Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

28 Aogositra 2018

Tantara tamin'ny 28 Aogositra 2018

Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà

Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA), miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany ho tsy manaja ny fifanarahana mikasika ny fampitsaharana an'ireo habibiana. Na izany aza, voasoroka ny fahatapahana tanterak'ireo fifampiresahana...

Cap Vert: Nahoana No Misondrotra Ny Vidin'ny Solika?

Miaina ao anaty firenena iray tena mahantra isika, izay miankindoha tanteraka amin'ny ambin'izao tontolo izao mikasika ny famatsiana azy. Ao an-tokantrano ihany ny famokarantsika ary izay rehetra hanintsika sy sotrointsika dia avy any ivelany avokoa. Vokatr'izay, ry mpitondra malala, na eo aza ny mampiavaka ny firenentsika sy ny toekarena erantany,...

Ny fanabeazana sy ny foto-kevitra venezoelana

Mieritreritra izany firenena izany aho ary mahatsapa tahotra. Rehefa mandeha eny an-dàlambe maloto sy feno korontana ao Caracas aho, dia mijery ny manodidina ary tohina indray amin'ny endrik'i Chávez mijery ahy avy eny rehetra eny.

Kambodza: Mbola misalasala momba ny raharaham-pitsarana Khmer Rouge ireo bilaogera taorian'ny fifanarahana

Taorian'ny fanemorana hatrany tao amin'ny Efitrano Tsy Mahazatra tao amin'ny Fitsarana Kambodza (ECCC's), tonga tamin'ny fifanarahana ihany ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanan'ny Mpisolovava Kambodziana (FMK) tamin'ny herinandro lasa teo mikasika ny fahafahan'ny FMK hisahana ireo mpampanoa lalàna ara-pitsarana mpilatsaka an-tsitrapo.

Bilaogera vehivavy manantalenta ampahafantarina any ivelany

Nandritra ny atrikasa fitoraham-bilaogy vao haingana nokarakarain'ny Voces Bolivianas tao El Alto, Bolivia, namaly fanontaniana avy amin'ny iray tamin'ireo mpandray anjara i Cristina Quisbert. Mifandraika amin'ny dian'i Cristina tany ivelany mba hanatrika ny Fihaonambe BlogHer any Chicago, Illinois izay natao ny 24-25 Jolay 2009 ny fanontaniana.

Nomad Green: Ny fandotoan-drivotra mandritra ny ririnina any Mongolia

Niatrika ririnina mafy ny Mongoliana tamin'ny taona 2010 ary vao mainka niteraka olana ny fandotoan-drivotra avy amin'ny fatana sy ny fandoroana saribao ataon'ny orinasa . Nanasongadina ny fahasimban'ny tontolo iainana any Mongolia ireo mpanao gazety olon-tsotra avy ao amin'ny tetikasa Nomad Green.

[Karajia mivantana] Dingana manaraka ho an'ny tari-dalana fibilaogina miabo, 2 Desambra

Miaraha aminay azafady amin'ny 2 Desambra 2010 mba hanao karajia momba ny "tetikasa sy tari-dalana antserasera momba ny fibilaogina tsara. Hanomboka amin'ny 11 atoandro ny karajia, ary raisinay am-pifaliana avokoa izay mpandray anjara vaovao, ary koa ireo namana izay efa nandray anjara tamin'ny resadresaka manerantany.