- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Senegal : Demba Dia, mpihira nirotsaka ho politisiana

Sokajy: Senegal, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2008)

Nambaran'ila senegaly mpihira, Demba Dia [1], ny fijoroan'ny antoko politikany manokana, ho fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny faripifidianana ao Dakar.

Tsarain'ny “Blog Politique au Senegal ” ho sarotra raisina ho zavatra matotra ilay firotsahan'i Dia  [2]:

…tsy milaza olona izy, tsy tezitra aman'olona na amin'inona na amin'inona ary tsy manana faniriana misavoan-danitra raha jerena ny fandaharanasa napetrany.

Avoakan'ny “Blog Politique au Senegal” ihany koa ity sary nitarina ity : “Rehefa mampihomehy ireo mpanao politika, mandeha ho azy ny hoe mba manao politika koa ireo mpampifaly vahoaka”

Mazava loatra, tsy maningana i Senegal amin'ny fahitàna mpisehatra, mpiangaly gadona rock, mpilalao baolina kitra mirotsaka manao politika. -maneho hevitra i Chrisou, mpamaky:

Tsy Senegaly aho…saingy tena mahafinaritra be ahy ilay afisy sy teny filamatra ! Azo atao mihitsy aza ny mandray azy any amin'ny firenena hafa maro…

Vitsy ny fampahafantarana an'i Demba Dia aty anaty serasera an-tambajotra, fa afa-tsy iray tamin'ireo rakikira an-tsary nataony tao amin'ny Youtube, napetraky ny mpampiasa iray izay manosotra an'i Demba Dia ho “mpanjakan'ny rock Mbalakh”

Navoakan'i  Jennifer Brea [3]