Mamondrona ezaka i Shina mba hanakanana ny tsaho antserasera

Pikantsary avy amin'ny lahatsary fampiroboroboana nataon'i Piyao tao amin'ny Weibo. 

Mampivondrona ezaka mba hanakanana ny “tsaho” antserasera ao Shina ankehitriny ny sehatra vaovao tantanin'ny fanjakana.

Dingana iray manan-danja ho an'i Shina izany, izay mety heverina ho tsaho avokoa ny vaovao rehetra tsy avy amin'ny fantsom-panjakana ofisialy.

Hatramin'ny taona 2012, nametraka fepetra sy fanentanana maromaro mba hifehezana ny lahateny antserasera ny manampahefana Shinoa. Noterena hampihatra fitsipi-piarahamonina sy rafi-pitateram-botoaty natao hampihenana ny fielezan'ny tsaho sy ny vaovao diso ireo sehatra media sosialy lehibe.

Tamin'ny volana septambra 2013, navoaka ny “fitsipika ofisialy mifehy ny tsaho“, ka mety hiatrika sazy hatramin'ny fito taona an-tranomaizina noho ny famoahana vaovao tsy voamarina ireo mpiserasera aterineto malaza, raha efa nisy nahita in-5000 na efa nozaraina mihoatra ny in-500 izany vaovao tsy voamarina izany.

Araka ny tatitra momba ny fitaterana tsaho 2017 avy ao amin'ny WeChat, tambajotra sosialy malaza sady tranonkala fanaovana karajia ao Shina, namafa hafatra maherin'ny 500 tapitrisa izay noheverina fa honohono ny tranonkala tamin'ny taona 2017, ary nanasazy kaonty mihoatra ny 180.000 tao amin'ny WeChat noho ny fampielezana tsaho.

Tamin'ny volana jolay 2018, nahazo  tatitra 6,7 tapitrisa momba ny vaovao tsy ara-dalàna sy diso ireo mpanaramaso ny aterineto avy amin'ny fanjakana.

Saingy toa hitan'ny manampahefana fa mbola tsy ampy izany ezaka izany. Noho izany ny 29 Aogositra 2018, nametraka ny Piyao izy ireo, sehatra ofisialy ahitana hetsika famoretana ny “tsaho” sy ho fanandratana ny “fahamarinana” amin'ny aterineto.

Ampiantranoin'ny Komity Foibe misahana ny sehatra Antserasera ny Piyao, izay midika hoe “manaisotra ny tsaho” ary ampiasain'ny vaovao ofisialy Xinhua. Nampiditra angon-drakitra avy amin'ireo sehatra 40 hafa mpampiely tsaho ny sehatra, izay ahitana tranonkala iray sy fampiharana finday ary niteraka tahiry misy ireo tsaho tamin'ny tranga 30.000. Mandrisika ny vahoaka hametraka tatitra izany, ary koa hampiasa fitsikilovana hamantarana ny tsaho miely antserasera.

Rehefa nanangona sy nanadihady ny angon-drakitra misy ireo “tsaho”, naely tamin'ny alàlan'ny tranonkalan'ny sehatra sy ny fampiharana finday, ary koa ny kaontiny WeChat sy Weibo ny tatitra. Namoaka torolàlana ho an'ireo tranonkala haino aman-jery sosialy ihany koa ny manampahefana misahana ny sivana mba hanakanana izay vaovao lehibe.

Misy zoro isan-karazany ny sehatra, anisan'izany ny famoahana ofisialy avy amin'ny biraon'ny governemanta, ny valinteny avy hatrany avy amin'ny governemanta ao an-toerana, ny fanaraha-maso ny zava-misy amin'ny media, ny fanadihadiana ataon'ny manampahaizana sy ny loharanom-baovao (fitaovana) hanatsaharana ny tsaho.

Araka ny  tatitry ny Xinhua, ezaka niarahan'ny departemantan'ny governemanta 27 ny sehatra, anisan'izany ny Sekoly Foiben'ny Antoko, ary miara-miasa amin'ireo manam-pahaizana zato mahery momba ny media.

Ao amin'ny Weibo, izay tena voasivana be loatra, namerina ny hafatra avy amin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra momba ny Piyao. Ity ambany ity hafatra fiderana miavaka:

俗话说,“三人成虎”。我们的生活经常遭遇各种谣言,诸如“紫菜是塑料袋做的”、这些谣言侵犯个人隐私,制造社会恐慌,有的谣言借助网络实现病毒式传播,向网络谣言亮剑已经刻不容缓!

Misy ny fomba fiteny fa rehefa misy olona telo nilaza fa nisy tigra iray teny an-tsena, dia samy nandray izany tamim-pahamatorana avokoa ny rehetra. Matetika isika maheno tsaho eo amin'ny fiainantsika andavanandro, tahaka ny ahidrano vita plastika, sns. Nanitsakitsaka ny tsiambaratelon'ny tsirairay ny tsaho ary mamorona tahotra ara-sosialy. Ny tsaho sasany nanjary nalaza an-tserasera ka mandranitra ny sabatra izahay mba hanasaziana ny tsaho an-tserasera.

Saingy nilaza ny Radio Free Asia fa matetika mahakasika ny fampahalalam-baovao saro-pady ara-politika izay voaporofo fa marina ny tena famaritana ny atao hoe “tsaho” any Shina. Atoa Yuan nanoratra hoe:

从中国的现实情况来看,政府严加打击的一部分谣言通常是“遥遥领先”的“预言”…像薄熙来事件、周永康事件。当时传言北京政变。还有令计划儿子(令谷)车祸死亡的事情。

Ao Shina, ny sasantsasany amin'ireo antsoina hoe “tsaho” dia “faminaniana” momba ny zava-misy [izay tsy voalaza tamin'ny fampahalalam-baovao ofisialy] … Tahaka ny tranga Bo Xilai, ny tranga Zhou Yongkang [talohan'ny tatitra ofisialy] misy ny tsaho momba ny fanonganam-panjakana. Ary koa ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny zanakalahin'i Ling Jihua [niely tao amin'ny aterineto ihany koa ny vaovao].

Mihevitra i Yuan fa hanamafy ny fanaraha-maso ny fahamarinan-toerana ny sehatra vaovao:

一个是中共高层斗争比较激烈,政治八卦特别多。政府可能想从这方面引导一下。再一个社会矛盾激化,各种事情层出不穷。好像最近昆山砍人、老兵群体维权、还有P2P暴雷。这些维权事件特别多。(当局)有点控制不住,就想引导舆论。

Tena matotra ny ady anatiny ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ary mitohy miely antserasera ireo resabe ara-politika mahaliana. Mety te-hiatrika izany ny governemanta. Ankoatra izay, nihamafy ny fifandonana ara-tsosialy ary mitohy miseho hatrany ny trangan-javatra, toy ny tranga fiarovan-tena tamin'ny fanindromana antsy vao haingana tao Kunshan, ny fihetsiketsehan'ireo miaramila menavazana sy ny fitarainana ara-tsosialy taorian'ny firodanan'ny sehatra [fi]fampindramam-bola P2P[eo amin'ny samy olona]. Tsy nahafehy intsony ny manampahefana ka te-hampita izany.

Satria misy sehatra vitsivitsy am-polony mpandrava tsaho ary efa misoroka tsy hanao fanehoan-kevitra mitsikera sy hizara vaovao saro-pady ara-politika antserasera ny ankamaroan'ny mpiserasera Shinoa, maro no misalasala mikasika ny fahombiazan'ny sehatra iraisana.

Ny sasany kosa mandray ny vaovao ho toy ny vazivazy, tahaka an'i @guobaoj avy amin'ny Twitter:

Vondron'olona hafahafa loatra ny Antoko Komonista Shinoa. Nanangana sehatra famoretana tsaho izy ireo ankehitriny, tahaka ny vazivazy izany. Nanely tsaho nandritra ny taompolo maro ny CCP, fahombiazana lehibe sy voninahitra nihoatra an'i Grande-Bretagne sy Etazonia. Namitaka ny vahoaka Shinoa rehetra izy ireo, ahoana no ahafahan'izy ireo hanasazy ny tsaho? Eo ambany fifehezanao ny aterineto, notapahanao ny tendan'ny vahoaka ary tsy afaka miteny intsony izy ireo, iza no afaka mamokatra tsaho hosazianareo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.