Talen'ny Fiarovana ao amin'ny GV manatrika ny AI-Observer-Irrepressible. Vaovao tamin'ny fihaonana 6 Jiona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 6 Jiona 2007, nanatrika ny hetsika tao Londra manamarika ny herintaonan’ ny fanentanana Amnesty International-Observer-Irrepressible.info ny talen'ny Advovacy ato amin'ny Global Voices, Sami Ben Gharbia. Ahitana ny fandraisam-pitenenan'i Sami ny lahatsary eo ambony. Nandray anjara avy lavitra ihany koa ny mpiara-manorina ny Global Voices Ethan Zuckerman — azo jerena ato amin'ity pejy ity ny lahatsary sy dikan-teny ahitana ny fandraisan'i Ethan anjara. Ny webcast misy ny fizotra manontolo kosa dia notehirizina ato, ary manome topi-maso ny hetsika ao amin'ny bilaogy Corante i Kevin Anderson.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.