- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nomad Green: Miatrika ny fandrahonan'ny fiitaran'ny tany hay ny olon-tsotra tia manao gazety

Sokajy: Mediam-bahoaka, nomad green, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2011)

Amin'ny lahatsoratra androany isika hijery ny sasany amin'ireo tatitra avy amin'ireo mpiaro an-tserasera ny tontolo iainana ao Mongolia, izay nahazo fiofanana momba ny median'olon-tsotra avy amin'ny Nomad Green [1], nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices. Miresaka momba ny rikorikon'ny tany mihahay na mihatany efitra izy ireo ary manasongadina ny sasany amin'ireo mahery fo eo an-toerana izay miezaka mikajy ny tontolo iainana ao Mongolia.

Tsikaritra ny asan'ny Nomad Green. Manaraka azy ireo ao amin'ny Twitter [2] ny minisiteran'ny Voajanahary, ny tontolo iainana sy ny fizahantany.

Badamgarav nanoratra tamin'ny takelaka [3] (nadikan'i Solongo) fa niharan'ny fifindran'ny fasika izay niteraka haintany ny ankamaroan'ny faritra ao Mongolia.

1.6 million hectare of forest has been destroyed because of fire and human activities. It is obvious that territories can become desert quickly if there are no trees and plants. [..] Process of desertification has been increasing in residential areas, and 145 soums of Gobi region have been affected by sand movement in some way. So almost most part of Mongolia have been affected by desertification.

If desertification goes by this speed, in ten years Mongolia will become same like Arabian countries.

Ala mirefy 1,6 tapitrisa hekitara no rava noho ny afo sy ny asa ataon'ny olombelona. Miharihary fa mety ho lasa tany efitra ny faritany raha tsy misy hazo sy zavamaniry. [..] Mitombo any amin'ny faritra fonenana ny fizotry ny haingany, ary soums 145 ao amin'ny faritra Gobi no voakasiky ny hetsiky ny fasika. Noho izany, saika ny ankamaroan'ny faritra ao Mongolia no niharan'ny haintany.

Raha mandeha amin'izany hafainganana izany ny fiitaran'ny haintany, dia hitovy amin'ny firenena Arabo i Mongolia afaka folo taona.

Image courtesy Nomad Green [4]

Sary Nomad Green

Manontany [5] ny antony mahatonga ny Mongoliana ho afa-po amin'ny fivelomany mahantra ilay Botanista Dorjgotovariungerel (nadikan'i Ariungerel). Nanakiana ity bilaogera ity fa tsy mitaraina momba ny olan'izy ireo ny Mongoliana, izay mety ho araraotin'ny governemanta amin'ny filazana fa tsy misy tokony atahoran-dry zareo.

Nobody say anything for the election, as they play us and our livelihood is getting worse that is to be going on next how many years.

Tsy misy miteny na inona na inona amin'ny fifidianana, satria milalao antsika izy ireo ary miharatsy ny fivelomantsika izay hitohy mandritra ny taona maro manaraka.

Nanamarika  [6]ihany koa i Dorjgotovariungerel fa manadino mitafy Deel  [7]nentin-drazana ny Mongoliana, na izany aza, hita hatrany ao amin'ny firenena ny kolontsaina mitondra finday.

Manasongadina ireo maherifo eo an-toerana izay mandray anjara amin'ny famonjena ny tontolo iainana ao Mongolia ihany koa ireo olo-tsotra tia manao gazety.

Image courtesy Nomad Green [8]

Sary avy amin'ny Nomad Green

Asongadin’ [9]Dorjgotovariungerel (nadikan'i Ariungerel) ireo vondrom-behivavy mitondra seza misy kodiarana izay nampiofanin'i Byatshandai, lehiben'ny Fikambanan'ny Vehivavy Tantsaha Mongoliana, sy i Bayarsaikhan, agronoma. Nianatra ny fomba fampitomboana legioma any amin'ny sahan'izy ireo tsirairay avy sy hanomezana legioma organika ho an'ny fianakaviany izy ireo. Manolo kevitra [9]ity bilaogera ity fa afaka mividy voam-boninkazo sy zana-kazo any amin'izy ireo ho fanarenana ny saha fitrandrahana ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany.

Image courtesy Nomad Green [10]

Sary nampindramin'ny Nomad Green

Soritsoritan’ [11]i Dorjgotovariungerel ihany koa ilay mpiaro ny tontolo iainana sady Inspektera Euguzer Khutukhutu (masina). Khutukhtu (teraka tamin'ny 1869) dia nahazo mari-pahaizana avy amin'ny sekolin'ny Bodista, ary avy eo nanangana ny tempoly “Ono oglogt” tao an-tanindrazany ao Mendsaikhan.

He introduced two deers and two marmots into his hometown from Umnodelger soum of Khentii aimag. A male and a female marmots were from the south slope of Khuran and the two deers were from Khondlon khailast which is surrounded by elm forest that is unique in the Steppe. The introduced marmots can feed our five generation while introduced deers are now up to 300000.

Nampiditra serfa roa sy marimota roa avy any an-tendron'ny Umnodelger ao Khentii aimag tao an-tanindrazany izy. Avy any atsimon'i Khuran ireo marimota lahy sy vavy ary avy any Khondlon khailast izay voahodidin'ny ala elm tsy manam-paharoa ao amin'ny Steppe (tany lemaka) kosa ireo serfa roa. Afaka mamelona ny taranatsika dimy ireo marimota nampidirina raha tafakatra 300000 kosa ireo serfa.

Image Courtesy Nomad Green [12]

mpitazon-dalao 84 taona, sary nampindramin'ny Nomad Green

Otgonsuren Jargal kosa namoaka ny tafatafa  [13]niarahana tamin'ilay mpilalao baolina lavalava 84 taona izay nanjohy ny orsa Goby nandritra ny 20 taona tao an-tendrombohitra Segs Tsagaan Bogd. Ny resadresaka dia nalain'ireo olon-tsotra tia manao gazetin'ny Nomad Green.

The footprints of the cubs is unmistakable, very little and cute footprints they are. I heard that a Gobi bear gives birth to 1 cub every two years, so they are slow breeding animal.

Desertification is getting faster. Many rivers and lakes are drying. The herbs and graces are disappearing year by year. Once the greenery /herbs, plant/ is getting poorer and the wild animals are going to die from starvation or migrate to nother places.

I would like to say that we need to search any methods to make more the rains in the Gobi area. After a good rainy summer in Gobi the wild animals will have enough food for 2-3 years.

Tsy maintsy hitanao ireo dian-tongotr'ireo zanak'orsa ireo, kely sady mahafinaritra ireo dian-tongotra ireo. Naheno aho fa miteraka zanak'orsa iray isaky ny roa taona ny orsa Gobi, noho izany dia miadana ireo amin'ny fampinonoana biby.

Lasa haingana kokoa ny fiitaran'ny tany hay. Miharitra ny renirano sy ny farihy maro. Mihamanjavona isa-taona ny bozaka sy ny voninkazo. Raha vao mihavitsy ny zavamaitso/bozaka, dia mihavitsy ny zavamaniry ar ho fatin'ny hanoanana ny biby mpirenireny na hifindramonina any amin'ny toerana lavitra.

Te-hiteny aho hoe mila mitady fomba hafa isika hahabetsaka ny orana amin'ny faritr'i Gobi. Taorian'ny fahavaratra manorana tany Gobi dia hanana sakafo ampy mandritra ny 2-3 taona ny biby mpirenireny.

Nosoratan [14]‘i Narantsogt ny momba an'i D. Erdenedalai, lehilahy tanora Mongoliana iray te hamonjy ny tany.

Mamakia lahatsoratra hafa avy amin'ny tranonkalan'ny tetikasa [15] izay efa namoaka ny lahatsoratra faha-300. Vaovao tsara ho an'ny mpamaky iraisam-pirenena. Ankoatra ny dikan-teny Mongoliana, Anglisy sy Shinoa, ny lahatsoratra nomad Green dia misy amin'ny teny alemana [16] ihany koa.