- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cap Vert: Nahoana No Misondrotra Ny Vidin'ny Solika?

Sokajy: Cap Vert, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008)
fuel prices, no!Manontany tena ilay capverdiàna blaogera, Neu Lopes, [1] [amin'ny teny paortiogey] hoe nahoana no mbola mitohy misondrotra ny vidin'ny solika ao Cap Vert [2]. Nahitana 21% ny fisondrotana farany tamin'ny solitany fandrehitra, 15% ho an'ny soliky ny fiara, 10% ho an'ny diesel, ary 5% ho an'ny entona fandrehitra, ary ankehitriny dia miandry ny mety ho fiantraikan'izany amin'ireo vidin'entana hafa ny mponina, indrindra fa efa nambara ny ho fiakaran'ny saran'ny fitaterana, ny herinaratra sy ny rano. Ary nitranga ireo fiakarana rehetra ireo raha toa ny vidin'ny solitany kosa nitontongana [3] [amin'ny teny anglisy].

Segundo a ARE (Agência de Regulação Económica), “o lote importado que serve de base a esta tabela de preços foi adquirido quando os valores estavam ainda em alta”. Pergunto agora: se os valores estivessem baixos quando foi adquirido o referido lote, qual a garantia que os preços não ficariam mais elevados caso o contexto internacional fosse o contrário do actual? De qualquer forma os bolsos dos cabo-verdianos é que pagam tudo isso.

Araka ny voalazan'ny ARE [4] (Agence de Régulation Économique) [amin'ny teny paortiogey], “ny solitany nafarana, izay ampiasaina ho toy ny refy entina hitazonana ny vidiny, dia novidiana fony mbola ambony be ny vidiny”. Ankehitriny manontany tena aho hoe: raha ambany ny vidiny nividianana an'io solitany io, inona no antoka ananantsika fa tsy mbola ho ambony lavitra ihany ireo vidiny ireo raha toa ny zavamisy iraisam-pirenena mikasika an'io vidiny io hifanohitra amin'izay efa eo ankehitriny? Sady amin'izay indray, ireo Capverdiàna no mamoaka vola am-paosy.

Mametraka fanontaniana hafa i Ludgerocv [5] [amin'ny teny paortiogey] manao hoe:

Perco as estribeiras quando a ARE, em vez de fixar PREÇOS MÁXIMOS, apresenta preços obrigatórios. Onde diabo estamos nós? A ARE deu agora para patrocinar a formação de CARTEL? As duas petrolíferas compram os combustíveis ao mesmo preço, na mesma ocasião, os lotes chegam na mesma altura, têm as mesmas despesas, etc.? Como é que diante de uma importação de uma das petrolíferas, se obtêm dados para fixar preços de venda ao público válidos para ambas?

Manorisory ahy rehefa mametraka vidiny tsy maintsy tanterahina ny ARE fa tsy mametra ny vidiny TENA FARANY AMBONY, Fa aiza marina isika ity e? Sao an-dalam-panomezana vàhana ny fametrahana CARTEL iray ny ARE? Novidian'ireo roa mpamatsy solika ve ny solika tamin'ny vidiny mitovy ihany, tamin'ny fotoana mitovy, natao tamin'ny fotoana mitovy ve ny fitaterana, nitovy ve ny sandan'izany, sy ny sisa…? Fa nahoana no natao niainga tamin'ny vidin'ny an'ny iray tamin'ireo mpanafatra no namerana ny vidy ivarotana antsinjarany amin'ireo orinasa roa ireo?

Tamin'ny alalan'ny famoahana an'ireo vaovao mikasika ireo fihetsiketsehana fanoherana nokasaina hatao tao Paortogaly ny 27 septambra 2008 manohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana, manoratra i Redy Wilson Lima [6] [amin'ny teny paortiogey] fa tena efa fotoana izao ho an'ny mponina ao Cap Vert hanombohana miady amin'ireo fiakaran'ny vidin'entana ireo.

Não chegou a hora de passarmos à acção também em Cabo Verde invés de muitos bla, bla, bla? É que se continuarmos conformados, o Estado nunca parará de nos kasu bodiar.

Tsy fotoana ve izao hanaovana hetsika ihany koa ao Cap Vert fa tsy himenomenonana fotsiny? Raha manohy miaritra eo isika, mbola hanohy hangalatra amintsika foana ny Fanjakana.

Nisarika ny sain'ny Governemanta ny Nos Praia [7] [amin'ny teny paortiogey], tamin’ny 5 septambra 2008, mikasika ny filàna vahaolana maharitra. Tokony hitady fomba hampihenana ny fiankinandohany amin'ny solika i Cap Vert:

Vivemos num país extremamente pobre e que depende em larga escala da conjuntua externa pasa o se sustento. A nossa produção é “caseira” e tudo que comemos e bebemos vem de fora. Portanto, caros governantes, não obstante a especificidade do país e da economia mundial, é necessário criar alternativas à dependencia do petróleo. Não precisamos inventar a roda. Existem exemplos espalhados pelo mundo e basta sermos perspicazes para resolvermos os problemas desta terra.

Miaina ao anaty firenena iray tena mahantra isika, izay miankindoha tanteraka amin'ny ambin'izao tontolo izao mikasika ny famatsiana azy. Ao an-tokantrano ihany ny famokarantsika ary izay rehetra hanintsika sy sotrointsika dia avy any ivelany avokoa. Vokatr'izay, ry mpitondra malala, na eo aza ny mampiavaka ny firenentsika sy ny toekarena erantany, dia ilaina ny mamorona safidy hafa amin'ny fiankinantsika loha amin'ny solitany. Tsy mila mamorona kodiarana isika. Maro ireo ohatra eran'izao tontolo izao, fa ilaintsika fotsiny ny haranitantsaina  mba hamahàna ireo olana ao amin'io firenena io.