- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mankalaza ny Eid ul-Fitr araka ny fomban'ny bilaogera

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 3 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mbola niresaka momba ny Eid ul-Fitr ireo bilaogera Indoneziana sasany, na ny zavatra nifandraika tamin'izany, andro maro taty taoriana noho ny antony samihafa. Agus Setiawan [1] ao amin'ny Blogonesia, ohatra, dia niresaka momba ny fatwa (didy ara-pivavahana) nataon'ny Nahdlatul Ulama (NU), fikambanana Miozolomana Indonezianina lehibe indrindra, izay nanambarana tao anatin'izany fa heverina ho haram na ‘tsy manaraka ny lalàna’ ny fijerena fandaharana fifosana amin'ny fahitalavitra.

Nankatoa [2] ny fatwa toy izany i Agus Setiawan noho ny antony fa (a) Miozolomana ny 80 isa-jaton'ny Indoneziana ary (b) voarara tanteraka na tena mahakivy amin'ny finoana Islamo ny fanaovana na ny fihainoana ny vaovao fifosana.  Ankoatra izany, hitany fa tena mandany fotoana be sady tsy hamokarana ny fijerena ny fandaharana toy izany.

Niombon-kevitra tamin'ny fanambaràny ny ankamaroan'ny mpaneho hevitra tao amin'ny lahatsoratra manokana saingy nihevitra kosa i Hartanto [3] fa efa antitra tahaka nisian'ny olombelona io kolontsain'ny fifosana io; Ary aoka noho izany tsy hovaina satria natao ho anjely sy devoly ny olombelona;

Biarkanlah gosip, yang sudah ada sejak manusia ada… Kalo gosip dilarang, kasian mahluk yg berasal dari api, susah cari celah…

Muhammad Ali [4], mpianatra Indoneziana any Honolulu, Hawaii, nandritra izany fotoana izany, dia nankafy ny fankalazana ny Eid tamin'ilay antsoiny hoe ‘Multifaith Lebaran Feast’ (Fetim-pinoana Lebaran maro samihafa), raha nankalaza ny Eid niaraka tamin'ireo rahalahiny sy anabaviny avy amin'ny finoana hafa izy. Hoy izy:

For Muslims in Hawaii, a multifaith, multiethnic and multinational lebaran feast (concluding the fasting month of Ramadhan) is not something unusual. As you can see in the pictures, they are mostly Muslims, but some probably Catholics, Protestants, Hindus, Buddhist, Confucians, Agnostics, spiritualists, and possibly atheists too, joined the Indonesia's lebaran feast on Saturday, October 28th, 2006, organized by PERMIAS-H.

Ho an'ny Miozolomana any Hawaii, tsy vaovao ny fety lebaran avy amin'ny finoana samihafa, ny foko samihafa sy ny firenena samihafa (famaranana ny volana fifadian-kanina Ramadhan). Araka ny hitanao eo amin'ny sary dia Miozolomana ny ankamaroan'izy ireo, saingy inoana fa ahitana Katolika, Protestanta, Haindoa, Bodista, Konfisiana, Agnostika, Spiritoalista ary mety tsy mpino ihany koa aza ny sasany izay nanatevin-daharana ny fety lebaran nokarakarain'ny PERMIAS-H ny Asabotsy 28 Oktobra 2006.

Nahamarika [5] tsara izy fa tokony ho tazomina sy kolokoloina ho an'ny fifandraisana tsaratsara kokoa eo amin'ny olona avy amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa ny fomba fanao amin'ny fifandeferana tahaka izao:

This practice of a multifaith lebaran is truly enlightening. It is indeed revealing to the fact that most people have interacted with others regardless of religions, ethnicities, nationalities, etc, and the lebaran feast tradition seems to be a good opportunity for them to share sympathy and ask and give forgiveness, in case they have acted or said something hurting or insulting others, consciously or unconcsciously. People say “human errs”, but the best human is the one who asks and gives forgiveness and then try not to repeat the same errors.

Tena mahazava ity fomba fanao avy amin'ny finoana samihafa lebaran ity. Mampiseho tokoa ny zava-misy fa mifandray amin'ny hafa ny ankamaroan'ny olona, na inona na inona fivavahana, foko, firenena, sns… misy azy ireo, ary toa fahafahana tsara ho azy ireo hizarana ny fangoraham-po sy ny fangatahana ary ny fanolorana famelan-keloka ny fomba amam-panao amin'ny fety lebaran, raha toa izy ireo ka nanao na nanambara zavatra nandratra na naniratsira ny hafa izay niniana natao na tsinahy. Hoy ny olona hoe “mety diso ny olombelona”, saingy ilay mangataka sy manome famelan-keloka ary miezaka ny tsy hamerina ny hadisoana intsony no olona tsara indrindra.

Nanao fanambarana “Fiarahabana ny Eid” i Juwono Sudarsono [6] , Minisitry ny Fiarovana Indoneziana, tsy tamin'ny alàlan'ny famoahana lahatsoratra anefa izany fa tamin'ny alàlan'ny fanovana ny endriky ny bilaoginy niaraka tamin'ny loko marevaka kokoa sy niaraka tamin'ny lohateny “Eid Mubarak” .

Raha ny momba ny lahatsoratr'i Juwono nivoaka farany dia naleony niresaka momba ny lohahevitra tiany indrindra, izany hoe ny politika ary nosoratany tao anatin'izany ny momba ny “Demokrasia, Fahantrana ary ny Politika Mahery Fihetsika.” [7] Tena lahatsoratra mahaliana izy io ary tsara vakiana ho an'ireo izay liana amin'i Indonezia sy ny politika ary ny Islamo ao amin'ny firenena be Miozolomana indrindra.