- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

R.D. Kongo: Tsy ho ny farany ilay fianjerana fiaramanidina tao Kinshasa

Sokajy: Afrika Mainty, R.D. Kongo, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2007)

Cabiau ao Kinshasa (Du Cabiau à Kinshasa), bilaogin'ilay Belza monina ao R.D. Kongo, dia manoratra [1] momba ilay fianjerana fiaramanidina tamin'ny herinandro lasa tao Kimbanseke, tanànan mahantra sy tena be mponina ao Kinshasa.

Raha kely indrindra dia dimampolo teo ho eo ireo olona tradoza tamin'ilay fianjerana, ankoatra ireo ampolony maro naratra. Nanomboka teo, noroahana noho ny “tsy nahavitàna nandamina ny sehatry ny fifamoivoizana an'habakabaka” ny Minisitry ny Fitaterana.

Du Cabiau à Kinshasa mihevitra fa tsy azo nosorohana ilay loza :

Arivo avo heny ny finoana hisian'iny loza iny. Indrindra fa eo ny azo ambara ho tsy fisian'ny fotodrafitrasa mihitsy ety an-tanety (làlana, làlamby…), atao amin'ny fiaramanidina izay zavatra tena ilaina amin'ny fifanakalozana ao anatin'ny R.D. Kôngô. Ho anà firenena iray tena mahantra, manana fifamoivoizana an'habakabaka tena matevina. Marobe ireo orinasa tsy miankina misahana fitaterana an'habakabaka ary dia fasana an-jatony misidintsidina eny an-danitra eny araka izany. Isanandro isika mahita an'ireny razamben'ny fiaramanidina ireny, feno hipoka, miainga manafosafo marindrano eny ambonin'ireo trano fonenana. Tsy io fianjerana io no voalohany….ary tsy iny no ho farany

 Alex Engwete, [2]angoley bilaogera, manamarika hoe tsy maintsy nisy an'iny loza nahatsiravina iny vao mba voasarika nitodika ho any amin'ny R.D. Kôngô ny sain'izao tontolo izao.

CNN mampiseho sarin'ilay fiaramanidina kila forehitra tao Kinshasa. Sary mampihtesipo mahatsiravina, izay mampikoraraika ireo goavan'ny filazambaovao… ary misintona an-dry zareo amin'ny tsy firaharahiany tsotra izao ny R.D. Kôngô.

Jennifer Brea [3]