Ahoana ny fomba nitehirizan'ny nasionalisma ny vakoka kristiana ôrthôdôksa tamin'ny vanim-potoana URSS

Nosoniavin'i Andrei Rublev sy Daniil Tcherny, sary famantarana ny Paska “Fidinana mankany amin'ny Helo” sy “Ny Fiakaran'i Maria” (1408-1410), Tranofitaratra Tretyakov, Moskoa. Sary azo ampiasaina maimaim-poana ao amin'ny Wikipedia.
Tsy manimba ny zavakanto ara-pivavahana mifandraika amin'ny kolontsaina ortodoksa fotsiny ny fitondrana komonista, raha jerena ireo sanganasa telo nahazo aina vaovao indray tato amin'ny aterineto.
Araka ny fijery diso miely any Andrefana, dia hoe nanery ny tsy finoana an'Andriamanitra tamin'ny vahoaka manontolo ny antoko komonista eo amin'ny fitondrana tany amin'ny faritra atsinanana amin'ny tapany faharoa tamin'ny taonjato faha-20. Raha ny marina, sarotra kokoa ny zava-misy ary tsy voatery hankahala ny antokom-pivavahana ny fitondrana sovietika, rehefa tsy manohitohina ny antoko eo amin'ny fitondrana izy ireo.
Ohatra, nandritra ny fampiroboroboana ny fotokevitra laika sy tamin'ny fandraisana ho fananam-pirenena ny fananan'ny mpitondra fivavahana, dia notakian'ny antoko komonista eoropeana amin'ny ankapobeny ny mpikambana ao aminy hanana fijery tsy mpino, ho takalon'ny fahazoana tombontsoa maro sy ny fahazoana ny laharam-pahefan'ny mpitondra.
Noho ny fiheverana fa ampahany tsy azo esorina amin'i rosia imperialy teo aloha ny fikambanana ara-pivavahana, dia iray amin'ireo ifotoran'i Firaisana Sovietika ny hampiorina ny tsy finoana an'andriamanitra eo amin'ny sehatry ny firenena. Tsy nanakana an'i Staline izany, izy izay te-hahazo ny fanohanan'ny Fiangonana Ortodoksa mba hanairana ny fitiavan-tanindrazana hiatrehana ireo Nazi mpanani-bohitra, hamarana tamin'ny taona 1941 ny politika fanenjehana ireo mpino nanomboka tamin'ny taona 1926. Vokatr'izany dia nisy ny fihavaozam-piainana ara-pivavahana tao amin'ny fiarahamonina Rosiana, sy fihavaozan'ny herim-panintonan'ny Fiangonana.
Taorian'ny Ady Lehibe Faharoa dia nahavita nampitony ny fombam-pivavahana ortodoksa ao aminy ny fitondrana komonista tany Eoropa Afovoany sy Atsinanana tamin'ny alalan'ny fampidirana mpitsikilo tao amin'ny ambaratongam-pitantanam-piangonana. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nikarakara endrika nasionalisma tony fihetsika ireo fitondrana ireo, izay mankatoa ny anjara toerana manan-tantara ananan'ny Fiangonana amin'ny fampijoroana ny firenena.
(Nanivaka kosa i Albania notantanin'i Enver Hoxha nanomboka tamin'ny taona 1946 ka hatramin'ny taona 1992, ilay mpanao didy jadona nitarika hatramin'ny taona 1985 nahafatesany, hetsika mahery setra hanafoana ny fiainana ara-pivavahana amin'ny alalan'ny fanakatonana ny toeram-pivavahana rehetra, mba hananganana “Ilay firenena voalohany tsy mino an'Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao.”)
Ny kanto ara-pivavahana voafaritra amin'ny fototra ideolojika vaovao
Nalaina ho fananam-panjakana, izany hoe nolazaina ho harem-pirenena sy tantanan'ny fanjakana, ireo kanto ara-pivavahana manana endrika tsara dia tsara. Novaina ho tranombakoka ny fiangonana sy ny moskea, ary novaina dika ho vakoka ara-kolotsaina ny hiram-pivavavahana.
Ohatra, tamin'ny alin'ny Paska tamin'ity taona ity, telo tapitrisa mahery ny isan'ny olona nijery sy nizara tao amin'ny youtube ny rakitra iray tamin'ny taona 1986 ny «Hiram-pideran'ny Kerobima» an'i Tchaïkovski notontosain'ny orkesitry ny minisiteran'ny kolontsaina sovietika (izay niasa tamin'ny taona 1971 ka hatramin'ny taona 1991)
Fa ho an'ny ankamaroan'ny fitondrana komonista, ny maritrano sy ny zavakanto fanehoana, mihoatra noho ny zavakanto ara-pivavahana hafa, ho heverina ho antim-pireharehana fitiavan-tanindrazana.
Izany dia nahatonga ny fisian'ny sanganasa toy ny “Andrei Rublev”. Nalaina avy amin'ny tantaram-piainan'i Andreï Roublev, Rosiana mpanao hosodoko tamin'ny taonjato faha-15 ity sarimihetsika mampihetsipo ity izay notontosain'i Andrey Tarkovsky tamin'ny taona 1966
Tsy vitan'ny mampiseho ny fiainana amin'ny maha mpanakanto fotsiny ihany ilay horonantsary fa miresaka ihany koa ireo olana toy ny kolikoly sy ny fivadihana ataon'ireo saranga mpitondra, ka ampifanandrinina amin'ny fiaretan'ny vahoaka rehefa misy fananiham-bohitry ny vahiny. Voasivana ilay horonan-tsary noho ny herisetra tafahoatra tao anatin'izany, indrindra fa ny habibiana amin'ny biby sy ireo soavaly miala aina eo anoloan'ny fakantsary. Na dia nahazo loka iraisampirenena aza ilay horonantsary dia nanemotra ny famoahana azy tao amin'ny firenena ny manam-pahefana sovietika. Milaza i Tarkovsky fa nahazo ny “tapany farany” izy. Nilaza izy fa nosafidiana hanapaka ny seho lava loatra ary “tsy dia misy dikany” mba hahatongavana amin'ny faharetana adiny telo sy fahefany.
Tamin'ny taona 2011 ny trano famokarana Mosfilm namoaka an-tserasera an'i «Andreï Roublev» tao amin'ny youtube ary amin'ny fidirana malalaka sy maimaim-poana aoanatin'ny fikendrena hampiditra azy ho ao anatin'ny klasikan'ny sarimihetsika rosiana.
Azo jerena ao amin'ny YouTube misy fizarana roa [fa tsy ny firenena rehetra no mahita azy], misy dikany amin'ny teny Anglisy, Frantsay, Alemà, Italiana, Portiogey, Espaniola ary Tiorka ity filman'i Andrei Tarkovsky ity.
«Andreï Roublev», fizarana voalohany.
«Andreï Roublev», fizarana faharoa.
Ohatra fahatelo, fampifangarona ny nentim-paharazana sy ny zava-baovao. Sarimiaina nivoaka tamin'ny 1971, “Ny ady tao Kerjenets” izay nataon'i Ivan Ivanov-Vano sy Yuri Norstein izay nalaina tamin'ny ny tononkalo sariohan'i Nikolai Rimsky-Korsakov. Mampiasa sary an-drindrina sy sary masina nanomboka taonjato faha-14 ka hatramin'ny taonjato faha-16 ilay sarimiaina. Nampiainina tamin'ny refy roa (deux dimensions) araka ny fomba hanetsehana marionety ireo sary an-drindrin'ny fiangonana ireo.
Eto indray isika afa-mahita ny taratry ny lohahevitra fitiavan-tanindrazana toy ny fifaharana sy ny tolona anoherana ny zioga vahiny (na Pechenègues izany, na Napoleon, na Hitler). Raha ny eto, fananiham-bohitra an'i Rus’ nataon'ireo mongol Tatars tamin'ny taonjato faha-13 (nijanona teo ambany ziogany hatramin'ny taona 1480 ny firenena) sy ny anganon'ny tanànan'i Kitèje izay natelin'ny rano tamin'ny fomba tsy fantatra teo am-panafihan'ny fahavalo.
Nampiasa ireo fanoharana ara-pivavahana izy mba hanairana ny fitiavan-tanindrazana. Ho amin'izay tanjona izay ohatra no nampidirana an'i Masina Maria mitrotro an'i Jesoa zazakely ho eo akaikin'ny mpiaro an'i Rosia. Nahazo fankasitrahana imbetsaka tamin'ireo fetibe isan-karazany ity sarimiaina ity, indrindra tany Eoropa Afovoany sy Atsinanana.
Ireo fironana nandritra ireo taona faramparany nikarakaràna ny fikarohana
Tsy any amin'ny firenena tandrefana ihany no mieritreritra fa voarara tanteraka ny fivavahana any amin'ireo firenena ao amin'ny vondrona komonista. Taorian'ny fianjeran'ny kominisma, tamin'ny taona 80 tamin'ny taonjato farany, dia fampianarana nampiroboroboan'ny ankavanana izany hevitra izany tany amin'ny ankamaroan'ny firenena niala tamin'ny komonisma. Ny fitomboan'ny herim-panintonan'ny mpitari-pivavahana tamin'ny resaka pôlitika tao amin'ireo fiarahamonina ireo no nitarika ny fandraràna ho an'ny mpahay tantara sy ny mpanao gazety ny hamolavola petra-kevitra mety ho fisian'ny fifanarahana teo amin'ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra fivavahana, tamin'ireo fitondrana teo aloha.
Na dia samy manana ny haavom-pangejana ny fahalalaham-pivavahana napetrany aza ny ideolojian'ireo fitondrana komonista, tsy niavaka tamin'ny firindra-keviny ireo fepetra noraisin'ny governemanta hampiharana io politika io. Ny zava-nisy, avy amin'ny fanatsoahan-kevitra mivaingana amin'izay mety hanampy azy ireo hijanonana eo amin'ny fitondrana ny fanapahan-kevitra. Ampiasain'ireo mpandrendri-bahoaka amin'izao fotoana izao izany fomba izay mampidi-doza ny demaokrasia izany, ary tsy mihevitra ny hampiroborobo ireo sangan'asa artistikan'ny fiangonana akory aza ny ankamaroan'izy ireo.
Mba tsy handokoana ny tabilao ho mainty sy fotsy mampifanohitra ny “mpampahory” sy ny “ampahoriana”, dia zava-dehibe, mba hahatakarana ny fomba fiasan'ny fanaovan-didy jadona, ny mandalina amin'ny antsipiriany ny fifandraisana mifaningotsingotra misy eo amin'ny fanjakana komonista sy ny fiangonana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...