- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India : Fifidianana Solombavambahoaka Tamin'ny 2009, Fanentanana Tety Anaty Tambajotra

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Tao anaty lahatsoratro voalohany momba ny fandrakofana manokana ireo fifidianana solombavambahoaka indiàna 2009 [1] [teny anglisy, toy ireo bilaogy sy tranonkala tanisaina ato anaty lahatsoratra], nohalaliniko ny fomba ataon'ireo politisiana sy antoko politika indiàna nampiasàny ny aterineto sy ireo fitaovana fifandraisana finday nandritra ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana [2]. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, ho asehoko ny fomba nataon'ireo fiarahamonina sivily indiàna nampiasany ireo fitaovan'ny media vaovao mba hikarakarana ny fanentanana momba ny fanoratana anarana ny mpifidy sy mba hisian'ny mangarahara amin'ny fifidianana. Watch [3] (ny mpanaramaso ny fifidianana ao amin'ny firenena) izay ivondronan'ireo ONG 120 eo ambany fitantanan'ny Fikambanana ho an'ny fanavaozana demaokratika [4], dia mikatsaka ny hanatsara ny mangarahara ao anatin'ireo fifidianana indiàna, amin'ny famondronana ny torohay mikasika ireo faripifidianana, ny mpirotsaka hofidiana, ny fanombànana nataon'ireo mpifidy azy ireny. Kanefa, misedra olana ilay tranonkala, noho ny fampiasàna tsy araka ny tokony ho izy sy ny tsy fahampian'ireo angondrakitra (Live Mint [5])
Tanjon'ilay Fanentanana hanoherana ny fisian'ireo mpanao keloka bevava ara-politika [6] ny hiantohana ny tsy hanoloran'ny antoko politika amin'ireo fifidianana solombavambahoaka 2009, na iray aza, olona hofidiana nefa nanana tantara taminà heloka bevava.
Campaign for No Criminals in Politics [6]Miainga avy amin'ny fanambaràna nataon'ireo mpirotsaka hofidiana tamin'ny 2004 ny angondrakitra atolotr'ilay tranonkala. Manana vondrona mavitrika ao amin'ny Facebook [7] ilay fanentanana, misy mpikambana 5.000 raha kely indrindra, ary lahatsary roa fampahafantarana ireo hetsika ataony.

Bharat Votes [8] Facebook [9] Orkut [10] dia manana tanjona hanatsara ny fahalalana ireo dingana arahana rehefa misy fifidianana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna media (IBN Live [11]).
Tranonkala iray hafa “ho fanabeazana momba ny fifidianana” ny bilaogy  “Vote India” [12], izay nisarika tokoa ny saina  (jereo AFP sy [13]Washington Post) [14]. Misy fahavitrihana ihany koa ao amin'ny Twitter [15] sy ny tambajotra sosialy Orkut [16]. Ny lahatsary no ampiasainy ho fampahafantarana azy.

Voatanisa betsaka ny tranonkala Vote India momba ny toko faha-49(O) [17], ao anatin'izay inoako fa adihevitra mamitaka momba ny “fifidianana miiba”. Ny hevitra fonosiny dia ny hoe zon'ireo mpifidy ny mitaky fihodinana faharoa raha toa, tamin'ny nisafidianany ny “tsy misy na iray amin'ireo aza“, tsy nisy mpirotsaka na iray aza netinety tamin-dy zareo (DNA [18]/ Economic Times [19]/ Live Mint [20]/ Mid Day [21]). Misy imailaka mivezivezy sahady any milaza hadisoana manambara hoe efa misy io fepetra io. Marobe ireo bilaogera, toa an'i  Deva Prasad [22] sy Vimoh [23] no manohana io hevitra io sy mamaritra azy ho “singa manandanja ho an'ny fiovàna”. Manana mpikambana maherin'ny 100 ilay vondrona iray mankalaza io hevitra io ao amin'ny Facebook, [24] ary nahazo sonia mihoatra ny 100 ny fanangonantsonia [25] napetrany tety anaty tambajotra.
Marobe ireo tranonkala manokana, any an-tanandehibe sy ireo fanjakàna, no mifandrindra mba hanampiana ny mpifidy handeha hifidy sy hisafidy amin'ireo mpirotsaka hofidiana. Ny
SmartVote [26] sy  Bangalore Voter ID [27] ao Bengalore, Mumbai Votes [28] ao Mumbai, ary Future CM [29] any Andhra Pradesh no ohatra goavana vitsivitsy amin'ireo.


Mumbai Votes [28]

Misy sokajina tranonkala hafa manasa ny olompirenena ho aminà fifampiresahana sy fanaovana fanazarantena amin'ireo lohahevitra momba ny fanabeazana olompirenena; ny vondrom-piarahamonina an-tserasera no ampiasain-dry zareo mba ho mpitarika amin'ireo hetsika iraisana manaraka avy eo.
Ny Lords of Odds [30], izay mavitrika eo amin'ny tsenan'ny fampilokàna ara-panatanjahantena ao India, dia nanokatra tranonkala iray maka tàhaka ny rafitra fifidianana, antsoina hoe Manifesto [31], mba hampianarana ireo mpifidy hamorona ny programany ho an'ny fifidianana.

Lords of Odds Manifesto [31]Mihevitra aho hoe hevitra tsara ireo tranonkala sosialy momba ny fifidianana. Raha ny marina, volana telo lasa izay, niketrika hevitra hananganana iray ho ahy manokana aho tao amin'ny IndiaTalks [32]. Antenaiko mba hanomboka rantsana iray miavaka momba ny fifidianana ilay tranonkala NGOPost [33], izay manetsiketsika vondrona mpifidy iray momba ny fampandrosoana sosialy.

Te-hampiasa ireo fitaovana virtoaly ny Praja [34] mba hamoronana vondrom-piarahamonin'ireo olompirenena mandray andraikitra mety ho afaka mandray anjara aminà hetsika iombonana. Youth for Equality [35] te-hikarakara hetsika politika mba hialàna amin'ny rafitra misy fametrahana fatra isaky ny foko ao India. Wada Na Todo Abhiyan [36] te-hitaky fanazavana amin'ny governemanta momba ireo fampanantenana nataony ho hanafoanana ny fahantràna, ny fanilikilihana sosialy ary ny fanavakavahana. Change India [37], naorin'ilay nahazo ny Loka Lead India, Rajendra Misra, [38] te-hanangona ny angovon'ireo olompirenena amin'ny alàlan'ny fametrahana sehatra ifandrimbonana ety anaty sy ivelan'ny tambajotra, mba hamahàna ireo olana marobe lalovan'i India (vao haingana i Rajendra Misra no niditra tao amin'ny BJP, izay tsy mahatonga ny hetsika ataony ho tsy mitanila intsony (DNA [39]). India Banao [40] koa te-hanolotra sehatra iray ho an'ny tanora, mba handraisany anjara amin'ny raharaham-bahoaka. Ho an'ny maro amin'ireny tranonkala ireny, voafetra ny fandraisana anjara an-tambajotra, ary mampiahiahy ny fahafahan-dry zareo mikarakara hetsika mivaingana.
Misy sokajy iray hafa aminà tranonkala mihevitra ny mba ho loharano tsy azo dikaina amin'ny fahazoana vaovao sy fandalinana momba ireo fifidianana 2009.
IndiPepal
IndiPepal [41]
angamba no tena sahisahy be amin'ireo bilaogy ireo, araka ny filazan'ireo mpandalina marobe fantatra, saingy ireo tranonkala India Voting [42] (Indian Express [43]/ IBN Live [44]), Engage Voter [45], India Numbers [46] sy India Votes 2009 [47] koa dia manana votoaty manankarena be. Ireny tranonkala ireny anefa mifaninana mivantana amin'ireo tranonkala bitika maro natokana ho an'ireo fifidianana, an'ireo mpampahalala vaovao nahazatra – TOI [48], TOI Your Voice [49], DNA [50], The Hindu [51], Yahoo! [52], Yahoo! Your Manifesto [53], MSN [54], Rediff [55], NDTV [56] sy IBN Live [57] (mandalo amin'ny Sidin Vadukut ao amin'ny Live Mint [58]). Tamin'ny fomba miabo no nandraisan'ny tontolon'ny bolongana indiàna ireny hetsika santatra ireny, na dia voafetra ihany aza ny fiantraikan'izy ireny. Ohatra, ny tranonkala ‘Indian Homemaker’ [59] mihevitra hoe ireo fanentanana toy ny ‘Tsy Mila Mpanao Heloka Bevava‘ dia efa marika fa afaka mitondra fiovàna isika.

Rajiv Dingra ao amin'ny WATBlog [60] sy Preethi J ao amin'ny Medianama [61] dia nanao famintinana tsara ireny hetsika santatra ireny.

Farany, ireo fanentanana telo tena nahomby nataon'ny ‘fiarahamonina sivily’ ho an'ny fifidianana solombavambahoaka 2009 dia nahazo ny fanohanan'ireo orinasa: Lead India [62]/ Bleed India [63] tohanan'ny The Times of India [64], Jaago Re [65] tohanan'ny Tata Tea [66] ary My Idea [67] tohanan'ny Idea Cellular [68].