- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kôngô (RDC): Tenimiafina hanavotra ny ainao

Sokajy: R.D. Kongo, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2007)

Araka ny bilaogy “Stood In The Congo [Ang]”, miharatsy ny toedraharaha ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô [1]: “Eny, miala tsiny aho, ry Neny, fa ny dikan'izany dia hoe tafaverina eto Rumangabo indray aho amin'izao fotoana izao. Toerana iray izay tsy maintsy mahafantatra ny tenimiafina ny olona tsirairay raha manify ny hifoha hahita masoandro ny ampitso maraina. Ho fampahafantarana anao fotsiny, ny tenimiafina halina dia ny hoe “trondro”, ary ny valiny dia ny hoe “madio”.”
Ndesanjo Macha

(Fanamarihana avy amin'ny mpandika: tsaroako ny tantara nolazain'ny rangahy iray fony izy namaky làlana tany ankodahoda – faritra be dahalo ao Madagasikara – niasa tao amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy izy tamin'izany fotoana. Nisy dahalo nenjehina tamin'ny angidimby avy tany lavitra tany ka rehefa tonga teo amin'izy roalahy mpamily ireny fiara vaventy fanaovana làlana ireny, dia namonjy nitsoraka tao anaty fotaka teo akaiky teo, ka ny orony sisa no navoakany ambony mba hiainany. Niangavy ireto roalahy izy mba tsy hanolotra azy amin'ireto mpanaradia, ary ho takalony kosa dia nomeny tenimiafina izy hamoha ny làlana rehetra lalovan'izy ireo raha sanatria ka misy dahalo manakana. Hay ity olona mila vonjy amin'izy ireo, tsy hafa fa ny lehiben'ireo dahalo mpangalatra omby tamin'izany fotoana izany, ireo nanao fehiloha mena. Isaky ny misy tokoa ary taty aoriana ny manakana azy ireo, dia misy mametraka fanontaniana foana, ary tsy maintsy valiana amin'ilay tenimiafina nomena azy ireo.  Efa ampolo taona maro no nisehoan'ity tantara ity, tany amin'ny manodidina ny 1975, na talohan'izay aza raha ny fitadidiako   )