- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamono Tsikelikely Ny Fandraisam-Pitenenana : Ny Fomba Moramora Ataon'ireo Ngezalahy Amin'ny Aterneto Hanafoanana Ny Fanehoankevitra Mitsikera ao Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Emirà Arabo Mitambatra, Libanona, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Kisarisarin'i Omar Momani ho an'ny 7iber (CC BY-NC-ND 2.0)

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fiarahamiasan'ny Global Voices sy ny Ranking Digital Rights [1].

Taorian'ny famonoana tao amin'ny Charlie Hebdo ny volana Janoary 2015, nizara hafatra nampieritreritra mikasika ny finoana, ny fahalalahana haneho hevitra, ary ny matoandahatsoratra adihevitra tao amin'io gazetiboky io i Mark Zuckerberg,  mpiara-manorina sady Tale Jeneralin'ny Facebook.

“Taona vitsy lasa izay, olona iray mpanao an-tendrony avy tany Pakistana no niady mafy hanao izay hanamelohana ahy ho faty satria Facebook tsy nanaiky ny fandraràna ny votoaty iray momba ny Mahomet izay nanafintohina azy. Nijoro hatrany izahay satria ny fahasamihafan'ny hevitra- na dia mety ho manafintohina aza indraindray — dia afaka hahatonga izao tontolo izao ho toerana iray tena tsara sy mahaliana kokoa”, hoy i Zuckerberg nanoratra [2] tao amin'ny pejiny.

Fotoana kely taorian'izay, tamin'io volana io ihany, neken’ [3]ny Facebook ny hanakanana ny fidirana aminà pejy, isa tsy voafaritra mazava, izay “manao tsinontsinona ny Mpaminany Mahomet”  tao Torkia noho ny fangatahan'ireo manampahefana tao amin'io firenena io.

Torkia moa dia fantatra [4] amin'ny habetsaky ny fangatahana alefa any amin'ny orinasa momba ny Aterineto mba hanesorana votoaty izay manitsakitsaka ny lalàna ao aminy, fa tsy izy irery akory no fanjakana ao Afovoany Atsinanana mampiasa tetika toy izany mba hampanginana ireo mpanakiana.

Raha marobe ireo fitondram-panjakana ao amin'ny faritra no matetika manao fangatahana mivantana fanesoràna votoaty toy izany – miaraka amin'ny famoretana “mangingina” amin'ny fomba hafa rehetra- mbola olana lehibe lavitra sy sarotra kokoa noho izany ny fisian'ireo ngezalahy tsy mahomby ara-teknolojia amin'ny fandrindràna ny votoaty any amin'ny faritra.

Fanararaotana amin'ny rafitra fandefasana fitorohana

Manerana ny faritra, fomba iray ahodina sy ampiasaina hampanginana ireo mpitsikera fitondram-panjakana matetika ny rafitra fandefasana fitorohana ao amin'ny sehatra filazambaovao sosialy, hampanginana ireo vondrona na hevitra vitsy an'isa sy ireo endrika fanehoankevitra heverina fa tsy mifanaraka amin'ny zavatra inoan'ny ankamaroan'ny olona ao anaty fiaraha-monina, fivavahana sy ny politika.

Ny taona 2016, nampiato [5] pejy maromaro sy vondrona amin'ny fiteny Arabo izay natokana ho amin'ny tsy finoana an'Andriamanitra ny Facebook, vokatry ny fanentanana fitorohana be dia be nisesisesy,.

Izany moa dia nanala tanteraka ny iray amin'ireo sehatra vitsivitsy (ary amin'ny tranga sasany, ny hany tokana) izay sehatra ahafahan'ireo tsy mino an'Andriamanitra sy ireo olontsotra vitsy an'isa mifankahita ka hifampizaràna ny zavatra niainany sy hanehoany malalaka ny heviny momba ny fivavahana. Manerana ny faritra, mjanona ho zava-pady ny tsy finoana an'Andriamanitra ka mety hitarika ho amin'ny sotasota, fanagadràna, na hatramin'ny famonoana ho faty.

” Olana goavana [Ny fitorohana be loatra]” , hoy i Jessica Anderson tamin'ny Global Voices, Talen'ilay tetikasa onlinecensorship.org [6], izay manangona ny tranganà fanesorana votoaty  eny amin'ny sehatry ny filazam-baovao sosialy. “Ao Afovoany Atsinanana tahaka ny any amin'ny faritra rehetra, nanadihady tranga sivana maro izahay, vokatry ny ‘fanentanana fitorohana’ — hetsika voarindra avy amin'ireo mpikirakira miaraka amin'ireo mpampiasa marobe miampanga pejy na ampahany iray itoviana avy amin'ny votoaty ao aminy.”

Tena araraotin'ireo mpomba ny governemanta ihany koa ny fampiasàna ity fomba fitorohana ity. Ny volana Aprily tamin'ity taona ity, nitatitra [7] ny Middle East Eye fa Ejiptiana maro mafana fo ara-politika no naato ny pejiny na ny kaontiny ary notapahana ny fahafahany mandefa votoaty mivantana taorian'ny fiampangan'ireo “trolls mpomba ny governemanta” azy ireo.

“Ny zavatra hita aloha izany izao dia ny hoe manamafy ny fitanilàn'ny fahefana misy amin'izao fotoana izao io fomba fitorohana io, amin'ny fanomezana ny maro an'isa ny fahefana ‘polisy’ ho ampiharina “amin'ny vitsy an'isa”, hoy Anderson. “Mety ho loza ny vokatr'izany : ny vitsy an'isa izay efa atao an-jorom-bala sy efa voaporitra dia very tombontsoa tsy afaka miditra amin'ny filazam-baovao sosialy ho toy ny toerana ahafahana mandamina, mifampizara, ary afaka ny hisy handre.”

Fandavàna ny zon'ny mpampiasa Aterineto, eo amin'ny votoatin-keviny

Ny volana May lasa teo, nanatevin-daharana ny Facebook sy Twitter ny Apple — ireo filazam-baovao sosialy matetika voatonona amin'ity sehatra ity- – rehefa tsy nanaiky [8] handefa hira dimy amin'ny hiran'ilay tarika Libaney Al-Rahel Al-Kabir ny iTunes store. Hira nanevateva ny fototra ara-pinoana sy ny famoretana ara-politika ao amin'ny faritra ireo hira ireo.

Nanazava ny solontena iray avy ao amin'ny iTunes fa ny Qanawat, mpamondrona votoaty ao Dubai miara-miasa amin'ny Apple izay mitantana ny fivarotana ao amin'ny faritra, no nanapa-kevitra ny tsy handefa ireo hira ireo. Loharanom-baovao tsy mitonona anarana no nilaza tamin'ny The Daily Star fa na iTunes aza tsy nahalala [9] ny fanapahankevitry ny Qanawat noho ny “maha-mora tohina ny ao an-toerana”. Taorian'ny fangatahana avy amin'ny fikambanana tsy miankina miaro ny zo anaty aterneto SMEX miorina ao Beiroty sy ilay vondrona rahateo, dia nandefa ireo hira ireo ihany ny iTunes ary nampanantena fa hiova ny mpanangona votoaty.

Tsy maneho fotsiny ny fomba ahafahan'ny “maha-mora tohina ny ao an-toerana” ho afaka hijabaka amin'ny fanapahankevitra momba izay karazana votoaty azo alefa sy hajanona ao amin'ny faritra ity tranga ity ; asehony ihany koa fa mila misaina tsara ny orinasa rehefa mandray fanapahankevitra izay mety hisy fiantraikany amin'ny zon'ny mpampiasa aterneto haneho malalaka ny heviny.

Tamin'ny resaka nifanaovany tamin'ny Global Voices i Mohamad Najem , mpiara-manorina ny SMEX [10], no nanamafy fa samy manana ny biraony ao Emira Arabo Mitambatra avy na ny Facebook na ny Twitter , izay lazainy ho iray amin'ireo “firenena tena mpamoritra indrindra” ao amin'ny faritra.”

“Fanapahankevitra ara-barotra izay hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahalahahana miteny,” hoy izy. Ary nanehoany ny ahiahiny fa ny fisafidianana firenena iray toy ny Emira Arabo Mitambatra hanokafana birao any, dia toy ny “fampiharana fenitra ara-tsosialy fampiasa any amin'ny Golfa” ho amin'ny faritra [Arabo] iray manontolo izay “mavitrika sy hafa tanteraka”

Famantarana ny toerana misy ny tena, hatrany hatrany

Manana birao ao Emira Arabo Mitambatra ny Facebook sy Twitter mba handrakotra ny faritra Afovoany atsinanana sy Afrika Avaratra (MENA amin'ny teny anglisy), faritra iray feno fahasamihafana ara-pomba, ara-kolontsaina sy ara-pitenenana ary manana fomba fijery sy traikefa ara-politika mivelatra. Koa rehefa ny orinasa no eo ambany tsindrin'ny governemanta mpamoritra na vondrona matanjaka mba hanaja “ny maha-mora tohina ao an-toerana”, lasa mpiray tsikombakomba amin'ny famonoana tsikelikely ny fanehoana izany fahasamihafana izany koa izy ireo.

“Toa manaraka ny taridalàna avy amin'ireo feo mitabataba sy mafy indrindra ireo sehatra maro … ao Afovoany atsinanana, [izy ireo] tsy mba sahy nijoro nanohitra ireo henjana tahaka ny fitondram-panjakana”, hoy Anderson.

Jereo, ohatra, ny fikoropahan'ny Facebook hanatanteraka ny fangatahana sivana [11] avy amin'ny governemanta Tiorka. Nandritra ny taona maro, nandray anjara tamin'ny fanasivanana [11] ireo tsikera manohitra ny governemanta, ny fivavahana sy manohitra an'i Atatürk ilay nanorina ny repoblika io orinasa io, nanohitra ireo Kiorda mafana fo [12], ny votoaty LGBT [13] ary na dia ilay hetsika miady amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra koa aza [14].

Toa miverimberina matetika ny firaisana tsikombakomban'ny Facebook amin'ireny fangatahana ireny. Niresaka taminà Tiorka iray mafana fo izay aho roa taona lasa izay, ary nilaza tamiko [11] izy fa efa lasa nivadika ho “sehatra  mpanohana ny governemanta” ilay sehatra. Amin'izao fotoana izao, mbola manohy mankatò mametra ny fidirana ao aminà votoaty  maherin'ny 4 500 [15] ao amin'ny firenena ihany io sehatra io, ho an'ny taona 2017 fotsiny. Tsy mangarahara ny Facebook eo amin'ny isa sy ny tahan'ny fangatahana ekeny.

“Ny lesoka lehibe indrindra amin'ny fomba fijeren'ireo sehatra anaty aterneto ny fangatahana hanalàna votoaty dia ny tsy fisian'ny fahalalana [izy ireo] ny toe-draharaha ara-politika. Ary na dia misy endrika fahafantarana ny zava-mitranga eo an-toerana aza, tsy tena azoko antoka hoe misy ny fandalinana sahaza”, hoy Arzu Geybulla, mpanoratra mahaleotena iray mandrakotra an'i Torkia sy Azerbaijan ho an'ny Global Voices.

Ao anatin'ireny fivoriambe ireny, miatrika fanontaniana efa mahazatra ireo solontenan'ny Facebook momba ireo fanentanana  fitorohana be loatra. Nanatintrantitra izy ireo fa tsy mahatonga fanesorana fizaràna votoaty na pejy avy hatrany ny fanamarihana be loatra aminà votoaty na pejy iray. Saingy tsy nanome fampahalalana mazava ny amin'ny fomba hijereny sy hamalian'ny orinasa ny toejavatra tahaka izany izy ireo. Mijery akaiky io votoaty io ve izy ireo ? Nilaza ihany koa ny Solontenan'ny Facebook fa mifandinika amin'ireo manampahaizana manokana ao an-toerana ny amin'izany zavatra izany, saingy dia tena manjavozavo ihany koa ny antsipirihan'ireny fakàna hevitra ireny.

Ary tsy mora mihitsy ny asan'ireo mpandrindra ny votoaty– ny fanapahana hevitra ny amin'izay mifanaraka amin'ny fitsipiky ny lalàna ao an-toerana sy ny politikan'ny Facebook. Manazava i Anderson avy ao amin'ny onlinecensorship.org :

Content moderation is incredibly labor intensive. As the largest platforms continue to grow, these companies are attempting to moderate a staggering volume of content. Workers (who may not have adequate knowledge and training, and may not be well paid) have to make snap decisions about nuanced and culturally-specific content, leading to frequent mistakes and inconsistencies.

Mila mpiasa maro dia maro tsy tambo isaina izany mandrindra votoaty izany. satria tsy mitsahatra mitombo hatrany ilay sehatra, manao izay hahavitàna fitsirihana votoaty be indrindra ireny orinasa ireny. Ireo Mpiasa (izay mety tsy manana fahalalana ampy sy fanofanana sahaza, ary mety tsy ho tsara karama) dia mety handray fanapahankevitra eo noho eo momba ireo votoaty tsy mitovy sy mila fijerena manokana ny kolontsaina, mitarika ho amin'ny fahadisoana miverimbeina sy ny zavatra hafahafa.

Ho an'ireo mafana fo sy mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra, zava-tsarotra ihany koa ny mahafantatra ny halehiben'io olana io noho ny tsy fisian'ny mangarahara avy amin'ireo orinasa. Mety miseho matetika ny tranga toy ny an'ny iTunes fa tsy aseho ampahibemaso : raha tsy misy olona mampahafantatra fa voasivana ny vototaty nalefany, izay ireny vao fantatra.