- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nomad Green: Ny fandotoan-drivotra mandritra ny ririnina any Mongolia

Sokajy: Mediam-bahoaka, nomad green, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 27 Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mongolian capital "Ulaanbaatar" is now known as “Utaanbaatar”, which means “city of dense smoke” [1]

Ny renivohitra Mongoliana ‘Ulaanbaatar’ nomena anarana hoe ‘Utaanbaatar’, izay midika hoe ‘tanàndehiben'ny zavo-tsetroka matevina’

Niatrika ririnina mafy ny Mongoliana tamin'ny taona 2010 [2] ary vao mainka niteraka olana ny fandotoan-drivotra avy amin'ny fatana sy ny fandoroana saribao ataon'ny orinasa. Nanasongadina ny fahasimban'ny tontolo iainana any Mongolia ireo mpanao gazety olon-tsotra avy ao amin'ny tetikasa Nomad Green [3] tohanan'ny Rising Voices . Nanoratra [1] i Optimus (nadikan'i Azaa tamin'ny teny Anglisy) fa lasa poizina misoko miadana ho an'ny mponina ny fandotoan-drivotra an-tanàndehiben'i Mongolia be mponina indrindra:

A big city atmosphere is crowded with tons of gases from cars and from the ger districts and it is affected by the suns infra-red rays. After this process the pollution gets worse.

The aftermath affects our physiology, such as breathing, eyesight shock and Asthma and heart problems. If this continues, the reasons for death will increase along with the diseases.

Feno setroka amin'ny taonina avy amin'ny fiara sy avy amin'ny fatan'ny  ‘tranolay’ ny tontolo iainana ao an-tanàndehibe ary misy fiantraikan'ny tara-masoandro (UV). Ary vao mainka miharatsy ny fandotoan-drivotra aorian'io dingana io.

Miantraika amin'ny toe-batantsika, toy ny fifohana, ny areti-maso ary ny fahasemporana (asthme) sy ny aretim-po ny vokatr'izany. Hitombo amin'ireo aretina [ireo] ny taham-pafatesana raha mitohy izany.

Nanamarika ny olana momba ny fitomboan'ny taha-pahafatesan'ny zaza ihany koa i Optimus :

So in order to have a baby, couples must plan the pregnancy period without crossing winter months. Or even temporary transfer to rural provinces.

Noho izany, tsy maintsy mikendry ny vohoka mba tsy handalo ririnina ny mpivady raha te hahazo zaza. Na mifindra any amin'ny faritany ambanivohitra vonjimaika mihitsy aza izy ireo.

A Ger camp in Mongolia. Image by Flickr user Neurmadic Aesthetic, used under a Creative Commons License [4]

Ny tobin'ny ‘tranolay’ ao Mongolia. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Neurmadic Aesthetic, nampiasana lisansa

Nanoratra avy any Ulaanbaatar, Mongolia [5] i Beth Ritchey ao amin'ny Bilaogy Kiva ary niresaka momba ny olana ateraky ny ‘Tranolay [6]‘ :

Currently around 60% of the population of Ulaanbaatar (the capital of Mongolia) lives in gers (a yurt-like structure heated by a central stove). Pollution is a big problem in Ulaanbaatar, especially in the winter when pollution levels increase substantially due to the extra coal and wood burned in the gers to keep warm. The World Bank estimates that 60% of the pollution in the city during the heating season is attributed to coal burned in the Ger Districts.

Tokotokony ho 60% -n'ny mponina ao Ulaanbaatar (renivohitr'i Mongolia) no mipetraka amin'ny tranolay  (hafanaina amin'ny fatana).  Olana goavana ao Ulaanbaatar ny fandotoan-drivotra, indrindra amin'ny ririnina satria mitombo be ny tahan'ny  fandotoan-drivotra vokatry ny saribao sy ny kitay dorana ao anaty tranolay mba hitazomana ny hafanana. Nanombana ny Banky Mondialy fa ny 60%-n'ny fandotoan-drivotra ao an-tanàndehibe mandritra ny vanim-potoana hiatrehana ny hatsiaka dia noho ny saribao nodorana ao amin'ny Distrikan'ny Tranolay.

The central stove inside a Jer. Image by Flickr user Feserc, used under a Creative Commons License [7]

Ny fatana eo afovoan'ny tranolay. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Feserc, nampiasana lisansa Creative Commons

Nanolotra ny karazam-bahaolana amin'ny famokarana hafananana mahomby miisa 3 izay afaka manome vahaolana amin'ity olana ity ihany koa i Beth.

Tsy ny fandotoan-drivotra no tena olana ao amin'ny firenena. Nanoratra [8]Gantsatsral.M fa (nadikan'i Mongoloo tamin'ny teny Anglisy) ny biby fiompin'izy ireo no hany fidiram-bola ho an'ny Mongoliana maro kanefa nanjary simba ny tanimbilona ary tandindonin-doza ireo biby fiompy:

Mongolia has 156.4 m hectare area, 112.8 m hectare out of which is pasture-land and haymaking area. Only the livestock husbandry sector manufactures 21% of gross domestic products and 80% of agricultural products, and provides 1/3 of the working force with work and produces products worth 627.3 billion tugrug.

Due to water point and settled areas in livestock over centralization, grazing capacity overrun 1.3-11.4 times more. As a result, this area is becoming impossible for herding animals. Mining companies don’t do remediation so the pasture-land also has been destroyed.

[..] The reason of pasture-land collapse is:

* Natural disaster
* Flood
* Drought
* The excess of pasture-land
* Ill disposed usage of it
* Greed of pasture-land usage
* Not to move because of water
* No remediation of mining
* Affect of pest
* The luck of water supply etc

 

Manana faritra mirefy 156,4 tapitrisa hekitara i Mongolia ary ny 112,8 tapitrisa hekitara amin'izany no tanimbilona na faritra hanamboarana mololo. Avy amin'ny sehatry ny fiompiana ny 21%-n'ny vokatra avy ao an-toerana ary 80% no avy amin'ny vokatry ny fambolena, ary ampiasaina amin'izany ny 1/3-n'ny mpiasa izay mamokatra vokatra mitentina 627,3 lavitrisa tugruk.

Noho ny faritra fakan-drano sy ny fanatobian-toerana ny biby fiompy maro dia miasa mihoatra ny 1,3-11,4 noho ny tokony ho izy ny faritry ny tanimbilona ho an'ny biby fiompy. Vokatr'izany, lasa sarotra ny fiompiana. Eo ihany koa ny fisian'ireo orinasa mpitrandraka izay tsy mihevitra ny hanarina ny tany nanaovana fitrandrahana ka nahatonga fahasimbana ihany koa ho an'ny tanimbilona .

[..] Ny antony nahatonga ny fahasimban'ny tanimbilona dia ny:

* Loza voajanahary
* Tondradrano
* Haintany
* Fahabetsahana be loatra ny tanimbilona
* Fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy
* Fampiasana tafahoatra ny tanimbilona
* Tsy fifindran-toerana noho ny rano
* Tsy fanarenana aorian'ny fitrandrahana
* Vokatry ny bibikely
* Tsy fahampian'ny famatsian-drano sns..

Nanoratra [9] ny antony mahafaty ny vorona noho ny taribin'ny herinaratra ao Mongolia i Airunbulag. Nandrisika ny hampitsaharana ny varotra voromahery ( ‘faucons’) ihany koa ilay bilaogera.

Nanoratra [10] momba ny (dikanteny nataon'i Shinee) fihazàna ny biby masin'i Mongolia – ny amboadia izay hanimbinan-taova mba hampiasana amin'ny fitsaboana i Gerelmaa :

When I called following one ad to sell wolf brain on the paper, someone replied me to come and take it. He said he would show me wolf skull to guarantee it. This kind of business is much successful near some biggest hospitals. Sellers advice you how to use its organs like decent doctors.

Rehefa niantso aho taorian'ny nahitako ny dokambarotra iray izay nivarotra atidohan'ny ambodia dia nisy olona namaly ahy mba ho tonga any aminy sy hividy izany. Nilaza tamiko izy fa hampisehoany ahy ny karandoha an'ilay ambodia mba hiantohana izany. Tena mandeha eo akaikin'ireny hopitaly lehibe indrindra ireny ity karazana varotra ity. Manoro hevitra anao ny fomba ampiasana ny taovan'ny ambodia toy ny dokotera rehetra ny mpivarotra .

Nanamarika ilay bilaogera:

Europeans and Americans annihilated their wolves, and we should not make same mistake.

Nofongorin'ny Eraopeana sy ny Amerikana ny amboadian'izy ireo ary tsy tokony hanao fahadisoana mitovy amin'izany isika.

Niresaka [11] momba (dikanteny nataon'i Shinee) ny olan'ny zon'ny mpiasa tompotany Mongoliana izay miasa any amin'ny sehatry ny asa mampidi-doza tsy hazahoan-karama sy ampiasana ny fanararaotana i Battuya .

Azonao vakiana ny loharanom-baovao hafa momba ny olana mifandraika amin'ny tontolo iainana ao Mongolia avy amin'ny bilaogin'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra  Nomad Green [12].