- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Vazivazy momba ny amboara manerantany

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fanatanjahantena, Hehy, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)
UKRAINE WORLD CUP

“Nahazo fandresena telo izahay ary mbola misy telo sisa tavela … Alefa, Okraina!” – avy amin'ilay mpisera LJ lokizzz [1]

Toa nahatsikaiky ny vazivazy malaza momba ny zava-bita mahavariana sy tsy nampoizina tanteraka tamin'ny Amboara Manerantany tany Okraina – sy ny voina ara-bola naterak'izany ora vitsy lasa izay. Nandresy an'i Okraina avy eo i Italia tamin'ny ampaha-efa-dalana tao Hamburg. Tsy mampihomehy intsony avy eo ny vazivazy ho an'ny maro .

Mamaritra andianà fifanakalozana telegrama teo amin'ireo solontenan'ny ekipa Okrainiana sy ny manampahefanan'ny baolina kitra Okrainiana ary ny manampahefam-panjakana ny vazivazy, mifototra amin'ny fampanantenan'i Grigory Surkis, filohan'ny Federasionan'ny Baolina Kitra Okrainiana fa: araka ny filazany, hahazo 28,5 dolara tapitrisa – avy amin'ireo “mpanohana” ny ekipa- raha tafita amin'ny dingana famaranana ary mandresy.

Telo andro talohan'ny lalao farany nataon'i Okraina, nandefa ny vazivazy tao amin'ny bilaoginy  [2]ilay mpisera LJ katatonia-82 – izay ny sarin'ilay mpiandry tsato-kazo Oleksandr Shovkovsky, namonjy ny ekipa tamin'ny lalao nifanandrinana tamin'i Soisa, saingy tsy nahazo baolina telo androany alina ny sary famantarana azy ankehitriny:

Ten minutes before the end of the game against Tunisia.
Surkis to Demyanenko: “We are getting out of the group [.] Prize money's not a problem [.] Ukraine is what matters most to us [!]”
Demyanenko to Surkis: “Congratulations [!]”……..

Five minutes before the end of the game against Switzerland.
Surkis to Demyanenko: “We are moving on [.] I'll give Abram's [Chelsea owner Abramovich] money for Sheva [Andriy Shevchenko, no longer with Milan, recently sold to Chelsea] [.] Ukraine is what matters most to us [!]”
Demyanenko to Surkis: “I agree [!]”
……..

Three minutes before the end of the game with Italy.
Surkis to Demyanenko: “Whoa [!] What shall we do [?]”
Demyanenko to Surkis: “I'm selling Shatskikh Rodolfo Gavranchich Paramon right away [.] Ukraine is what matters most to us [!]”
Surkis to Demyanenko: “I agree [!]”
……..

Two minutes before the end of the game with Germany.
Surkis to Blokhin: “What the hell are you doing [?] We've run out of money [!]
Blokhin to Surkis: “Ukraine is what matters most to us [!]”
Akhmetov to Surkis: “Agree with Blokhin [.] Am selling Tymoshchuk and a dozen coal mines right away [.]”
Surkis to Akhmetov: “I owe you six points in the game with Shakhtar [.]”
Akhmetov to Surkis: “Ukraine is what matters most to us [!]”
………

One minute before the end of the game against Brazil.
Surkis, Demyanenko, Akhmetov, Tymoshenko, Yushchenko – to Ukraine's team: “Stop it [!] There's no more money left in the country [!]
Ukraine's team – to all: “Too late [!!!]”

Folo minitra talohan'ny hifaranan'ny lalao nifanandrinana tamin'i Tonizia.
Surkis amin'ny Demyanenko: “Tafavoaka ny vondrona ihany isika[.] Tsy olana ny loka ara-bola. Okraina no tena zava-dehibe indrindra amintsika [!]”
Demyanenko amin'i Surkis: “Arahabaina [!]” ……..

Dimy minitra alohan'ny hifaranan'ny lalao manoloana an'i Soisa.
Surkis amin'i Demyanenko: “Miroso isika. Hanome ny volan'i Abram [Abramovich tompon'i Chelsea] ho an'i Sheva [Andriy Shevchenko, tsy miaraka amin'i Milan intsony, namidy vao haingana tamin'i Chelsea] isika. Ny zava-dehibe indrindra amintsika dia i Okraina [ !] “
Demyanenko ho an'i Surkis: “Ekena [!]”
……..

Telo minitra talohan'ny nifaranan'ny lalao niaraka tamin'i Italia.
Surkis amin'i Demyanenko: ” [!] Inona no hataontsika [?]”
Demyanenko amin'i Surkis: “Mivarotra an'i Shatskikh Rodolfo Gavranchich Paramon izao dia izao aho [.] Ny zava-dehibe indrindra amintsika dia i Okraina [!]”
Surkis amin'i Demyanenko: “Ekena [!]”

Roa minitra talohan'ny nifaranan'ny lalao tamin'i Alemaina.
Surkis amin'i Blokhin: “Inona ity nataonareo [?] Tsy manambola isika
Blokhin amin'i Surkis: “Okraina no tena zava-dehibe amintsika”
Akhmetov ho an'i Surkis: “Miombon-kevitra amin'i Blokhin [.] Mivarotra an'i Tymoshchuk sy toby fitrandrahana arintany am-polony izao dieny izao aho [.]”
Surkis ho an'i Akhmetov: “Ananako teboka enina tamin'ny lalao niaraka tamin'i Shakhtar ianao [.]”
Akhmetov ho an'i Surkis: “Okraina no zava-dehibe indrindra amintsika [!]”
………

Iray minitra mialoha ny fiafaran'ny lalao nifanandrinana tamin'i Brezila.
Surkis, Demyanenko, Akhmetov, Tymoshenko, amin'ny ekipan'i Yushchenko : “Atsaharo [!] Tsy misy vola tavela intsony ato amin'ny firenena [!]
Ny ekipan'i Okraina – ho an'ny rehetra: “Tara loatra [!!!]”

Tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'ity lahatsoratra ity, ireto misy vazivazy roa:

viorela [3]: So, have broken up with Russia and Turkmenistan – no [cheap] gas, defeated Saudi Arabia and Tunisia – no [cheap] oil, either. “Swiss credits! This is our last chance!” mumbled Yushchenko nervously, as he was dialing Oleg Blokhin's number.

[…]

yanaka [4]:

- Won't it be fun if Ukraine gets into 1/4!!! Oh, we'll get our butts kicked by Italy…
– Yeah… And then the Germans will add some more kicks in 1/2!
– And in the final, we'll get some from Brazilians! And then we'll have to drag that cup home…

viorela [3]: Noho izany, nisaraka tamin'i Rosia sy Turkmenistan – tsy misy etona [mora], nandresy an'i Arabia Saodita sy Tonizia – tsy misy solika [mora] koa. “Ny trosan'i Soisa! Ity no vintana farany ho antsika!” hoy i Yushchenko ningonongonona tamim-pahatezerana no sady niantso ny laharana an-tariby an'i Oleg Blokhin.

[…]

yanaka [4]:

- Tsy ho mahafinaritra ve raha miditra amin'ny 1/4 i Okraina? Oh, ho [dakan’] avoakan'i Italia isika …
– Eny … Ary avy eo hanampy daka bebe kokoa amin'ny 1/2 ny Alemà!
– Ary amin'ny farany, hahazo sasantsasany avy amin'ny Breziliana isika! Ary avy eo tsy maintsy hitarika izany amboara izany any an-trano …

***

Namoaka ireo sary nalainy [5]tamin'ny findainy [5]tao Khreshchatyk, arabe afovoan'i Kiev, tamin'ny alina taorian'ny fandresen'i Okraina an'i Soisa [5]ity mpisera LJ katatonia-82 [6] ity ihany.

Ity ny fanehoan-kevitry ny bilaogera iray momba ny fankalazana tao an-drenivohitr'i Okraina tamin'iny alatsinainy/talata teo:

metalliova [7]: The city center was totally blocked by people, everyone was walking around, singing different songs and anthems, yelled “Shovkovsky,” “Ukraine.” The only thing this could be compared to were the first days of the [orange] revolution (only they were not drinking [alcohol] then).”

metalliova [7]: Voasakan'ny olona tanteraka ny afovoan-tanàna, nandehandeha teny ny rehetra, niventso hira sy hira faneva samihafa, nitabataba hoe “Shovkovsky”, “Okraina.” Ny hany zavatra azo ampitahaina amin'izany dia ny andro voalohany tamin'ny revolisiona [loranjy] (saingy tsy nisotro [alikaola] fotsiny). “