- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

EWAMT: Manao fihetsiketsehana ny vehivavy 

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 26 Martsa 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tonga hatrany Yemen ihany koa ny onjan'ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra. Tamin'ny volana Janoary 2011, Yemenita an'arivony no nanomboka nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Sanaa sy tany an-kafa nitaky ny fialàn'ny filoha Ali Abdulla Saleh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona mahery. Nahafatesana sy nahartrana olona marobe (vakio amin'ny antsipiriany ny fitantarana manokana avy amin'ny Global Voices [1]) ny famoretana nataon'ny miaramila tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny tanàndehibe maro . Ny tena nahavariana dia nihamaro ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana no nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana.

[2]

Vehivavy nanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao amin'ny Oniversiten'i Sana'a. Sarin'i Giulio Petrocco. Fizakàmanana Demotix.

Manana ity fanavaozam-baovao [3] ity i Ghaida'a al Absi avy ao amin'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices ‘Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media’  [4] (EWAMT) [4] avy any Yemen :

There is thousands of Yemeni demonstrating in Yemen everyday. There has been more than a month of protests against President Ali Abdullah Saleh, who has been in the power for 33 years. Thousand of people in Taiz,Ibb,Sana’a Aden…etc are demanding the departure of the president. From Time to Time, the president supporters, and thugs shot fire on the protestors, and causing death.

Yemenita an'arivony no manao fihetsiketsehana isan'andro ao Yemen. Efa iray volana mahery ny fihetsiketsehana manohitra ny Filoha Ali Abdullah Saleh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 33 taona. Olona an'arivony ao Taiz, Ibb, Sana'a Aden … sns no mitaky ny fialan'ny filoha. Matetika ny mpanohana ny filoha sy ny jiolahimboto no mitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nahatonga fahafatesana.

The beauty of what is going on in Yemen is that the first time to see such an organize demonstration in Yemen. For instance, it is not allowed for the protestors to carry a weapon especially that most of the Yemenis are armed. They have medical camp, Media camp, and camp for discussions. In addition, They have put the strongest men and tribes on the first line of demonstrations next line is for the other youth, and women.

Ny nahafinaritra tamin'ity zava-mitranga tao Yemen ity dia ny fotoana nahitana voalohany ny fihetsiketsehana nokarakaraina tahaka izao. Ohatra, tsy azo atao ny mitondra fitaovam-piadiana ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana, indrindra fa mitam-piadiana ny ankamaroan'ny Yemenita. Manana tobim-pitsaboana, tobim-pampitam-baovao, ary toby ho an'ny fifanakalozan-kevitra izy ireo. Ankoatra izay, ny lehilahy matanjaka indrindra sy ny foko no napetrak'izy ireo teny amin'ny lohalaharana amin'ny fihetsiketsehana, ary ny tanora hafa sy ny vehivavy no manaraka.

Nanome lahatsary momba ny vonoan'olona  Zoma izy ireo izay nahitana mpanao fihetsiketsehana miisa 52 namoy ny ainy ary maherin'ny 200 no naratra.

Nizara ny zavatra niainany nandritra ny fitroarana ny mpikambana ao amin'ny tetikasa EWAMT. Nanoratra [5]Kholoud ao amin'ny tetikasa Ambitious hoe :

The winds of revolution and change are moving from country to country and this time from Tunisia it went to Egypt and now is on its way to Libya, Bahrain and our Yemen close to the breathing winds of revolution to be saturated by the lungs of looking forward to freedom, pride and revolt against the corruption. All those who want to say Enough .. we are fed up with bright and false promises .. We want a radical change among all the leaders that became synonymous with corruption, injustice and arrogance on the citizen .. People are fed up with vampires and their race and their efforts to fill their needs and personal assets … (machine translation)

Mifindra any amin'ny firenena iray mankany amin'ny firenena iray ny rivotry ny revolisiona sy ny fanovana ary tamin'ity fotoana ity izy dia avy any Tonizia nankany Egypta ary ankehitriny dia mankany Libya, Bahrain sy eto Yemen izay efa akaikin'ny rivotry ny revolisiona mitsoka mba hameno ny havokavoka miandrandra ny fahafahana, ny rehareha ary ny fitroarana manohitra ny kolikoly. Ireo rehetra izay te-hiteny hoe Ampy Izay.. leon'ny  fampanantenana mamirapiratra sy poak'aty izahay … Mila ny fiovàna goavana eo amin'ireo mpitondra rehetra izay lasa midika hoe kolikoly, tsy rariny ary fireharehana amin'ny olom-pirenena izahay. Leon'ny mpitsetsitra rà ny vahoaka ary ny rotoroto sy ny ezak'izy ireo mba hamenoana ny filany sy ny fananany manokana …

Indro ny lahatsary iray mampiseho ny famoretana nataon'ny mpitandro filaminana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana:

http://www.youtube.com/watch?v=bZrGRJOXQCI

Nanoratra [6] i Ebtisam Al-Mohmmdy ao amin'ny Yemeni Notes hoe :

Soon in Yemen, noted that the protesters wanting freedom are women campaigners in the face of dictatorship, oppression and tyranny …[..] these women did not retreat even one step back, despite threats of attacks[..] I could not go out during the last period to participate in demonstrations demanding to bring down the system and bring about a change in the government system in the country but from Almukd heard that opportunity is coming, God willing. [..] Victory for the People of Yemen ……. victory for women struggling. (machine translation)

Fotoana fohy tao Yemen, voamarika fa ireo mpanao hetsi-panoherana mitady ny fahafahana dia vehivavy mafana fo manoloana ny didy jadona, ny famoretana ary ny fanaparam-pahefana… [..] tsy mihemotra ireo vehivavy ireo na dia dingana iray monja aza, na dia eo aza ny fandrahonana sy ny fanafihana [..] tsy afaka nivoaka nandray anjara aho tamin'ny fihetsiketsehana farany nitaky ny fandrodanana ny rafitra sy hitondrana ny fanovàna eo amin'ny rafitry ny governemanta ao amin'ny firenena saingy reko avy amin'i Almukd fa tonga ny fahafahana manao izany raha sitrapon'Andriamanitra. [..] Fandresena ho an'ny Vahoaka ao Yemen ……. fandresena ho an'ny vehivavy mpitolona.

Marihina eto fa nahazo fandrahonana [7] noho ny andraikiny tao amin'ny hetsi-panoherana ny bilaogera sy ny mpanao gazety Yemenita.

Naneho hevitra tao anaty tononkalo [8] i Nabiha Kadiri raha niresaka momba ny fitroarana.

Nahatsikaritra ny fitombon'ny bilaogera Yemenita, indrindra fa ny vehivavy, izay manandratra ny feony sy maneho ny fomba fijeriny mampiady hevitra izay tsy azo lazaina any an-kafa ny tatitra [9] iray tao amin'ny Yemen Observer.