Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

24 Aogositra 2018

Tantara tamin'ny 24 Aogositra 2018

Ejypta: Bilaogera hafa nosamborina

Mbola mahita famoretana bebe kokoa ataon'ny Fiarovam-panjakana amin'ireo bilaogera noho ny antony samihafa ny sehatry ny tontolon'ny bilaogy Ejypsiana. Ny tranga vao haingana indrindra tamin'ity herinandro ity dia ny fisamborana ilay bilaogera Ejypsiana Omar El Sharkawy.

Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?

  24 Aogositra 2018

Nihaona tany Heiligendamm, Alemana tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5). Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahantrana ao Afrika izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan-karena indrindra manerantany .