Eo An-Tànan'i Rashid Khan, Ilay Kintan'ny Mpilalao Cricket Afgana, Ny “Hoavy”

Rashid Khan. Sary napetraka tao amin'ny kaonty Facebook-ny ofisialy .

Nahazo fankasitrahana tsy nisy tahaka izany ilay tanora afgàna mpilalao cricket taorian'ny nifidianan'ny tambajotram-panatanjahantena ESPN azy ho ao anatin'ny lisitry ny All-Time T20 International Cricket XI, karazana  sehatra fampahafantarana ireo mpilalao malaza mendrika indrindra ho an'ireo mpisehatra tao anaty fanatanjahantena nampientanentana sy nalaky tamin'ny fisandratany.

I Rashid Khan io mpilalao cricket io, ary ny fisandratany miavaka dia nanampy ilay firenena efa rotiky ny ady hifandray amin'ireo tena matanjaky ny tontolon'ny cricket, manentana ireo afgàna an-tapitrisany ho amin'io làlana io.

Faly fa voafidy ho isan'ny mpilalao cricket mendriky ny  T20I XI tao anatin'ny 25 taona farany ary tafiditra ho isan'ny mpilalao cricket mahay indrindra maneran-tany. Misaotra anareo ry mpitsara sy ny @ESPNcricinfo ???? pic.twitter.com/k2GDwfu4SJ

Teraka tamin'ny 20 septambra 1998 i Rashid Khan Arman, ary lehibe tany Nangarhar faritanin'i Afgànistana. Manaraka izany, taratry ny fiainan'ny ankamaroan'ireo mpiray tanindrazana aminy ny fiainany, namakivaky fahantrana, ady ary fotoana fohy nipetrahana  tany Pakistàna mba handositra ny herisetra.

Rashid Khan eo am-pilalaovana. Sary nozaraina tao amin'ny kaonty ôfisialin'ny facebook-ny.

Na izany aza, tao Afganistàna izy no nanomboka nanatsara ny talentany amin'ny maha-mpanipy baolina azy  — olona izay ny tanjony dia ny “hanongana” ireo mpitàna fikapoka amin'ny cricket — tamin'ny fijerena ny sasany tamin'ireo mpilalao sangany amin'izao fotoana izao ao amin'ny fahitalavitra sady nianatra ny ataon-dry zareo.

Ny roa amin'ireo olona nankafiziny taloha dia ilay indiana mpanipy baolina, Anil Kumble, sy ilay pakistaney mpilalao criket manan-talenta, Shahid Afridi.

Rashid Khan : “Tsy nisy nampianatra ahy hamitaka sy hanao izay hahadiso ny hafa. Fa nandinika fotsiny an'i Shahid Afridi sy  Anil Kumble aho” #Cricket

Mazava ho azy fa manatevin-daharana ilay maherifony teo aloha, Shahid Afridi — zokiny 19 taona ary efa misotro ronono amin'izao fotoana izao — ao amin'ny lisitrireo olomalazan'ny fotoana rehetra an'ny ESPN  i Khan. .

Ireo anton'ny fanantenana

Nanjary mpikambana feno tao amin'ny filànkevitry ny cricket iraisam-pirenena i Afganistàna tamin'ny 2017, nahalasa ho 12 ny isan'ireo firenena mpikambana ao amin'ny ICC. Lalaovina amin'ny ambaratonga samihafa any amin'ny firenena 92 ( mpikambana ) ihany koa ny cricket.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia niakatra be ny laharan'i Afganistàna amin'ny filaharana ankapobeny amin'ny cricket, sady namiratra indrindra tao amin'ny T20, karazan-dalao vao noforonina tamin'ny 2003, izay maharitra adin'ny telo, ka ny ekipa tsirairay dia miatrika baolina in-120.

Amin'ireo karazan-dalao maharitra kokoa, ny ekipa izay mitàna ny fikapoka dia mikendry izay hahabetsaka ny isa  “hazakazaka” azony  araka izay azo atao. Rehefa manipy baolina ny ekipa iray dia mikendry ny haka “guichet” izy mba hanalàna ilay mpitàna ny fikapok'ilay ekipa mitàna ny fikapoka sady mampihena ny isa azon'io ekipa io.

Rashid Khan eo am-pilalaovana. sary nozaraina tao amin'ny kaonty ôfisialin'ny haino aman-jery sosialiny.

Tena vao haingana, tamin'ny volana jona, dia resin'i India i Afganistàna tamin'ny lalao avo lenta  , lalao fitsapàna nataon'ny firenena, karazan-dalao miadana sady nentim-paharazana kokoa noho ny T20, lalaovina maharitra andro vitsivitsy fa tsy ora.

Fa herinandro vitsy talohan'ny nandresen'i Afganistàna an'i Bangladesh voalohany tamin'ny T20. i Rashid Khan no “kintan'ny lalao”, hoy ny iray tamin'ireo gazety bangla malaza.

Tahaka izany koa, tamin'ny lalao nihaonany tamin'i Irlandy tamin'ny 2017, norombahany daholo ny anaram-boninahitra rehetra, tamin'ny nahazoany ny fara-tampony amin'ny mpanipy baolina nahazo ‘guichet’ dimy haingana indrindra tamin'ny T20 iraisam-pirenena.

An'ireo izay Manome Fanantenana ho an'ny Taranaka Manaraka Ny Hoavy

Tamin'ny lalao fifaninanana tany Zimbaboe tamin'ny Oktobra 2015 no nanombohan'i Rashid Khan ny lalaony cricket iraisam-pirenena, fony izy vao feno 17 taona. Telo taona latsaka aty aoriana, lasa izy no kapiteny tanora indrindra mitarika ekipa iraisam-pirenena.

Angamba avy amin'i Sachin Tendulkar, indiana mpilalao cricket efa misotro ronono izay matetika fantatra amn'ny hoe mpitàna fikapoka ngezalahy tamin'ny fotoana rehetra, ny fankasitrahana lehibe indrindra voarainy tao anatin'ny fotoana fohy niasàny .

Nolazain'i Tendulkar tamin'ny May, fa i Khan no ” mpanipy baolina mendrika indrindra maneran-tany” ao amin'ny cricket T20 International “, ohatra iray ny teknika fanipazana baolina nampiasain'i Khan sy ireo mpanipy baolina hafa mitovy fiangaly aminy.

Tena marina … fa miavaka i @rashidkhan_19

Kintana iray ao anatin'ny ligin'ny cricket manankarena indrindra

Tsy manana olana ara-bola intsony i Rashid Khan na dia niaina tamin'ny fahantrana aza. Tamin'ny 2017, tamin'ny faha 18 taonany, nanao sonia fifanarahana tamin'ny ekipan'ny Sunrisers Hyderabad izy mba hilalao amin'ny Ligy indiana voalohany  (IPL), izay manankarena indrindra erantany.

Any, ao amin'ny firenena iray adalanà cricket, dia heverina ho toy ny tranga iray mahaliana izy, mandray tsy tapaka ny maripankasitrahana natao ho an'ny lehilahy maherin'ny lalao.

Mbola mahazo ny fon'ny indiana mpankafy i @rashidkhan_19

Fa, mihambo amin'ilay kintan'ny fangalàna ‘guichet’-ny i Afganistàna araka ny asongadin'ny bitsika diplômatika nalefan'ny filoha afgàna Ashraf Ghani ho an'ny praiminisitra indiana, Narendra Modi, tamin'ny fiandohan'ity taona ity.

Mirehareha tanteraka amin'ny maherifonay, Rashid Khan, ny afgàna. Mankasitraka ihany koa ireo indiana namanay aho noho ny nanomezany sehatra hanehoan'ny mpilalaonay ny talentany. Mampatsiahy anay izay tsara indrindra momba an'i Afg i Rashid. Mbola mijanona ho mpilalao mavitrika amin'ny tontolon'ny cricket izy. Tsia tsy ho avotsotray izy.@narendramodi

Raha lazaina amin'ny fomba hafa, dia harem-pirenena i Khan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.