Miaiky ny Facebook fa miadana ny famahana ny olana momba ny kabarim-pankahalana ao Myanmar

“Moanina mampiasa ny findainy ao amin'ny Pagôda Shwedagon ao Yangon, Myanmar.” Sary sy fanasongadin'i Remko Tanis. Sary Flickr, (CC BY-NC-ND 2.0)

Nitatitra ny Facebook tamin'ny 15 Aogositra 2018 fa miadana sy tsy ampy ny ezaka natao hiadiana amin'ny fandisoam-baovao, ny vaovao faikany ary ny kabarim-pankahalàna ao Myanmar:

The ethnic violence in Myanmar is horrific and we have been too slow to prevent misinformation and hate on Facebook.

Mampihoron-koditra ny herisetra ara-poko ao Myanmar ary mihisatra be izahay tamin'ny fisorohana ny fandisoam-baovao sy fankahalàna tao amin'ny Facebook.

Nitanisa olana ara-teknika sasantsasany sy antony hafa mahatonga azy tsy nahomby tamin'ny famahàna ny vaovao diso ao Myanmar izy:

The rate at which bad content is reported in Burmese, whether it’s hate speech or misinformation, is low. This is due to challenges with our reporting tools, technical issues with font display and a lack of familiarity with our policies.

Ambany ny taham-pitaterana votoaty ratsy amin'ny teny Birmana, na kabary fankahalana na fandisoam-baovao. Izany dia vokatry ny fanamby amin'ny fitaovam-pifandraisanay, ny olana ara-teknika tamin'ny fisehon'ny tarehintsoratra sy ny tsy fahampian'ny fahazarana amin'ny politikanay.

Nirehareha momba ny fivoaran'ny orinasany tamin'ny famahana ny fielezan'ny kabarim-pankahalàna any amin'ireo firenena tahaka an'i Myanmar nandritra ny fisehoany teo anoloan'ny Senà Amerikana tamin'ny Avrily 2018 i Mark Zuckerberg, Tale mpamorona ny Facebook, .

Saingy misy vondrona fiarahamonim-pirenena enina nanasonia taratasy tsy fankatoavana ny filazan'i Zuckerberg sady manasongadina ny “lesoka tao anatiny” amin'ny fahafahan'ny Facebook mamaly ny hamehana. Niala tsiny avy hatrany i Zuckerberg ary nampanantena hiasa bebe kokoa hampiato ireo vondrona tsy hampiasa ny Facebook hampiroboroboana ny herisetra ara-pinoana sy ny fanavakavahana any Myanmar.

Nitombo ny fampiasana Facebook tao Myanmar nandritra ny taona maromaro, saingy koa nitarika ny fampielezana vaovao hosoka, kabarim-pankahalàna, sy endrika hafa amin'ny vaovao diso mikendry ny Miozolomana vitsy an'isa ao amin'ny firenena, indrindra fa ireo mponina tsy manan-tany Rohingya.

Voampanga ho mampirisika fankahalàna sy fanoherana ny Rohingya ireo vondrona Boddista hiringiriny, ka nitarika fifandonana mahery vaika, fifindran-toerana teo amin'ireo Miozolomana ao amin'ny Fanjakana Rakhine, sy ny fanamafisana ny fanenjehana an-tserasera atao amin'ireo vitsy an'isa.

Tsy mety mankatoa ny Rohingya ho anisan'ny vondrona ara-poko ao amin'ny firenena ny governemantan'i Myanmar ary mihevitra azy ireo ho mpifindra monina tsy ara-dalàna.

Na dia talohan'ny fijoroana vavolombelon'i Zuckerberg tao amin'ny Antenimieran-doholona Amerikana aza, nanome tsiny ny Facebook ny tompon'andraikitra ao amin'ny Firenena Mikambana noho ny tsy fahombiazany misoroka ny kabarim-pankahalàna any Myanmar.

Marzuki Darusman, filohan'ny Iraka Iraisampirenena Mahaleotena hijery ny zavamisy marina ao Myanmar nitatitra tamin'ny 12 Martsa:

[H]ate speech and incitement to violence on social media is rampant, particularly on Facebook. To a large extent, it goes unchecked.

Mihoa-pampana ny kabarim-pankahalana sy ny fandrisihana herisetra ao amin'ny media sosialy, indrindra tao amin'ny Facebook. Tafahoatra loatra ka tsy voafehy intsony izany.

Yanghee Lee, Mpitatitra Manokana momba ny zon'olombelona ao Myanmar, nilaza tamin'ireo mpikambana nandritra ny fivoriana faha-37 ny Vaomieran'ny Zon'olombelona hoe:

[T]he level of hate speech, particularly on social media, has a stifling impact on asserting sensitive and unpopular views.

Nisy fiantraikany ratsy tamin'ny fanamafisana ny fomba fijery saro-pady sy ratsy ny tahan'ny kabary feno fankahalàna, indrindra tao amin'ny media sosialy.

Ahafahana mijery ireo rafitra napetraka nandritra ny dimy volana lasa tamin'ny famahàna ny olana kabarim-pankahalana sy ny fandisoam-baovao ny vaovao farany vao haingana avy ao amin'ny Facebook, anisan'izany ireto fandaharana notontosain'ny Facebook ireto:

In the second quarter of 2018, we proactively identified about 52% of the content we removed for hate speech in Myanmar.

As of this June, we had over 60 Myanmar language experts reviewing content and we will have at least 100 by the end of this year.

We proactively identified posts that indicated a threat of credible violence in Myanmar. We removed the posts and flagged them to civil society groups to ensure that they were aware of potential violence.

Tamin'ny telovolana faharoa ny taona 2018, nahita izahay fa 52% ireo votoaty momba ny kabary fankahalàna nesorinay tao Myanmar.

Hatramin'ny volana Jona, manana manam-pahaizana momba ny fiteny Myanmar mihoatra ny 60 manara-maso votoaty izahay ary hanana 100 fara-fahakeliny amin'ny faran'ity taona ity.

Nahita lahatsoratra naneho fandrahonana herisetra any Myanmar izahay. Nesorinay ny lahatsoratra ary nanamarika azy ireo tany amin'ny vondrona fiarahamonim-pirenena sivily mba hiantohana fa fantatr'izy ireo ny herisetra mety hitranga.

Navoaka ny ampitson'ny namoahan'i Reuters vaovao manokana momba ireo fitaovana ‘kely’ natolotry ny orinasan'ny teknolojia mba hamahana ny fitarainana momba ny kabarim-pankahalàna ao Myanmar ny fanavaozan'ny Facebook. Nahita lahatsoratra manodidina ny 1 000 ahitana kabary feno fankahalàna izay mbola azo jerena ao amin'ny Facebook nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Aogositra ihany koa ny Reuters.

Satria miaiky ny fifandraisana misy eo amin'ny lahateny fankahalàna amin'ny aterineto sy ny herisetra atao amin'ny vondrona vitsy an'isa ao Myanmar ny Facebook ankehitriny, ho hita eo ny fihetsiky ny orinasa amin'ny fampiatoana ny fampielezana votoaty fankahalana. Na dia izany aza, tokony hanentana ny vondrona fiarahamonim-pirenena sivily sy ireo mpiaro ny zon'olombelona hafa izany mba hanerena bebe kokoa ny Facebook sy ny sehatra nomerika hafa mba hanakana ny famoahana sy ny fampielezana vaovao diso any Myanmar sy manerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.