Nepal: Rakotr'i Moriarty i Prachanda

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2006)

Tato anatin'ny roa herinandro lasa, nomen'ny tontolon'ny bilaogy Nepaley sehatra be loatra i Moriarty, masoivoho amerikàna, izay nanao kabary iray manandanja nampitandrina ireo antoko politika mba hijery tsara rehefa miresaka amin'ireo Maoista. Nanoratra lahatsoratra iray ihany koa izy ho an'izay zavatra izay ihany, tao anatin'ny Asian Wall Street Journal. Andro vitsy monja talohan'ny nanaovan'ilay filoha faratampon'ny Maoista, Prachanda, antsafa telo goavana, iray ho an'ny gazety nepaley sangany mpiseho isanandro, iray ho an'ny gazety indiàna sangany mpiseho isanandro, ary ny fahatelo ho an'ny BBC. Niteraka vaovao betsaka izany. Saingy tonga avy any i Moriarty taorian'izay ary nandrakotra tanteraka an'i Moriarty.

Democracy For Nepal (DFN) milaza fa nifampiresaka ilay masoivoho sy ireo antoko talohan'izao: Moriarty anaty Lasopy, Baburam Moriarty Debate, India, Europe, US Mitaky Antenimiera Fanorenana, Moriarty Mendrika Hohenoinareo. Ny DFN koa manana rakitsary eo amin'ny 40 minitra eo, avy amin'ny fandaharana resadresaka tao New York City nisy fandraisam-pitenenan'ilay Nepaley mpanao gazety sangany, Kanak Mani Dixit, sy ny mpamaly resaka avy amin'ny ICG, Rhoderick Chalmers.

United We Blog (UWB) manana tarehimarika vitsivitsy amin'ireo fanafihana avy eny an'habakabaka niseho tsy ela akory izay, nataon'ny Tafiky ny Mpanjaka Nepaley. Ireo mponina tsy manantsiny teny am-bohitra no mizaka ny tsy eran'ny ain'izy ireo vokatr'ireny fanafihana tsy misy dikany ireny: Fanafihana an'habakabaka: Sarin'ireo sisampaty, Ny Vokatry ny Baomba: Palpa, Bhairahawa, Sary Avy Amin'ny Fifandonana Tao Kavre.

Mero Sansar manohy amin'ny fandefasana bilaogin-dahatsary an'ilay hetsika.

Samudaya manana tantara mahaliana momba ny fanarenana indray ao anatin'ny toedraharaha taorian'ilay fifandonana. Mahabe fanantenana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.