- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rising Voices: Tamberin'ny taona 2010

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, nomad green, OLPC Orogoay, Vehivavy ao Minya-isanandro, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Desambra 2010)

Taona feno hetsika ho an'ny Rising Voices sy ny fiarahamoniny ny taona 2010. Voasambotra i Théophile Kouamouo, iray amin'ireo bilaogera malaza ao Afrika Miteny Frantsay sy mpitarika ny tetikasa Abidjan Blog Camps, izay nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices noho izy namoaka tatitra an-gazety [1]ary navotsotra [2] rehefa avy nigadra tapa-bolana tany am-ponja. HiperBarrio avy any Kolombia kosa no nandresy tamin'ny Loka ho an'ny Asa Fanaovan-gazety Voalohan'ny Fiarahamonina [3]natolotry ny Oniversite Antioquia tamin'ny sokajy sehatra Tranonkalam-piarahamonina tsara indrindra.

Nanao veloma [4] ho an'ny Talen'ny Fanentanana, David Sasaki [5] ny fiarahamonina ary niarahaba ny tale vaovao Eduardo Ávila [6].

[7]

Tamin'ity taona ity, nanome famatsiam-bola madinika hatramin'ny 2500 Euro ho an'ireo fikambanana telo tsy miankina amin'ny Fanjakana Ejypsiana [8] ny Rising Voices, izay fiarahamiasa tamin'ny Heinrich Böll Foundation mba hampiofana momba ny median'olon-tsotra ho an'ireo vondrona zara raha fantatra ao Ejypta mba ahafahan'izy ireo maneho ny hevitr'izy ireo.

Andeha jerentsika ankehtriny ny sasany amin'ireo vaovao lehibe momba ireo vondro-mpiarahamonina nahazo vatsy izay nasongadinay tao amin'ny tranonkalan'ny Rising Voices taona 2010.

Ireo bilaogera nasongadina:

Nandritra ny taona, nanadihady bilaogera avy amin'ny tetikasa Rising Voicese isan-karazany izahay ka ity ny lisitr'izy ireo.

Shinetsetseg (Shinee) Sukhbaatar [9]

Shinetsetseg (Shinee) Sukhbaatar

Ireo nahazo vatsy vaovao tamin'ny taona 2010:

Barcamps sy Fihaonambe:

Otgonsuren Jargal presenting Nomad Green. Image by Krzysztof Pawliszak/GV. CC BY [27]

Otgonsuren Jargal mampahafantatra ny Nomad Green nandritra ny Vovonana Global Voices Citizen Media 2010 tao Shily. Sary avy amin'i Krzysztof Pawliszak/GV. CC BY

Natao tamin'ny volana Mey tao amin'ny Tranombokim-panjakana Santiago tao an-drenivohitr'i Shily ny Vovonan'ny Global Voices Citizen Media 2010 [28]. Tetikasa Rising Voices efatra [29] no nampahafantarina nandritra ny roa andron'ny vovonana. Ity ny tatitra misy ny fizarana roa (Fizarana 1 [30], Fizarana 2 [31]) manasongadina ny fampahafantarana sy ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpikambana nanatrika ny fihaonambe.

Photo of Catalina Restrepo speaking at BarCamp Santa Cruz. Photo used with permission by BarCampSCZ. [32]

Sarin'i Catalina Restrepo mandray fitenenana ao amin'ny BarCamp Santa Cruz. Sary nahazoana alalana avy amin'ny BarCampSCZ.

Nasaina handray fitenenana [33] tao amin'ny BarCamp Santa Cruz [34], Bolivia tamin'ny volana Janoary i Catalina Restrepo ao amin'ny tetikasa HiperBarrio [35] ao Medellín, Kolombia. Nanasongadina an'i Hugo Miranda ao amin'ny Voces Bolivianas [36] avy ao Bolivia ihany koa ny hetsika.

Tamin'ity taona ity, nasaina tao amin'ny Campus Party tao Colombia [37] ireo mpikambana ao amin'ny HiperBarrio ary nasaina nanao zavatra hafa, mampiasa kamerà mba handrakitra ny hetsika tamin'ny CampusBlog.

Fifaninanana:

[38]
Tamin'ny Febroary, nambara [39]ny Bilaogy Malagasy Tsara Indrindra taona 2009 (BOMBS). Nahazo ny loka ireo bilaogera maromaro avy amin'ny FOKO [40], nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices tao Madagasikara.

Fankaherezana ny vehivavy:

Noho ny fanampian'ny vatsy avy amin'ny Rising Voices, mampianatra bilaogy ho an'ireo vehivavy mpanao politika, mpikatroka sy mpiasan'ny zon'olombelona ao Yemen ny tetikasa“ Fankaherezana ny Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknika Media [41]mba hitondra azy ireo eo amin'ny resadresaka manerantany.

[42]Ghaida'a Al Absi, mpitarika ny tetikasa nilaza [43] hoe: “ny tetikasa EWAMT dia tahaka ny labozia miaraka amin'ny labozia hafa, izay manazava ny haizina ao Yemen”.

Bilaogera Ahmad Awadalla ao amin'ny tetikasa “Manavatsava ny Fady” kosa mitarika atrikasa fanabeazana momba ny firaisana ara-nofo ao Ejypta ary nanoratra momba [44] ireo adihevitra mikasika ny lohahevitra (Famotsirana ny Vehivavy) tamin'ny mpianany.

Ny fiteny:

jaqi aru screen shot [45]

Ruben Hilary ao amin'ny tetikasa Voces Bolivianas, miaraka amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo sasany ao El Alto, Bolivia, kosa nametraka vondrom-piarahamonina virtoaly [46] Jaqi Aru. Ny tanjon'ny tranonkala Jaqi Aru [47] dia manasongadina sy manaparitaka ny fiteny Aymara ao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny famoronana votoaty media nomerika, izay ahitana fandikan-teny, fampiasana media marolafy sy fitaovana media sosialy.

Kolontsaina, Dia sy Fomba fiaina:

Bus shaped balloon at the Festival de globos de La Loma 2010 [48]

Fiara fitaterana amin'ny endrika balaonina tamin'ny Fetiben'ny globos de la Loma 2010.

Nizara sary sy lahatsary sasany misy ny fetibe balaonina tao La Loma [49] (Fetiben'ny globos de La Loma 2010) ireo olon-tsotra tia manao gazety avy amin'ny Hiperbarrio, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.

Olon-tsotra mpanao gazety sivy avy amin'ny Nomad Green ao Mongolia no nitsidika an'i Taiwan [50] mba hahafantatra bebe kokoa momba ny olana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ary ny kolontsaina ao Taiwan ary nahazo fiofanana momba ny mediam-bahoaka.

Faharetana:

[51]Nahazo ny famantarana azy ara-dalàna ho toy ny fikambanana tsy mitady tombontsoa ihany [52]ny Hiperbarrio avy ao Kolombia nony farany. Ahafahan'ny fikambanana mivoatra hatrany izany satria mety ho karamain'ny ivon-toeram-panjakana na tsy miankina izy ireo amin'ny hetsika fanentanana. Araka ny fifanarahana teo amin'ny EPM Foundation Network sy ny HiperBarrio avy ao Kolombia, natomboka tamin'ny taona 2010 ny hetsika fanentanana momba ny mediam-bahoaka tao amin'ny vondrom-piarahamonina 3 vaovao tao amin'ny tranom-boky 3 tao Medellín (Villatina, La Esperanza ary EPM) [53].

Nomen'ny W.K. Kellogg Foundation vatsy 10.000 dolara mba hanomboka fitaovam-piadiana (sampana) vaovao antsoina hoe Ceasefire (Fampitsaharana Ady) [54] ny tetikasa Ceasefire Liberia. Izany tetikasa izany dia hifantoka amin'ny famoronana tetikasa median'olon-tsotra ho an'ny Afrikana mpifindra monina sy ny tanora Afrikana-Amerikana ao amin'ny nosy Staten mifototra amin'ny maodely Ceasefire Liberia.

Noho ireo bilaogera avy amin'ny tetikasa samihafa amin'ny Rising Voices, afaka mamaky tantara marobe avy ao Liberia [55], Madagasikara [56], Cote d'Ivoire [57], Mongolia [58], Romania [59], Kolombia [60], Yemen [61], Repoblikan'i Kongo [62], Ejypta [63], Kenya [64], Bolivia [65], Okraina [66], Orogoay [67], sns isika. Nisy koa ireo bilaogeran'ny Rising Voices sasany nandray anjara sy nanampy tamin'ny hetsika Blog Action Day 2010 [68] sy ny One Day On Earth [69]. Manantena handre feo amin'izy ireo hatrany izahay. Ny ‘Fampahafantarana ny Toro-lalana Global Citizen Media’ kosa dia efa nadika [70] tamin'ny teny Makedoniana sy Albaney.

Maniry taona 2011 feno hafaliana sy fitahiana ho an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Rising Voices sy ireo mpamaky azy izahay.