'ireo fifidianana, noraisin'ny miaramila iray izay nanangona ny fahefana tamin-kery tao amin'io faritr'i Afrika io, izay tsy isian'ny tetezamita milamina mihitsy. Manao teny tsy loabody ihany koa amin'ny tranga ao anatin'ny sisan'i Maghreb sy ireo firenena afrikana ity lahatsoratra ity.

Amin'ny 11 martsa, mijere mankany andrefana
“Maoritania, fantatrao ilay firenena kely ao anatin'ny UMA, ery ambanin'i Maraoka. Izay mihitsy ka! Ilay firenena izay antsoin'ny rehetra hoe Oueld sy tsy haiko koa? Fantatrao amin'izay ny zavatra lazaiko?
Raha fintinina, ao anatin'io faritra kely io izay tsy nosainintsika mihitsy, miomana ny hiaina tranga ara-tantara iray ny olona. Amin'ny 11 Martsa ho avy izao no ho atao “ireo fifidianana filoham-pirenena”, tena izy (ho an'ireo izay tsy mahalala ny dikan'ity fitenenana ity, mijanona eo ambanin'ny ampinganareo, izay no tsara kokoa) […]

Mikarakara fitsapankevibahoaka mikasika ny lalàm-panorenana ny CMJD izay mampanan-kery ny fanafohezana ny fotoam-piasan'ny filoham-pirenena ho 5 taona sy ny fanavaozana azy ho indray mandeha ihany, ary koa ireo fifidianana ben'ny tanàna, solombavambahoaka ary loholona. Foanany ny andian-dalàna manelingelina an'ireo fepetra momba ny fananganana fikambanana, ireo famoriambahoaka sy ny fanehoankevitra, avelany ny helok'ireo mpanohitra nofonjaina ary mamela ny fiverenan'ireo hafa hody ao amin'ny firenena, faranany ny rafitra fanasivanana ary halalahany ny fanaovana gazety sy ny haino amanjery, havaoziny ny satan'ny fitsarana mba hanomezana antoka ny tsy fitanilàn'ireo mpitsara, apetrany amin'ny toerany ireo dingana sy lalàna mba hampihenana ny kolikoly, hamafisiny ny antontan-taratasy mikasika an'ireo fitantanambolam-panjakana, ary ahenany ny trosa ivelany. Ny tsara indrindra kanefa dia mbola mijanona ho ny fahagagana manaraka: 19 volana taorian'ny nitondrana ny firenena, “nisintaka” ny kolonely Ely Ould Mohamed Vall ary namela ny toerany ho an'ny mpandimby azy, izay hofidiana amin'ny volana martsa, ary miventy  mafy ny tsy maintsy ilàna ny tsy fitongilanana tanterak'ireo mpitondra amin'ity kihondàlana tsy azo ialàna ity […]

Eto i Nadia dia manondro izay nosoratany tamin'ity herinandro ity,  lahatsoratra iray tonga lafatra [3] mikasika ny “ampinga” miaro ny firenena (Tonizia) amin'ireo vaovao ratsy rehetra. Manao teny tsy loabody izy amin'ny matoandahatsoratry ny gazetim-pirenena sy amin'ny ampahany ofisialy omen'ny governemanta mikasika ny zavamisy eo amin'ny firenena.

“Ahoana a? Ianao ve mbola tsy mahalala? Saingy raha lazaiko anao, fa misy Ampinga Lehibe iray mipetraka eo ambonin'i Tonizia. Toy ny voajanahary, mifanaraka tsara mihitsy amin'ireo manodidina ny firenena ilay izy, nampiasàna sarintany tena mifanaraka tsara tamin'ny fotoana nametrahana azy!
[…]
Miaro an'ireo hevitra feno mahery setra ilay Amginga Lehibe. Saingy rehefa nahavita nandingana ny sisintany ireo olona sasantsasany ratsy saina, tsy dia tena teto no nahalalàna ny zavatra rehetra, satria eto izay lazaina rehetra dia tena izy sy milamina, tsy misy fanodinkodinana, tsy misy ny fitarihana olona amin'ny hevitry ny tena, tsy misy fahantrana, noho izany tsy misy loza. Ary avy eo iza no tsiratsiraina? ny toniziana iray, ara-pamaritana, dia tsy donto hanaiky an'izany!
[…]
Miaro amin'ireo krizy ara-toekarena ilsy Ampinga Lehibe. Raha vao tratrany ilay Ampinga, mibontsina ny isa, mitombo ireo tombontsoa, manjary betsaka ireo fandrosoana ary hanjary hitolagaga amin'ny fahombiazantsika ireo firenena hafa eto amin'ny faritra.

Miaro amin'ny hadalàn'ny olombelona ilay Ampinga Lehibe, ny olom-pirenena Toniziana rehetra dia tena mahira-tsaina ka fantany tsy isalasalana ny zavatra rehetra, manana fahatokisantena izy amin'ny zavatra tsirairay, satria ilay Ampinga no misarika sy manivana amin'ny toerany ireo fahalalàna rehetra mendrika ny ho azony, tsy ilaina vakiana, fantarina, na manao zavatra hafa afa tsy manararaotra ny fisian'io fitaovana mahagaga io izay mampitombo ny sainy.
Etsy andaniny, manana lafy ratsiny Ampinga Lehibe. Arakaraky ny hanatsaràna an'ireo sivana ao aminy, no nampidirana tsy nahy “biby ratsy” ho ao anatiny: sivana iray manohitra ny “fahatsapantena” …”

Tranga iray hafa tsy norakofana tao anaty Tunisphère (tontolombolongana Toniziana) ny tsingerintaona faharoa namonjana ny mpisolovava Mohamed Abbou tao Tonizia. Fiampangana diso taorian'ny nanehoany tsikera ny filoha, tao anaty lahatsoratra iray navoaka teo amin'ny aterineto, no nampidirana azy am-ponja. Mampahatsiahy an'io eo amin'ny blaoginy i Zizou de Djerba [4] [teny Frantsay].

“Tsiahy kely ho an'i Maître Mohamed Abbou. Voaheloka 3 taona sy tapany izy ary ankehitriny vao avy nahavita ny roa taona nigadrany.”

Samsoun [5]