- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza: Mbola misalasala momba ny raharaham-pitsarana Khmer Rouge ireo bilaogera taorian'ny fifanarahana

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007)

Taorian'ny fanemorana hatrany tao amin'ny Lapan'ny Raharaha Tsy Mahazatra tao amin'ny Fitsarana Kambodza (ECCC's), tonga tamin'ny fifanarahana ihany ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanan'ny Mpisolovava Kambodziana (FMK) tamin'ny herinandro lasa teo mikasika ny fahafahan'ny FMK hisahana an-tsitrapo ny asan'ny mpampanoa lalàna ara-pitsarana. Na dia dingana iray mankany amin'ny tetezamitan'ny fiarovana ny Kambojiana ao amin'ny fitsarana aza izany, mbola miady hevitra momba ny hanombohan'ny tena fitsarana ny andry iraisam-pirenena sy ny governemanta Kambojiana.

Ho setrin'izany, mbola misalasala amin'ny fampanantenana fampihavanana ireo bilaogera Kambodziana.

Araka ny filazan'ny  [1]Details are Sketchy [2]tsy ho ampy mihitsy [1] ny ezaka ataon'ny ECCC amin'ny fanasitranana ny ratra-tsaina mijanona eo amin'ny fiarahamonina Khmer. Ny fitsarana dia tokony ho raisina toy ny hetsika ara-pitsarana fotsiny ihany, fa tsy endrika fitsaboana ara-pihetseham-po ho an'ny niharam-boina.

Can a trial at this late stage ever hope to ease such venomous hatred? Probably not. For all the KRT hopes to contribute, it will never be able to completely slay the demons of Cambodia’s past. Only time can do that.

Afaka manantena hanamaivana ny fankahalàna masiaka ve ny fitsarana amin'ity dingana tratra aoriana ity? Angamba tsia. Ho an'ny KRT rehetra manantena ny handray anjara, tsy ho afaka hamono tanteraka ny devoly lasan'i Kambodza izy. Ny fotoana ihany no afaka manao izany.

Nanamarika ny KI Media, manonona mpanoratra iray ao amin'ny Stanford Review, Allison Rhines, fa dingana kely fotsiny [3]mankany amin'ny fifanarahana lehibe kokoa momba ny fitsarana ity fifanarahana ity, ary mbola resahana ny tena olana maika kokoa.

The registration fee dispute has been only one in a long string of many minor issues that have stalled progress toward an international trial for the last decade. Agreement on whether to organize a court to try the leaders of the Khmer Rouge was reached only in 2003, at the culmination of five years and eleven rounds of negotiations. Last summer, the UN officially allotted three years for the undertaking; almost a full year of that time has already been spent on bureaucratic hang-ups.

Ny adihevitra momba ny fisoratana anarana maimaim-paoana no hany lohahevitra lava be momba ireo olana madinidinika izay nampihisatra ny fandrosoana teo amin'ny fitsarana iraisam-pirenena nandritra ny folo taona lasa. Tamin'ny taona 2003 vao tratra ny fifanarahana momba ny fandaminana fitsarana iray hitsara ireo mpitarika ny Khmer Rouge, nandany dimy taona sy andiana fifanaharahana iraika ambin'ny folo. Tamin'ny fahavaratra lasa, nanome alalana telo taona tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny fananganana ny ONU; efa ho ny herintaona feno tamin'izany fotoana izany no efa lany tamin'ny resadresaka am-birao.

Nanamarika tetikady “mihisatra” eo amin'ny governemantan'i Kambodza ihany koa ny Rhine- angamba iray amin'ny tetikadin'ny manampahefanan'ny Khmer Rouge taloha ao amin'ny governemanta amin'izao fotoana izao mba hisorohana ny tamberin'andraikitra amin'ny heloka vitany. Manamafy koa izy fa manakana ny fizorana ara-drariny mankany amin'ny fampihavanana ny kabary politika miresaka “fitsarana” [rariny].

Since this latest milestone, all sides have publicly stated their commitment to justice; however, in the face of continued bureaucratic and political maneuvering, it is unclear just how genuine their commitments are.

Hatramin'ity dingana farany ity, nanambara ampahibemaso ny fahavononany ho an'ny rariny ny antoko rehetra; Na izany aza, manoloana ny fanodikodinana mitohy any anaty birao sy ara-politka, dia tsy mazava raha tena marina tokoa ny fahavononan'izy ireo.

Goavana ny asa hoavy: midika fananganana lisitry ny lalàna maherin'ny 100 ny fivorian'ny ECCC sy ireo mpitsara iraisam-pirenena sy eo an-toerana, araka ny fanamarihan'i Stan Starygin [4], bilaogera momba ny fitsarana tamin'ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny Voice of America. Nanome toky ny vahoaka ilay mpitsara Kambodziana You Bunleng fa ny fifanakalozan-kevitra ho avy dia “fifanakalozan-kevitra ara-teknika” fotsiny, saingy mbola misalasala amin'ny hiafaran'izany adihevitra izany ny bilaogera.

Similar meetings have failed to reach full agreement on the rules, which are imperative for the functioning of the courts. The latest round of talks only became possible after the Cambodian Bar Association relented on high fees for the participation of foreign lawyers, which had caused the UN-appointed international jurists to cancel a meeting at the end of May.

Tsy nahomby tamin'ny fahatrarana fifanarahana feno momba ireo fitsipika ny fivoriana hafa toy izany, fitsipika izay tsy maintsy ilaina amin'ny asam-pitsarana. Ny vitan'ny fifampiresahana farany dia ny fahafahan'ny fikambanan'ny mpisolovava Kambodziana nanaiky handoa sarany ambony amin'ny fandraisana anjaran'ny mpisolovava vahiny, izay niteraka ny fanafoanan'ireo mpitsara iraisam-pirenena notendren'ny Firenena Mikambana ny fivoriana tamin'ny faran'ny volana Mey.

Naneho hevitra [5] manohitra ny fanemorana tsy tapaka—angamba taratry ny fiarahan'ny governemanta amin'izao fotoana izao amin'ny fitondrana Khmer Rouge— ilay mpitarika mpanohitra ara-politika, Sam Rainsy, raha nilaza fa ny vahoaka Kambodziana dia mila fitsarana lehibe mba handrosoana. Araka ny filazan'i Rainsy, tsy hanjavona ny aloky ny vono olona tao Kambodza raha mbola eo ambany fahefan'ny CPP.

…I have a little hope that our current Khmer leaders are willing to allow the Khmer Rouge Tribunal to proceed fairly. It means that only democrats and people who are not linked to the Khmer Rouge crimes and are not absorbed in Khmer Rouge ideologies can urge for the proceedings of the tribunal for the prosecution of the former Khmer Rouge leaders whose hands are stained with blood of Khmer citizens to move forward with transparency.

… Kely fanantenana aho fa ny mpitarika an'i Khmer amin'izao fotoana dia vonona ny hamela ny Fitsarana ny Khmer Rouge hisahana ny raharaha amin'ny fomba marina. Midika izany fa ny demaokraty sy ny olona tsy manam-pifandraisana amin'ny heloky ny Khmer Rouge sy tsy tafiditra ao anatin'ny foto-kevitra Khmer Rouge no afaka manentana raharaham-pitsarana hanenjehana ireo mpitarika ny Khmer Rouge teo aloha feno ny ràn'ireo olom-pirenena Khmer ny tanan'izy ireo mba handrosoana mankany amin'ny mangarahara.

Mandeha ny fotoana ho an'ny fitsarana, hoy i Rainsy, kanefa ho faty tsy ho ela ny ankamaroan'ireo mpitarika ny Khmer Rouge efa antitra.