- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany

Sokajy: Afrika Atsimo, Zimbaboe, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007)

Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra [1] ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay i Zimbaboe. Nisy ihany ny fiakaran'i Zimbaboe na dia atao hoe firenena manana ny toekarena mihemotra haingana indrindra sy manana ny fidanganam-piainana avo indrindra manerantany aza izy.

Tezitra, nizara ny fijeriny i Sokwanele : [2]

“Iray amin'ireo tokony hoheverina ny hoe ahoana ny ho ataon'i Zimbaboe mba hahavitàny manatrika ireo fihaonana ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana noho ireo famerana marobe tsy hahafahan'ny governemantan'i Mugabe mivoaka any ivelany noho ny tsy fanajan'ny governemantany ny zon'olombelona. Ary ahoana no namalian'ny masoivohon'iZimbaboe any amin'ny Firenena Mikambana, Boniface Chidyausiku, an'io olana io?
Tahaka izao: “Inona no idiran'ny fampandrosoana maharitra amin'ny zon'olombelona?”

Sorena fa hoe nanetry tena tamin'ny tsindry pôlitika [3] ny ekipa Aostraliana mpilalao cricket ary nanafoana ny diàny amin'ny Septambra ho ao Zimbaboe. Nijery ny tsara izay nety nivoaka tamin'ilay dià i Bev ao Kubatana. [4]

Mety tsy mandraharaha an'ito ireo Aostraliana, fa zavadehibe ny mamerina mijery hoe inona no tetika tsara indrindra, toy izay hiverina indray any amin'ny fanaovana jadon-tongotra hiantso fanaovana ankivy.

Ka inona izany no ho atao?

Raha mieritreritra hanao ankivy ny ekipa Aostraliana mpilalao cricket, dia nanaiky izany ry zareo fa afaka mifangaro ny pôlitika sy ny fanatajahantena. Ka angamba mety misy tombony kokoa ho an'ny ekipa Aostraliana mpilalao cricket ny hitety an'i Zimbaboe ary manao soa raha mbola eto izy ireo, toy izay ny cricket mahazatra azy ireo, mihaza ary manjono ho an'ny fahafinaretana.

Angamba ny mpilalao tsirairay ho afaka mihaona amin'ireo mpikatroka izay niharan'ny fanararaotana mba ho fanehoana fanohanana sy fanajana ? Na afaka mitsidika ny hopitalim-panjakana ao Harare sy mijery ny toejavatra iainan'ireo Zimbaboeana mitady fitsaboana. Na afaka manatitra fanangonantsonia any amin”ny Ministeran'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina mba hitaky ny fanajana ny zon'ny Zimbaboeana.

Mandritra izany, tezitra momba ny zavamisy tsy mahagaga i The Bearded Man [5] (ilay bandy be marenina) hoe miaina tsy misy herinaratra ny sisa ao amin'ny firenena noho ny fampidirana tsy ela akory izay ny fahatapahanjiro mihodina (loadshedding / delestage tournant), fahatapahanjiro tsy hiainan'ny filoha sy ireo ambony toerana ao amin'ny governemanta velively.

Arakaraky ny maha-haingana ny ahitan'ireo mpanao pôlitika fa voafidin'ny vahoaka izy ireo ary noho izany mpanompon'ny vahoaka fa tsy ny mifamadika amin'izany – no tsara.

Maninona no mipetraka anaty tontolo tsy marina i Mugabe? Maninona no tsy miaina ny olana tsy maintsy iainan'ny vahoaka andavanandro ao Zimbaboe? Maninona no mahazo fomba fitondra hafa?

Raha tsy voatery hiaina ny zavatra iainan'ny hafa izy, ahoana no hafahany mifandray amin'ny vahoakany?

Oh. Azafady. Marina zany – tsy mandraharaha na bitika kely akory ny vahoakany izy, aleony manao fiainana be ary manana olona mandohalika mba hamahana azy. Olona tia tena ary marary saina miaraka amin'ny fanomezandanja ny tenany izay adaladala mampihomehy amin'ny fisehoany.

Farany, omen'ny Zimbabwe: Mpisavalalana ny Jadona [6] ao anaty lahatsoratra mitondra ny lohateny “Mpanao Gazety Avy Any Andrefana, Na Mandeha Ankiafina, Na Mijerijery Avy EnyAmin'ny Fiternteronan-dry Zareo ao Johannesburg, Tsy Mahita ny Tantara Ao Zimbaboe, satria Manohy Angano Izy Ireo, Ary Mitondra Rano Ho An'i Mugabe. (Teny ery ambany:  Manabe ny kely ary Manakely ny Lehibe: ‘)” ity fanakianana maranitra ity ho an'ny atao hoe sarintsarinà tatitry ny mpanao gazety avy any andrefana momba ny fahazoana aina ao  Afrika Atsimo :

Tsy nahita ny tena tantara itony mpanao gazety itony, fa efa ny fampielezankevitra vita kajin'ny governemantan'i Mugabe sy notanterahana tamin'ny fomba nitratrevatreva, an-dalana nanomboka ny 11 Martsa, mba hamafàna ny fiarahamonina sivily mpandàla demokrasia ary ny hetsika pôlitika, nanampy nanohy ilay angano koa izy ireo- angano notenenin'i Mugabe sy ireo jiolahim-boton'ny ZANU-PF– hoe ny “tena tantara” dia ny lazaina fa fisarahana tao anivon'ny mpanohitra MDC, sy ny fironan'izy ireo manokana ho amin'ny herisetra.

Tao anatin'ny taratasiny farany avy any Zimbaboe, izay tsy navoakanay teto amin'ny bilaogy tamin'ny herinandro lasa teo, nampisotro rano an'i Mugabe ilay mpanao gazety tsy ara-dalàna fony izy nanisy teny ambany ho an'ny andian-dahatsorany “hitan'ny mpanao gazetinay amin'ny aterineto ny fanoherana anaty fisaritahana”, tamin'ny tsy filazàna hoe nanomboka ny 11 Martsa dia lasa ivon-dresaka ny fanoherana ny fanjakana mpampihorhoro arindran'i Mugabe izay niafara tamin'ny fidarohana olona an'arivony, fisamborana olona an-jatony ary fampidirana hopitaly arahana fampijaliana, ary olona roa farafahakeliny no maty.