Indonezia: Namely an'i Indonezia ny horohorontany, re hatrany Singapaoro sy Bangkok

(Marihina fa tamin'ny 12 Septambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Horohorontany iray nahatratra 7,9 tamin'ny refy Richter no namely ny akaikin'ny Nosy Sumatra tany Indonezia. Nandefa fampitandremana ny mety hisian'ny tsunami ireo manampahefana ao Malezia, Indonezia ary India. Nibilaogy momba ireo horohorontany ren'izy ireo ny tany Azia Atsimo Atsinanana.

Nanoratra avy any Bangkok i Sunny

The effect was felt in some high rises in Bangkok, people in Silom
rushed out of their office buildings. Some even felt the water rising
in Saen Saeb Canal.I felt nothing about the quake, but I heard some friends saying there is heavy traffic on Silom road.

Tsapa tany amin'ireo tranobe avo tany Bangkok ny fiantraikany, nihazakazaka nivoaka ny biraony tao amin'ny tranobe ireo olona tao Silom. Ny sasany aza dia nahatsapa ny fisondrotry ny rano mihitsy tao amin'ny Lakan-dranon'i Saen Saeb. Tsy nahare na inona na inona momba ilay horohorontany aho, saingy naheno ireo namana sasantsasany nilaza fa maro ny fiara nifamoivoy teny an-dalamben'i Silom.

Nahatsapa i XXing fa nihovitrovitra ny tranony tany Singapaoro

just experienced the whole block of my flat shaking 30 minutes ago!
Around 7.14pm, and last for around 2 minutes? This time, the shake is
more fierce than last time! Wonder which country is having such a
tremor earthquake?

Nandre ny tranoko iray manontolo nihovitra aho 30 minitra lasa izay!
Manodidina ny tamin'ny 7:14 hariva teo, ary naharitra 2 minitra teo ho eo? Tamin'ity indray mitoraka ity dia
vao mainka nihamafy kokoa ny fihovitrovitra noho ny tamin'ny farany! Manontany tena aho hoe iza ny firenena nisy izany horohorontany izany?

Nanoratra i Atoa Miyagi ao Singapaoro

This just in. Naomi thought the cat was under the sofa rocking it,
causing her to feel a little dizzy. Then we found the cat on his perch,
and so she asked me to sit on the sofa to feel it swaying a bit.
“Why ah?”, she asked. Being the professional bullshitter that I am, I said, “I think the seat of the sofa sits on the base in an unstable way.”
I sat on the other sofa, which didn’t “sit on a base in an unstable way”, and said, “No, this one don’t have”, and then, “eh? Got”.
For confirmation, we stared at a glass of water on the coffee table, and saw ripples.

Noheverin’ i Naomi fa tao ambany seza lava ny saka, nanetsiketsika izany
ka nahatonga azy ho fanina kely. Avy eo, hitanay ilay saka teo amin'ny hazo filalaovany ,
nantsoiny aho noho izany hipetraka eo amin'ny seza lava mba handre ny fihetsehany kely.
“Fa ahoana?”, hoy izy nanontany. Amin'ny maha rain'ny lainga matihanina ahy dia nilaza aho hoe: “Mety tsy mipetraka tsara ny tongotry ny seza lava .”
Nipetraka teo amin'ny seza lava hafa aho, izay tsy “nipetraka tsara tamin'ny tongony” , ary hoy aho hoe, “Tsia, tsy manao toy izany ity iray ity” , ary avy eo, “ah? Fantatro ny zava-nitranga”.
Ho fanamafisana izany, dia nodinihinay ny rano tao anaty vera teo ambony latabatra ary hitanay nisy onjany.

Thirty pounces , tany Singapaoro ihany koa, dia teo anoloan'ny solosainy raha nampihorohoro azy ny horohorontany

was sitting in front of my computer when I thought I was feeling dizzy.
Then I realised the room was moving – an inch to either side, a gentle
but rapid swaying. And then I was running out the door and downstairs
as fast as I could.7.9 scale quake in Indonesia. I couldn't
feel it when I got downstairs, but at the 17th floor, the swaying was
enough to terrify me.

nipetraka teo anoloan'ny solosaiko aho raha nahatsapa ho fanina .
Avy eo dia tsapako fa nihetsika ny efitrano – isaky ny zoron-trano, nihozongozona malefaka
saingy haingana. Ary avy eo dia nihazakazaka haingana nankeny amin'ny varavarana aho ary nidina ny tohatra nivoaka ny ambany rihana faran'izay haingana, horohorontany 7,9 tany Indonezia. Tsy nahatsapa izany aho rehefa nidina ny tohatra tany ambany, fa rehefa teo amin'ny rihana faha 17 dia lasa nampatahotra ahy ny hovitrovitra.

Nibilaogy momba ny horohorontany 5Xmom tany Penang, Malezia ihany koa ary tao amin'ny OngWeeWee

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.