Álvaro Ramírez tao amin'ny Ars Electronica 2009

(Marihina fa tamin'ny 10 Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Álvaro Ramirez, Gabriel Jaime Vanegas, ary Diego Gomez. no nisolo tena ny HiperBarrio tao amin'ny Ars Electronica. Nanombohan'i Álvaro azy ny fampahafantarana ny tantara sy ny fivoaran'ny HiperBarrio sy ny fomba nataon'ny vondrona tanora bilaogera sy ireo olontsotra tia mampita vaovao tao San Javier La Loma hitazonany amin'ny maha-vondrom-piarahamonina azy sady mbola mampiditra mpikambana vaovao ry zareo. Nosoritany fa mihevitra indray ny anjara asan'ny tranomboky mba tsy ho toerana hanovozana kolontsaina eo amin'ny ambaratongan'ny rafi-panjakana ihany ny HiperBarrio; fa mba ho ampiasaina ho laboratoara iombonana hamokarana sy hamoahana kolontsaina avy eny ifotony koa. Nataon'ny tambajotran'ny famakiam-bokim-pirenena ao Shily ho maodely ny HiperBarrio rehefa nihevitra indray ny anjara asan'ny tranomboky ao anatin'ny vanim-potoana nomerika, sady natolotry ny Fundación Empresas Públicas tao Medellín hifaninana amin'ny tetikasa mety hahazo ny fanohanana ara-bola mitentina 1 tapitrisa dolara avy amin'ny Gates Foundation. (Nanamafy i Ramirez fa tsy misy amin'ny HiperBarrio na ireo programam-pampiofanana media vaovao eny ifotony mitovy aminy efa velomin'izany tetibola 1 tapitrisa dolara izany tamin'ny fotoana nanoratana.)

Nanonona ny tantaran'i Suso i Álvaro ho ohatra iray amin'ny fomba namolavolan'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra ny tanora ahitany torohay betsaka kokoa momba ny vondrom-piarahamoniny hananany rakitra ho amin'ny hoaviny. Nasongadiny ihany koa fa manome vahaolana fisarihana hafa manoloana ny andian-jiolahy sy ny zava-mahadomelina ny famokarana ny fampahalalam-baovao ho an'ireo tanora ao amin'ny vondrom-piarahamonina. Nanampy ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazety El Tiempo ao Colombia hoe :

The project was presented to the public at Ars Electronica with a video which highlights the important role HiperBarrio plays to help young people find alternatives to crime, violence and drugs in a region that has been marked by the drug trafficking, guerrillas and paramilitaries.

“When people have no access to media, and are given the opportunity to tell their stories and show who there are, then they take that opportunity,” Ramirez said to the public.

Nampahafantarina ny vahoaka tao amin'ny Ars Electronica tanaty lahatsary iray manasongadina ny anjara asan'ny HiperBarrio amin'ny fanampiana ny tanora hahita fomba hafa hialana amin'ny fanaovana heloka bevava, ny herisetra ary ny zava-mahadomelina ao amin'ny faritra izay anjakan'ny trafika-na rongony, ny ady anaty akata ary milisy ny tetikasa.

“Raha tsy manana fahafahana miditra amin'ny fampahalalam-baovao ny olona, ​​kanefa omena fahafahana hilaza ny tantarany sy haneho ny maha-izy azy ireo dia ho ampiasainy izany varavarana misokatra izany “, hoy i Ramirez tamin'ny mpanatrika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.