- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Angletera, Frantsa, India, Japana, Mozambika, Però, Rosia, Fampandrosoana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Vonjy Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007)

Nihaona tany Heiligendamm, Alemaina tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5) [1]. Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro [2] sy ny fahantrana ao Afrika [3] izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan-karena indrindra manerantany .

Nametraka rohy tamin'ny fanehoan-kevitra avy any India [4], Rosia [5], sy Afrika  [6]tamin'ny herinandro lasa ny Global Voices. Ary nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny fivoriana ireo olona avy amin'ny faritra lavitra toy ny any Però [7] sy Japana [8].

Jewels in the Jungle  [9]ao Alemaina kosa nanara-maso ny sasany tamin'ireo lahatsoratra tsara indrindra sy bilaogy momba ny G8 manerana ny tranonkala (indrindra avy any Afrika), ary nilaza hoe:

I’m not as disappointed and pessimistic about the outcome of these talks as some people seem to be but at the same time you have to wonder, are the G8 Summits relevant anymore? Were they ever useful in helping to solve the world’s problems?

It has all become such a circus for the politicians and every group under the sun to voice their outrage and anger about all kinds of causes that have little or nothing to do with the summit agendas that one has to ask, why bother?

Tsy dia diso fanantenana sy kivy momba ny vokatry ny resadresaka tahaka ny olona sasany aho saingy kosa tsy maintsy manontany tena ianao hoe, mbola manan-danja ve ny Fihaonambe G8? Mbola ilaina ve izy ireo amin'ny fanampiana hamaha ireo olana manerantany?

Nanjary sehatra fotsiny ho an'ireo mpanao politika sy ny vondrona rehetra ety ambany masoandro izany mba haneho ny fahatezeran'izy ireo sy ny fahaviniran'izy ireo momba ireo karazana antony rehetra izay tsy dia misy loatra na tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny fandaharam-potoanan'ny fihaonambe izay misy manontany hoe, maninona no manelingelina?

Be fanantenana kosa i Francisco Xerinda [10] ao amin'ny bilaogy mahafinaritra AfricaVox2007,  [11]bilaogin'ireo mpanao gazety Afrikanina sivy:

The last four days here in Germany have been dominated by the anti-globalisation protests. The roads are constantly blocked and the police keep telling us to take a different route.

But for me the practical irritation is worth it; such protests really do matter to me. I saw the impact they had two years ago when pressure from civil society at Gleneagles led to debt relief for my country, Mozambique.

Nanjakan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fanatontoloana ny efatra andro farany eto Alemaina. Voasakana hatrany ny arabe ary milaza aminay hatrany ny polisy mba handray lalan-kafa.

Saingy ho ahy, mendrika ny fahatezerana; tena zava-dehibe amiko ny hetsi-panoherana toy izany. Hitako ny fiantraikany naterak'izy ireo tao anatin'ny roa taona lasa raha nitarika fanamaivanana ny trosa ho an'ny fireneko, Mozambika ny fanerena avy amin'ny fiarahamonim-pirenena ao Gleneagles.

Patricia Daniels [12], ao amin'ny bilaogy openSummit [13]ao amin'ny openDemocracy nitatitra momba ny Fihaonambe G8 sy ny Fihaonambe Mifanindra-dalana aminy [14] avy amin'ny fomba fijery momba ny zon'ny vehivavy. Manoro hevitra ny mpamaky izy mba tsy hisarihana hamaky ny fanambarana Fihaonambe G8 [15]. “Ahitana fanambarana manjavozavo izy ireo izay tsy mampanao na inona na inona ny G8,” hoy izy.

Raha ny fantatra, mpijery an-tapitrisany ao amin'ny YouTube no liana kokoa raha mamo tokoa ny filoha Frantsay vaovao voafidy vao haingana Nicolas Sarkozy tamin'ny fihaonambe G8 …

https://youtube.com/watch?v=I4u3449L5VI