- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera vehivavy manantalenta ampahafantarina any ivelany

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Desambra 2010)

Nandritra ny atrikasa famahanam-bilaogy vao haingana nokarakarain'ny Voces Bolivianas tao El Alto, Bolivia, namaly fanontaniana avy amin'ny iray tamin'ireo mpandray anjara i Cristina Quisbert [1]. Mifandraika amin'ny dian'i Cristina tany ivelany nanatrika Fihaonambe BlogHer tany Chicago, Illinois izay natao ny 24-25 Jolay 2009 ny fanontaniana. Satria nahazo Vatsim-pianarana ho an'ny Mpikatroka Iraisam-pirenena [2]ny iray tamin'ireo bilaogera vehivavy 5 iraisam-pirenena mba hanatrika ny hetsika, namporisihan'i Cristina indrindra ireo vehivavy mpandray anjara amin'ny atrikasa mba handray anjara amin'ny blaogy satria vitsy loatra ny vehivavy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Boliviana. Nizara tantara momba ny fomba nahazoany aingam-panahy avy amin'ireo vehivavy bilaogera izay nizara ny tantarany sy ny traikefany nandritra ny fihaonambe roa andro izy.

Cristina Quisbert at BlogHer Conference. Photo courtesy of Cristina Quisbert.

Cristina Quisbert ao amin'ny Fihaonambe BlogHer.  Sary avy amin'i Cristina Quisbert. 

Namariparitra ny zava-niainany tamin'ny bilaogy teny Anglisy  [3]i Cristina:

It is a month since I had the possibility to participate at BlogHer 2009 Conference that took place last July 24, 25 in Chicago and although it is a bit late I would like to share some thoughts about this event. (…) I have to say that for me, it was a complete surprise to see such a huge group of bloggers in the same place.

Iray volana izay no nahafahako nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny BlogHer 2009 izay natao tamin'ny 24 – 25 jolay tao Chicago ary na dia somary tara aza, dia te-hizara hevitra sasantsasany mikasika ity hetsika ity aho. (…) Tsy maintsy miteny aho fa ho ahy, dia fahagagana tanteraka ny nahita vondrona bilaogera goavana tao amin'izany toerana izany.

Ho an'i Cristina, mendrika ny hetsika ary mamintina izany izy hoe:

It was my first time to attend BlogHer Conference. To be there, meant to enrich my life and my knowledge.

Ity no fotoana voalohany nanatrehako ny Fihaonambe BlogHer. Midika fanatsarana ny fiainako sy ny fahalalako ny naha-tao ahy.

Nanambara ny BlogHer vao haingana fa hisy ny fanendrena vondrona manaraka ho an'ireo izay mpandresy ny Vatsim-pianaran'ny Mpikatroka Iraisam-pirenena [4]. Ireo mpandresy amin'ny Vatsim-pianarana 2010 dia hahazo fidirana amin'ny fihaonambe 2 andro amin'ny BlogHer '10, ary koa tapakila fiaramanidina mandroso sy miverina sy fikarakaraka ny fandraisana azy. Hanolotra ny asany koa izy ireo mandritra ny fifanakalozan-kevitra amin'ny fihaonambe.

Mikatona amin'ny 31 Janoary 2010 ny fanendrena.

Nanao ny dia iraisam-pirenena ihany koa ny vehivavy bilaogera manantalenta iray hafa avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Rising Voices mba hizara ny traikefany tamin'ny haino aman-jerin'olon-tsotra. Nasaina hiresaka tao amin'ny BarCamp Santa Cruz [5], Bolivia tamin'ny 16 Janoary 2010 i Catalina Restrepo [6] ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao Medellín, Kolombia. Nanoratra momba izany traikefa izany izy [7]:

Para mi, cada oportunidad de viajar es una oportunidad enorme de aprender. Participar de este evento no podía ser la excepción. Tal como prometía la programación, hubo cosas muy interesantes. A mí personalmente,lo que mas me agradó fue escuchar hablar Aymara (así fuera solo un ratico), y luego escuchar la experiencia de Jaqi Aru quienes desean «posicionar” esta lengua indígena en internet (teniendo en cuenta que es hablada por el 43% de la población boliviana)

Ho ahy, fotoana lehibe hianarana ny fahafahana mandeha lavitra. Tahaka izany ny fandraisana anjara amin'ity hetsika ity. Araka ny nampanantenain'ny fandaharana, nisy ireo lohahevitra maro mahaliana. Ho ahy manokana, ny zavatra tiako indrindra dia afaka nandre teny Aymara aho (na dia kely fotsiny aza), ary taorian'izay dia naheno ny traikefan'i Jaqi Aru, vondrona iray te-hametraka izany teny indizeny izany amin'ny aterineto (mahafantatra fa fiteny iray ampiasain'ny 43%-n'ny vahoaka Boliviana izany).

Photo of Catalina Restrepo speaking at BarCamp Santa Cruz. Photo used with permission by BarCampSCZ. [8]

Sarin'i Catalina Restrepo miteny ao amin'ny BarCamp Santa Cruz. Sary nahazoana alalana tamin'ny BarCampSCZ.

Nampiseho an'i Hugo Miranda [9] ao amin'ny Voces Bolivianas sy Claudio Ruiz [10], izay mitarika ny tetikasa Creative Commons ao Shily ihany koa ny hetsika.