- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afomanga: Ahoana ny fankalazan'i Japana ny fahavaratra miaraka amin'ny ‘hanabi’

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
japan fireworks

Afomangan'Aogositra tao amin'ny morontsiraka Matsubara ao Tsuruga, Fukui, Japana. Sary avy amin'i Nevin Thompson, nahazoana alalana.

Malaza amin'ny fandefasana afomanga, fantatra amin'ny hoe ‘hanabi’ (花火) amin'ny teny Japoney ny volana fahavaratra Jolay sy Aogositra ao Japana. Avy amin'ny teny Japoney “voninkazo” sy “afo” natambatra ny voambolana ary tsy mifanipaka amin'ny fahaiza-manaony ara-javakanto  [1]ny afomanga aseho ao Japana.

Heverina fa nampidirin'ireo mpivarotra Holandey voalohany tao Japana [2] efa ho 500 taona lasa ny afomanga. Fetibe afomanga an-jatony  [3]no tontosaina androany ao amin'ireo vondrom-piarahamonina madinika sy lehibe manerana an'i Japana, amin'ny ankapobeny atao eny amin'ny moron-drenirano na tora-pasika. Rehefa hifarana ny volana Aogositra dia tonga ny fahavaratra, ity topimaso tamin'ireo fetibe “hanabi” tsy hadinoina indrindra ao Japana tao anatin'ny roa volana lasa:

Fetiben'ny Natsu Ichiban Hanabi (Toeram-pialam-boly Huis Ten Bosch, Nagasaki)

A post shared by 梁井和樹 (@yanakazu0119) [4] on

Nomena endrika avy amin'ny tanàna nentin-drazana Holandey, zaridaina sy toeram-pitsangatsanganana malaza ao Nagasaki, ao amin'ny nosin'i Kyushi ny Huis Ten Bosch. [5] Midadasika kokoa noho ny Toeram-pitsangatsanganana Disney Tokyo [6], Huis Ten Bosch no vala lehibe indrindra ao Japana, afahan'ireo mpitsidika mankafy afomanga fahavaratra no sady milona anaty dobo filomanosana lehibe.

Amin'ny fahavaratra, ny ‘hanabi’ ao amin'ny Huis Ten Bosch no ahitana fampiratiana ataon'ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana afomanga malaza tontosaina isan-taona ao amin'ny zaridainan'ny Amboara Erantany Hanabi [7].

Karinavaly Fahavaratra Ashiya (Ashiya, Hyogo)

A post shared by 路 るう(19) (@lll_photo_) [8] on

Miorina eo akaikin'ny tanàna seranan-tsambo ao Kobe, andrefan'i Japana, nankalaza ny tsingerintaonany faha-efatra tamin'ity taona ity ny Karinavaly Fahavaratra Ashiya [9] ahitana fampisehoana ‘hanabi’ tsy manam-paharoa.

Ny solosaina no mandrindra ny mozika rehetra sy ny afomanga rehetra amin'ity fampisehoana ity. Tamin'ny tsingerintaona tamin'ity taona ity, nanao fampisehoana miaraka amin'ny afomanga ilay mpitendry piano jazz malaza Takashi Matsunaga [10].

Fetibe Tenjin (Toera-masina Osaka Tenmangu)

A post shared by UR Osaka (@urambassador) [11] on

Mitranga eo anelanelan'ny volana Jiona sy Jolay isan-taona ny Fetibe Tenjin [12] efa naharitra arivo taona, natokana ho an'i Sugawara Michizane (ny andriamanitry ny vatsim-pianarana sy ny fianarana), ary ahitana lanonana isan-karazany. Anisan'ny fetibe faran'izay malaza indrindra any Japana, marobe ireo olona mankany amin'ny renirano Okawa ao Osaka mba hijery fampisehoana afomanga ao Hommiya ny 25 Jolay, araka ny hita etsy ambony.

Natao tany Kansai, faritra an-tanandehibe midadasika any andrefan'i Japana sy ahitana ny fivondronan'ireo tanàn-dehibe maro, tahaka an'i Osaka, Kyoto sy Kobe ny Fetibe Tenjin.

Ny hiran'ny “hanabi”

Matetika manondro ny ‘uchiage hanabi’ (打 ち 上 げ 花火, “afomanga” ara-bakiteny) ny afomanga alefa amin'ny alina eny an-danitra ary mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny kolontsaina Japoney, miseho matetika amin'ny hira. Ny horonantsarimiaina 2017 ”Fireworks [13]‘ (打ち上げ花火 [14]、下から見るか? 横から見るか? Uchiage Hanabi, Shita kara Miru ka? Yoko kara Miru ka?) dia mampiseho ny fivangongoan'ny afomanga amin'ny kolontsaina Japoney:

Ankoatra ny ‘uchiage hanabi’, karazana afomanga hafa mahazatra ao Japana ny ‘senko hanabi’ ( 線香花火) na mpanjelanjelatra (“Senko” dia midika hoe “hazokelin'emboka” amin'ny teny Japoney). Ny harivam-pahavaratra, matetika milalao hazo kely senko any ivelany ny ankizy, mividy harona mavesatra novidiana tamin'ny fetibem-pahavaratra.

Ity hira pop “Senko Hanabi” ity no mampiseho tsara ny harivariva mafana amin'ny fahavaratra ao Japana: