- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra Asongadina: Jillian York

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa nivoaka tamin'ny volana Novambra 2009)

Mamaritra ny tenany ho toy ny “mpanoratra, mpikatroka, mpiady amin'ny sivana an'aterineto sy bilaogera” i Jillian York [1]. Monina ao Boston izy ary miasa ao amin'ny Berkman Center for Internet & Society [2] ao amin'ny OpenNet Initiative [3] sy ny Herdict [4], tetikasa ifarimbonana iray mamantatra ireo tranonkala nakatona.

Manana bilaogy manokana [5] izy, ary manoratra matetika ao amin'ny Huffington Post [6], ary anisan'ny mpisera Twitter mavitrika [7]. Amin'ity resadresaka ity, manonona ny lahatsorany tamin'ny volana Septambra, “The Cupcake Revolution [8]” i Jillian.