- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Fitokonana hafa sy fihetsiketsehana marobe

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahasalamàna, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Sendikà

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2008)

Nanatevin-daharana ny vahoaka ireo dokotera sy ny sampan'ny oniversite Ejypsiana ary nanapa-kevitra hanohitra ny karama ambany raisin'izy ireo.

2335612519_2b35d06156.jpg

Hossam El Hamalawy [1], nanoratra momba ny fihetsiketsehana sy ny sit-ins mitohy eo anoloan'ny Sendikàn'ny Dokotera, izay nokarakarain'ny  Doctors without Rights (Dokotera Tsy manan-Jo):

The sit in at the Doctors’ Syndicate, called for by Doctors Without Rights, has started, coupled with protests in several hospitals across the country… The protests are to continue until the 21st of March, when the General Assembly of the Syndicate meets again, amid fury among the rank and file over the Syndicate Board’s decision to postpone indefinitely the strike planned on the 15th….

Nanomboka ny sit-in tao amin'ny Sendikan'ny Dokotera, antsoina hoe Doctors Without Rights, niaraka tamin'ny fihetsiketsehana teny amin'ny hopitaly marobe manerana ny firenena……Hitohy hatramin'ny 21 Marsa ny fihetsiketsehana, rehefa mihaona indray ny Fivoriamben'ny Sendikà, ao anatin'ny fahatezerana eo amin'ny ambaratonga sy ny tahiry momba ny fanapahan-kevitry ny Biraon'ny Sendikà mba hanemorana ny fitokonana kasaina atao amin'ny faha-15

Nanonona an'i Kareem El Behery, nanoratra i Hossam hoe:

كانت نقابة الاطباء العامة بالقاهرة قد اصدرت بيان الاسبوع الماضى تطالب فيه كل الاطباء عن طريق النقابات الفرعية بتنظيم وقفة احتجاجية امس السبت للمطالبة بتحسين الاجر

Tamin'ny herinandro lasa, namoaka fanambarana ny Sendikan'ny Dokotera, mangataka amin'ireo dokotera rehetra hanao sit-in mitaky fisondrotan-karama.

shara.jpg

Ho an'ny mpampianatra ao amin'ny Onivesite Ejypsiana, tahaka izany koa ny zava-misy:

Avy amin'ny bilaogy “Egyptian Universities Strike [2]”, tsongaina ny Fanontaniana sy Valiny tamin'ny Fitokonanana 23 Marsa:

س: ما هي الجامعات التي يشملها الإضراب؟
ج: يشمل الإضراب جميع الجامعات الحكومية المصرية.
س: كيف أشارك في الإضراب؟
ج: المشاركة في الإضراب تعني:
‌أ. التواجد في محل العمل من بداية اليوم الدراسي.
‌ب. الامتناع عن أداء جميع الأعمال التعليمية.
‌ج. إعلان المشاركة في الإضراب.
س: أنا عضو هيئة تدريس بكلية الطب، هل أتوقف عن أداء الخدمات الطبية بالمستشفى الجامعي يوم الإضراب؟
ج: لا، الأعمال الطبية في المستشفيات الجامعية مستمرة ولا يشملها الإضراب.
س: كيف أعلن مشاركتي في الإضراب؟
ج: إعلان المشاركة في الإضراب تتم بإحدى الوسائل التالية:
‌أ. تعليق شارة الإضراب.
‌ب. تعليق علامة الإضراب على باب المكتب أو المعمل.
‌ج. التجمع في مكان ظاهر تحت لافتة الإضراب.
س: كيف أشارك في الإضراب إذا لم يكن لدي واجبات تدريسية يوم 23 مارس؟
ج: يكفي التواجد في الجامعة وتعليق شارة الإضراب.

1. Iza ireo oniversite tafiditra amin'ny fitokonana?
Ny Oniversitem-panjakana Ejypsiana rehetra.
2. Ahoana no handraisako anjara amin'ity fitokonana ity?
Ny fandraisana anjara amin'ny fitokonana dia midika hoe:
a. Ho any amin'ny toeram-piasanao ianao ny maraina.
b. aza miasa mihitsy.
c. aparitaho fa mandray anjara amin'ny fitokonana ianao.

3. Mpikambana ao amin'ny ekipan'ny fampianarana ao amin'ny sampana fianarana dokotera aho, tokony tsy hanao ny adidiko ara-pitsaboana ao amin'ny hopitalin'ny oniversite amin'ny andron'ny fitokonana ve aho?
Tsia, tokony hitohy ny adidy ara-pitsaboana ao amin'ny hopitalin'ny oniversite.

4. Ahoana no hanapariahana ny fandraisana anjara amin'ny fitokonana?
Afaka manao izany ianao amin'ny alalan'ny:
a. Filanjana ny mariky ny fitokonana.
b. Mametraka ny mariky ny fitokonana ao amin'ny varavaran'ny laboratoaranao na ny biraonao.
c. Mitangorona eo akaikin'ny marika ao amin'ny toeram-pihetsiketsehana.

5. Ahoana no handraisako anjara amin'ny fitokonana raha tsy misy asa aho amin'io andro io?
Ampy ny tonga ao ary mihazona ny marika.